Handeha Sa Tsia? Fitsapa-Kevi-Bahoakan'i Ekaosy Momba Ny Fahaleovantena

A houshold in Gateside, Fife (Photo: Anna Chworow)

Anoloan'ny trano iray ao Gateside, Fife. Saripikan'i Anna Chworow.

Ny andron'ny alakamisy 18 Septambra i Ekaosy no miatrika fifidianana demokratika lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny fireneny – dia ny fitsapa-kevi-bahoakan'ny fahaleovantena. Raha mamaly ‘Eny’ amin'ny fanontaniana manao hoe ‘Tokony ho firenena mahaleotena ve i Ekaosy?’, ny maro an'isa amin'ny mpifidy ao amin'ny firenena, izay mbola ao anatin'ny vondrona Fitondram-Panjaka Mitambatra UK amin'izao fotoana izao, dia ho lasa fitondrana manana fiandrianam-pirenena manokana.

Efa nanomboka tamin'ny 2011 ny adi-hevitra tamin'ny fanentanan'ny mpanohana ny fahaleovantena Yes Scotland sy ny mpanohana ny fivondronana Better Together. Sambany nitarika tamin'ny fanombanana avy amin'ny fanatsongana ny safidin'ny nanontaniana ny ‘Eny’ tamin'ny 12 septambra 2014 tamin'ny fahazoana ny 49 isanjato nirona nankany amin'ny fahaleovantena, sy 42 isanjato nanohitra ary ny 9 isanjato ihany no mbola tsy tapa-kevitra raha zara raha nahazo ny 32 isanjato ny mankasitraka ny fahaleovantena, 49 isanjato kosa no manohana ny fivondronana ary 19 isanjato no mbola feno fisalasalana herintaona lasa izay.

Nafana dia nafana ny fifandresen-dahatra, izay matetika soritsoritana ho fifanandrinan'ny mpanohana ny ‘Eny’ avy eny amin'ny fototra sy ireo manohana ny fiarahana izay omen'ny antoko politika lehibe ao amin'ny Fitondram-Panjaka Mitambatra UK vahana. Na izany aza, noho ny fampanantenana hisian'ny fiaraha-monina anjakan'ny rariny kokoa, lalampanorenana voasoratra (Tsy manana izany ny Fitondram-Panjaka Mitambatra UK), fanesorana ny fitaovam-piadiana nokleary ary ny fijoroana manohana ny fifindra-monina dia mahazo fanohanana matanjaka avy amin'ny Antoko Maitso Ekosey, ny Antoko Sosialista, ary tarihan'ny Antoko Nasionaly Ekosey izay mitana ny maro an'isa ao amin'ny Parlemanta Ekosey amin'izao fotoana.

The independence debate covered a spectacularly wide range of issues. A passionate appeal in Edinburgh (Photo: Anna Chworow)

Mahasahana lohahevitra maro mahatalanjona ny adi-hevitra momba ny fahaleovantena. Antso mafana avy ao Edinburgh. Saripikan'i Anna Chworow.

Yes campaigners coined a phrase: 'Houses are voting yes, fields are voting no', pointing to the promisses of land tax and reform in independednt Scotland. 'No thanks' sign in a field in Auchtermuchty, Fife (Photo: Anna Chworow)

Nandrafitra fehezanteny ny mpanentana ny Eny hoe: ‘Ny Trano manohana ny eny, ny saha mifidy ny tsia’, mampivoitra ny fampanantenana hampandoavana hetra ny tany sy hisian'ny fanitsiana ao anatin'i Ekaosy mahaleotena, fanitsiana hisy fiantraikany voalohany amin'ireo manana tany be velarana. Marika ‘No thanks’ [Tsia misaotra] ao an-tsaha iray ao Auchtermuchty, Fife. Saripikan'i Anna Chworow.

Young people became fully engaged in the debate A window posted in Edinbrugh. (Photo: Anna Chworow)

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny adi-hevitra ny tanora. Hafatra iray eo am-baravarankely ao Edinbrugh. Saripikan'i Anna Chworow.

Mandritra izany fotoana izany ny mpanohana ny fahaleovantena miezaka mafy ny hahazo ny fo sy ny eritreritry ny mpifidy ao Ekaosy amin'ny fomba izay tsy hananan'ny mpanohana ny fivondronana. Amin'ny fandokoana ny aingam-panahy avy ao amin'ny heverina ho firenena (Eoropeana) Tavaratra anjakan'ny rariny indrindra sy ambinin-karena ary efa avo lenta amin'ny fandraisana anjara demokratika, dia lasa maro ny Ekosey no lasa mandray anjara fanentanana hatrany amin'ny fototra.

Ny hetsiky ny ‘Better Together’ [Tsara kokoa ny Miaraka], izay omen'ny mpitsikera azy anarana ho ‘Bitter Together’ [Mangidy ny Miaraka], kosa manasongadina ny tsy fahafantarana mihitsy ny hoavy ara-toekarena, ny mety ho fiakaran'ny vidin-tsolika sy ny sakafo, ny resaka ara-bola ary ny anjara toerana mety hahampikambana an'i Ekaosy eo anivon'ny Vondrona Eoropeana amin'ny maha-fanjakana mahaleotena azy. Maro tamin'ireo banky sy orinasa goavana no nandrahona, fa raha mahaleo tena i Ekaosy, dia hamindra ny foiben-toerany any Angletera ry zareo, sady nampitandrina ny amin'izay ho fiantraikan'izany fifindrana izany eo amin'ny toe-karena.

Green Yes supporter in Edinburgh (Photo: Anna Chworow)

Mpanohana ny Green Yes ao Edinburgh. Saripikan'i Anna Chworow.

Yes Campaign banner on approcach to Strathmiglo, Fife (Photo: Anna Chworow)

Sorabaventin'ny Eny rehefa manatomotra ny tanànan'i Strathmiglo, Fife. Saripikan'i Anna Chworow

Sarotra ny mamehy indray mifaoka ny fandresen-dahatra asehon'ny roa tonta. Misy anefa, na izany aza, ny zavatra roa tontosa mila asongadina nandritra ny fotoanan'ny fanentanana. Voalohany, tsy nahitana herisetra na dia iray aza ny adi-hevitra mety hahatonga amin'ny fanapahana ny fiarahana naharitra 300 taona, latsa-bato izay manana dikany lehibe ara-tantara. Ny tati-baovao ratsy indrindra dia ny fitorahan'ny mpanohana ny ‘Eny’ atody ilay politisiana mpanohana ny fiarahana Jim Murphy sy ny fandokoana tamin'ny alalan'ny loko-tsifotra ny foiben-toeran'ny mpanentana ny ‘Eny’ tao Edinburgh izay nofenoiny hoe ‘No thanks’ [tsia fa misaotra] sy ny marika Nazi. Maro ny tokantrano, fianakaviana ary toeram-piasana no nisara-kevitra manoloana ny fijerin-dry zareo ny fahaleovantena, saingy tafaray kosa amin'ny firosoan'izy ireo ao anatin'ny adi-hevitra sy ny faniriana an-karihary ho any amin'ny fampivoarana an'i Ekaosy.

Ny zavatra iray tokony asongadina dia ny fidirana an-tsehatry ny olona ao anatin'ny adi-hevitra tsy mbola nisy toy izany hatramin'izay. Nafana vay ny adi-hevitra tao amin'ny Twitter sy ny Facebook, tamin'ny fampiasana ny diezy #indyref voamarika mihoatra ny in-2,6 tapitrisa tao anatin'ny 30 andro farany. Nihintsana ihany koa ny habetsahan'ny olona nisoratra anarana hifidy, raha tombanana fa mahatratra hatramin'ny 97 isan-jaton'ny olona tokony hifidy no efa voasoratra anarana. Tsy tambo isaina intsony ny isan'ny diabe, blaogy, fitetezana isan-tokantrano, hetsika ara-kolontsaina, kabary, sehatra fiadian-kevitra sy ny sisa tsy voatanisa. Ireo sary voaangona ao amin'ny Twitter ireto no ahitana ny topi-mason'ireo fotoana nampientanentana niainan'i Ekaosy tao anatin'ny roa taona sy tapany.

Andrin-jiro iray ao North Queenferry

Fanentanana hampifidy ny Eny tao Leith Walk ao Edinburgh

Tiako ny ataon'ity mponina iray tao Portobello ity nandany fotoana hizara amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy hoe nahoana izy no nifidy ny ‘Tsia fa misaotra’

Masoandro mibaliaka ao Glasgow ho an'ireo mpanao ny Tsia avy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa. Mila an'i Ekaosy ny Fitondram-Panjaka Mitambatra UK. Andao hijanona miaraka

Izao fihetsiketsehana izao dia nianga avy amin'ny siokan-dehilahy iray nanao hoe andao isika hihaona amin'ny Talata. Olon-tsotra avy niasa. Mampiaiky volana!

Hifidy ny hijanona sa handeha ny vahoakan'i Ekaosy? Ny zoma maraina amin'ny fito ora no hanambarana ny vokatry ny referendum.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.