Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsy Mifanaraka Amin'ny Lalàmpanorenana Ny Lalàna “Mangeja” Ny Media Ao Timor Atsinanana

East Timorese youth undergoing a journalism training sponsored by the Independent Centre for Journalism. Photo from Flickr page of DFAT photo library (CC BY 2.0)

Tanora Timorey Tatsinanana miza-draharaha fanaovan-gazety tohananny Ivontoerana Mahaleotena Misahana ny Fanaovan-gazety. Saripika avy amin'ny rakitsary Flickr DFAT (CC BY 2.0)

Nahazo fandresena ampahany ireo mpanoratra gazety sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona avy ao Timor Atsinanana raha namoaka didy ny Fitsarana Ambony fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny Lalàna mifehy ny gazety nolanian'ny parlemanta tamin'ny volana Mey lasa teo.

Manohitra ny lalàna izay sokajian'izy ireo ho fangejana ny fahalalaham-pitenenana ny vondrona mpikatroka sy ny media. Notanisain-dry zareo ny fehezan-dalàna maromaro “mampidi-doza” sy “mivelatra” mankany amin'ny mety ho fanohintohinana ny fahalalahan'ny fampitam-baovao tahaka ny politika vaovao mitaky amin'ireo mpanao gazety hisoratra anarana sy hoarahin'ny Vaomieran-gazety maso, ary koa ny lalàna mitaky fahazoan-dalana ho an'ny vahiny mpanoratra gazety. Nampitandrina izy ireo fa mety hametra ny anjara toeran'ny olon-tsotra mpanoratra gazety sy ireo tsy nahazo fankatoavana amin'ny fomba ofisialy ho mpikambana amin'ny tontolon'ny gazety ny lalàna. Nampangain'izy ireo ihany koa ny fepetra tafahoatra amin'izay zavatra ataon'ny mpanoratra gazety vahiny ny fehezan-dalàna.

Tamin'ny herinandro lasa, nanafoana fehezan-dalàna maromaro izay tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny Fitsarana Ambony, tahaka ny andinin-dalàna faha-20, izay mamaritra ny adidin'ny mpanoratra gazety, ny andinin-dalàna faha-24 mikasika ny renivola vahiny ary ny andinin-dalàna faha-40 mikasika ny resaka onitra ho an'ny fampitam-baovao. Naverina hodinihana sy hasiam-panovana any amin'ny parlemanta indray ilay lalàna.

Na dia nambara fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana aza ilay lalàna, tsy naneho hevitra mikasika ireo fehezan-dalàna sasany tian'ireo mpikatroka hofoanana ny fitsarana. Nitarika ny Sendikan'ny Gazety Timor-Leste hanao fitakiana tamin'ireo mpanao lalàna ny handrafetana lalàna vaovao amin'ny alalan'ny fandinihana miaraka amin'ny fakàna ny hevitry ny sehatry ny fampitam-baovao izany.

Iray amin'ireo mpitsikera mafy ny lalàna i José Belo, mpanoratra gazety Timorey Tatsinanana sady talen'ny gazety Tempo Semanal. Nanoratra izy teo aloha fa mikasa tsy hiraharaha ireo fitakiana apetraky ny lalàna:

The tale of East Timor’s controversial proposed media law is a story of insiders versus outsiders, of the rich versus the poor.

As the director of Tempo Semanal newspaper and president of the Timor-Leste Press Union I will neither submit to being certified, nor will I pay any fines. As a result, in the worst-case scenario, there is a strong chance I will be prosecuted and jailed for not submitting to the new law.

Ny tantaran'ny lalàna mampiady hevitra mifehy ny fampitam-baovao ao Timor Atsinanana dia tantaran'ny adin'ny anatiny sy ivelany, adin'ny mpanankarena sy ny mahantra.

Araka ny filazan'ny talen'ny gazety Tempo Semanal sady filohan'ny Sendikan'ny Gazety Timor-Leste hoe: tsy hametraka fangatahana aho hahazoana fankatoavana, na handòa onitra. Vokatr'izany, amin'ny tranga ratsy indrindra, misy betsaka ny riziky hitsarana sy hanagadrana ahy noho ny tsy fankatòavana ny lalàna vaovao.

Hatramin'ny nanolorana ny lalàna tamin'ny taon-dasa, vondrona mpiaro ny fampitam-baovao isan-karazany manerantany no naneho ny ahiahiany sy ny fanoherany ilay fepetra. Manahy i Jane Worthington, Tale Vonjimaika Azia-Pasifika ao amin'ny Federasiona Iraisam-pirenena Hoan'ny Mpanoratra Gazety fa mety hanohintohina ny fahaleovantena sy ny fahalalahan'ny mpanoratra gazety ao Timor Atsinanana ilay lalàna:

We are greatly concerned for the freedom of the media and journalists ability to report in East Timor should these laws proceed.

These unacceptable laws threaten East Timor’s democracy and show the Government’s attempts to limit the ability of journalists to freely report.

The media has long played an integral role in East Timor’s struggle for independence. This should not be forgotten or compromised.

Miahiahy mafy mikasika ny fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny fahafahan'ny mpanao gazety mitati-baovao ao Timor Atsinanana izahay, raha hampiharina izany lalàna izany.

Mandrahona ny demaokrasian'i Timor Atsinana ity lalàna tsy azo ekena ity ary mampiseho ny fikasan'ny governemanta hametra ny fahafahan'ny mpanoratra gazety hitati-baovao an-kalalahana.

Nandray anjara manontolo hatry ny ela tamin'ny tolona hoan'ny fahaleovantenan'i Timor Atsinanana ny fampahalalam-baovao. Tsy tokony hohadinoina na atao kinanga.

Ashlee Betteridge, Manampahefana Mpikaroka ao amin'ny Foibe Politikam-Pampandrosoana ao Aostralia nampatsiahy amin'ireo manampahefana ao Timor Atsinanana ireo fanamby hafa maika kokoa atrehin'ny fampitam-baovao ankehitriny:

This law will not solve the quality challenge facing the Timor press. New voices, increased competition and stronger demands from audiences are probably the best hopes, and they cannot be legislated into existence.

Instead, there is a real threat of increasing self-censorship by publications and individual journalists to mitigate their financial and legal risk in the face of the new sanctions that can be imposed under the law, and a real threat to the freedom and diversity of the Timor-Leste media.

 
Tsy hamaha ny fanamby goavana atrehin'ny fampitam-baovao ao Timor ity lalàna ity. Miteraka fifaninanana sy fitakiana mahery kokoa avy amin'ny mpihaino ny feo vaovao, ary tsy mila ampidirina lalàna vao misy.

Fa misy tokoa ny fanahiana hitomboan'ny sivana ataon'ny tena (auto-censure) amin'ny famoaham-baovao ho fampihenana ny olana ara-bola sy ara-pitsarana mety ho azon'ny mpanoratra gazety mahaleotena manoloana ny sazy vaovao izay mety apetraka araka ny lalàna, sady fandrahonana mipaka amin'ny fahalalahana sy ny fahasamihafan'ny fampitam-baovao ao Timor-Leste

Teo ambanin'ny fitondrana miaramila Indoneziana i Timor Atsinanana nanomboka ny taona 1975 ka hatramin'ny 1999. Nandritra ny tolona ho amin'ny fahaleovantena, iray tamin'ireo fitaovana mahery vaika nampiasain'ny Timorey ny fampitam-baovao hahamafy orina ny tolon'izy ireo. Mampatsiahy izany lova izany ireo mpikatroka sy mpiadin'ny fahalalahana teo aloha hanamafisana ny fandrafetana ny lalànan'ny fampitam-baovao hanome hery, fa tsy hamadika, ny andraikitra demaokratikan'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.