Tantara tamin'ny 18 Septambra 2014
Nampitombo Avo Roa Heny Ny Trangan'Extremisma ao Rosia ny Aterineto
Nitombo avo roa heny ny trangan-keloka bevava noho ny extremisma tamin'ity taona 2014 ity, ary ny Internet no tompon'andraikitra voalohany amin'izany fitomboana izany, satria mihamaro koko ny hetsika politika sy ny fahavitrihana an-tserasera.
Eo Amin'ny 70% n'ny Tanora Iraniana No Mampiasa Fitaovana Tsy Ara-dalàna Famakiana Sivana Amin'ny Aterineto
Araka ny voalazan'ny lisitry ny Heloka Informatika ao Iran, samy tsy ara-dalàna ny fizarana ny teknolojia famakiana sivana sy ny toro-lalana fampiasana izany fitaovana izany. Mety hiafara amin'ny sazy henjana ny fanitsakitsahana izany lalàna izany.
Tezitra Noho Ny Fahatarana Adiny 2, Mpanao Politika Pakistaney Nosakanan'ireo Mpandeha Tsy Hiditra Ao Anaty Fiaramanidina
Efa mahazatra ao Pakistana ny fahataran'ny fiaingan'ny fiaramanidina noho ireo mpanao politika sy olo manana fifandraisana ambony.
Tsy Mifanaraka Amin'ny Lalàmpanorenana Ny Lalàna “Mangeja” Ny Media Ao Timor Atsinanana
Nahazo fandresena ampahany ireo mpanoratra gazety sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona avy ao Timor Atsinanana raha namoaka didy ny Fitsarana Ambony fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny Lalàna mifehy ny gazety nolanian'ny parlemanta tamin'ny volana Mey lasa teo.