Ny lahatsoratra dia nosoratan'i Fenton Lutunatabua avy ao amin'ny 350.org, fikambanana iray manangana hetsika amin'ny toetr'andro ankapobe, amin'ny fitarihana ny Diaben'ny Vahoaka Amin'ny Toetr'Andro sy amin'ny fanentanana ankapobe, ary narafitra indray mba havoaka amin'ny Global Voices ao anatin'ny fifanarahana hifampizara vontoaty.
Mihoatra ny 100.000 no antenaina hidina an-dalamben'i New York amin'ny 21 Septambra handray anjara amin'ny Diaben'ny Vahoaka amin'ny Toetr'andro roa andro monja mialoha ny Vovonan'ny Firenena Mikambana Momba ny Toetr'Andro. Mihoatra ny 2000 ny hetsika nomanina hotontosaina amin'ny firenena 150 manerana izao tontolo izao mandritra ity herinandro ity ao anatin'ny Fanetsehana ny Vahoaka amin'ny Toetr'Andro. Izao indrindra no fotoana: nampitandrina antsika ny manampahaizana fa mihodikodina ho tsy voafehy intsony ny fihafanan'ny toetr'andro manerantany. Mila mahita fandraisana andraikitra izao dieny izao isika. Tsy misy andro handakandakana kapoaka eny an'arabe. Fotoana izao hihetsehana, fa tsy hanaovana be resaka.
Manandanja amin'ny mponin'i Pasifika tokoa ny krizin'ny toetr'andro, noho ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina izay mandrahona ny fisian'izy ireo. Any amin'ny Nosy Pacifika, avy any Tonga hatrany Tuvalu ka hatrany Tokelau, miantso hifamory hihetsehana ny mponina amin'ireo toerana ireo, fa tsy be resaka fotsiny amin'ny fiarovana ireo Nosin'i Pasifika. Ankilan'ny hanaovan-dry zareo diabe, dia efa manomna ihany koa izy ireo handefa Mpiadin'ny Toetr'andro ao Pasifika miisa 30 anaty lakana [mg] hibahanana ny seranantsambo fanondranana arintany lehibe indrindra manerantany miorina ao Aostralia amin'ny Oktobra.
Eto ambany ny andian-tsary avy amin'ny Mpiadin'ny Toetr'andron'i Pasifika avy ao Fiji ao anatin'ny fanomanana ny hetsiky ry zareo handray anjara amin'ny Fanetseham-Bahoaka amin'ny Toetr'andro.