Salama Tsara Miriaria Miaraka Amin'ny Fianakaviany Ao Toronto, Kanada i Alexander Sodiqov, Mpikambana Ato Amin'ny Global Voices

Alex Sodiqov with his wife and daughter. Shared via www.freesodiqov.org

Alex Sodiqov miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany vavy. Nozaraina tao amin'ny www.freesodiqov.org

Anisan'ny hetsika nataonay tamin'ny #FreeAlexSodiqov: Mpanoratra GV Nogadraina Ao Tajikistan

Faly mampilaza ny Global Voices fa nigadona soa aman-tsara tao Toronto i Alexander Sodiqov, mpanoratra ato amin'ny GV sy mpamoaka lahatsoratra teo aloha tao amin'ny Global Voices Azia Afovoany, ary vonona hanohy ny fiainany amin'ny maha-akademika azy ao amin'ny oniveriste ao Kanada. Tonga tao Toronto tamin'ny Alarobia i Alex. Notsenain'i Musharraf, vadiny sy i Erica, zanany vavy izy tamin'ny fahatongavany.

Hanohy ny fianarany doktorà ao amin'ny Oniversiten'i Toronto izy ary ho eo ambany fanaraha-mason'ny Dr Edward Schatz sy John Heathershaw, tompon'andraikitra tamin'ny fandrindrana ny hetsika freealexsodiqov.

Mivaky toy izao ny hafatra nozarain'i Schatz tao amin'ny Facebook:

John Heathershaw and I are ecstatic that Alexander SodiqovMusharraf Sodiqova and daughter Erica are now back in Toronto! A formal request was made of the authorities to permit his return, and it was granted. Formally, Alexander remains under investigation, but the fact that the Tajik authorities saw fit to let him travel abroad strongly suggests that they are also convinced of the need to exonerate him. We want to thank the many people and institutions that advocated publicly and worked privately for Alexander’s return to his PhD work at the University of Toronto. As you can imagine, it has been a difficult period for all of them, and one expects that the transition back to life in Toronto will be somewhat disorienting. Please do welcome them back but please also respect their need for privacy.

Faly ny tenako sy i John Heathershaw fa tafaverina ao Toronto i Alexander SodiqovMusharraf Sodiqova sy ny zanany vavy Erica! Nisy ny fitakiana ofisialy nalefa tany amin'ireo manampahefana mba ahafahany miverina ao Toronto, ary nankatòavina izany. Raha ny tena izy dia tokony mbola atao fanadihadiana i Alexander, saingy mampiseho mazava ny fankatòavan'ny manampahefana Tajik hamela azy hoany ivelany fa resy lahatra ny amin'ny tokony hamotsorana azy ihany koa izy ireo. Maneho ny fisaoranay an'ireo olona marobe sy fikambanana izay niaro am-pahibemaso sy niasa manokana tamin'ny fiverenan'i Alexander amin'ny fianarany doktorà ao amin'ny Oniversiten'i Toronto izahay. Azonao an-tsaina fa fotoan-tsarotra ho azy rehetra ireny, misy ny milaza fa somary hanahirana kely azy ny hizotra indray amin'ny fiainana vaovao ao Toronto. Azafady, arahabao ny fiverenan'izy ireo saingy hajao ihany koa ny filan'izy ireo hanana fiainana manokana azafady.

Nosamborina tamin'ny 16 Jiona izy raha nanatontosa fikarohana akademika tao amin'ny tanàndehibe mikorontana ara-politika ao Khorog, Tajikistan, navotsotry ny GKNB (KGB teo aloha) tao am-ponja izy tamin'ny 22 Jolay. Na dia izany aza, nitombo ny ahiahy mikasika izay mety hanjò azy raha nisafidy hanalava ny fe-potoana hanaovana fanadihadiana azy ny manampahefana Tajik tamin'ny 19 Aogositra, nilaza ny bilaogera Tajik iray fa tokony hanao tolona mba hanafoanan'ny governemantan'i Tajik tanteraka ny fiampangana azy.

Nanamarika ny lahatsoratr'i Schatz fa mbola tsy nofafana tamin'ny fomba ofisialy ireo fiampangana azy, saingy toa midika fiainana hoan'i Alex, Musharraf sy Erica mba hiverina indray amin'ny fiainana mahazatra taorian'ny vanim-potoanan'ny tahotra sy ny tebiteby.

Ireto sary nandritra ny hetsika fiaretan-tory manerantany tamin'ny 16 Jolay notontosaina tamin'ny anaran'i Sodiqov:

FREEALEX26FREEALEX25freealex22freealex23freealex20freealex17
Till
Kanykei
freealex11freealex8Freealex6

Anasal University Gurgaon, India
lauren

E-IR

Eric

American Political Science AssociationbermetFREEALEX31Free alex 2
free alex sodiqovFreealex 3
Freealex 4freealex 5
dm
freealex7
freealex9
Laura Adams Harvard
freealex10
Sfera
freealex12
freealex13
freealex14
dm2
freealex34
freealex15freealex16
freealex18
berlin
freealex19
freealex21
freEALEX24
yfs
FREEALEX27FREEALEX28FREEALEX29
freealex33
FREEALEX30

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.