- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiaiken'ilay Iraniana Tezitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana, Ny Tetezana - The Bridge
"Angry" Iranian political satirist Kambiz Hosseini. PHOTO from Wikimedia Commons.

Mpanesoeso ara-politika Iraniana “tezitra”, Kambiz Hosseini. SARY avy amin'ny Wikimedia Commons.

Avy amin'i Kambiz Hosseini [1]

Iraniana tezitra aho. Eny, alohan'ny maha-Iraniana ahy, lehilahy tezitra aho, tahaka ny lehilahy Afovoany-Atsinanana tezitra hitanao amin'ny fahitalavitra, ireo hitanao eny an-dalambe miaraka amin'ny totohondry mivonkona sy endrika mitebiteby mampiseho ny fanoheran'izy ireo.

Tsy mba tezi-dava aho; saingy lasa tezitra. Ny nampiferinaina ahy sy nahatonga ahy ho lehilahy tezitra dia tamin'izaho nonina tao Iran. Eny tokoa, nisy fotoana, nihoatra ny fefy mahazatra ny fahatezerako ary nanomboka nihomehy aho hiavota-tena. Ny tiako ambara, tsy afa-ho tezitra tsy mihomehy ny fahatezerako aho.

Hamadika ny fahatezerako ho tantara tsangana aho androany ary fivelomako ny miomehy amin'ny tebitebiko. Tsy mitsaha-mitombo isan'andro ireo antony mahatonga izany fahatezerako izany, ary noho izany, manana ny antony betsaka hihomezana ihany koa aho. Tahaka izany no nahatonga ahy ho Iraniana tezitra:

- Te-hahita olona mifampitolona sy miady eny an-dalambe aho. Nandeha namonjy mpitsabo aho ary nilaza tamiko izy fa raha tahaka izany no mahazo ahy, dia mety ho lasa mahery setra ihany koa aho. Avy eo, fantatro fa tsy manana olana amin'ny herisetra ny Repoblika Islamika.

- “Miadia, Miadia, Mandra-pahatonga ny Fandresena!” no teny filamatra misoratra eny amin'ny rindrin'ny tanàna. Tsy nandeha mpitsabo aho satria mety hahatonga ahy ho olona tsy tia tanindrazana izy. Avy eo, fantatro fa ny filaminana ao amin'ny Repoblika Islamika dia midika fisotroana kapoaka misy poizina. Nanapa-kevitra tsy hiresaka momba izany aho ary nahita toerana nofaina ivelan'ny tanàna, satria matahotra sao milatsaka ao an-tanàna ny baomba.

- «Ny Antokon'i Ali no hany Antoko, Seyed Ali ihany no Filoha», hoy ny voalazan'ny takelaka goavambe. Nandeha tany amin'ny mpitsaboko aho. Hoy izy, “Shush!” Takatro taty aoriana fa tsy manana olana amin'ny olom-pirenena mifanao hoe “Shush!” [mangìna!] ny Repoblika Islamika.

- Nandritra ny fandaharam-baovao hariva amin'ny fahitalavitra, toa tahaka ny fehezanteny iray ihany no niverimberina imbetsaka: «Adala ianao! Adala ianao! “Nandeha tany amin'ny dokoterako aho ka hoy izy,” Adala ianao! ” Avy eo, fantatro fa tsy manana olana amin'ny fiheverana ny olona ho adala ny Repoblika Islamika.

- Nampianatra ahy ny fomba handaingàna sy hanaovana fihatsarambelatsihy ny Gazety Kayhan, raha tokony hanome vaovao azo antoka ho ahy. Nandeha namonjy ny mpitsaboko aho. Ny afisy eo amin'ny varavarany milaza fa tsy mandray marary mamaky ny gazety Kayhan izy! Avy eo, fantatro fa tsy manana olana amin'ny lainga sy ny fihatsarambelatsihy maloto amin'ny gazety ny Repoblika Islamika.

- Isaky ny mandray lahatsoratra vakiana amin'ny sarimihetsika vaovao an'ilay lehilahy tompon'andraikitra amin'ny fankatòavana azy ireny ao amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika aho mba ahafahako milalao tantara, mihomehy izy ary milaza hoe: “Miverena rahampitso” Nandeha tany amin'ny dokoterako aho ary hoy izy: «Miverena rahampitso”! Avy eo, fantatro fa tsy manana olana amin'ny “Miverena rahampitso” ny Repoblika Islamika.

- Tsy afaka nandòa ny hofan-tranoko aho. Nandeha tany amin'ny mpitsaboko aho ary nilaza tamiko izy fa “aretim-bahoaka” izany ka tsy tokony hiahiahy aho. Avy eo, fantatro fa mandefa vondron'olona manokana nomena tombontsoa hoany Dubai, Shina, Malayzia, Rosia sy Venezoela mba hotsaboina ny Repoblika Islamika, ary tsy manana olana amin'ny aretiko mihitsy izy.

- Nosamborin'ny polisy ny sipako sy ny tenako fa “nampiaraka”. Nandeha tany amin'ny mpitsaboko aho, ka ny mariazy no fanafody nomeny mba ahafahako mampiaraka aminy eny an-dalambe. Avy eo, fantatro fa manana olana amin'ny fampiarahako amin'ny sipako ny Repoblika Islamika.

- Tsy idealiko ireo idealy voizina ao anaty horonantsarimihetsika. Tsy nandeha tany amin'ny mpitsaboko aho. Avy eo, fantatro fa manana olana amiko ny Repoblika Islamika satria tsy nizara ireo idealy aho. Niezaka niaina niaraka tamin'ny fahavaloko an'eritreritra te-hamotika ahy aho. Tokony hanao zavatra isan'andro aho mba hitolomana amin'ny fahavalo. Nandeha tany amin'ny mpitsaboko aho ary nilaza tamiko izy hiovako mpitsabo. Mbola tsy nandre mikasika izany mihitsy aho.

- Raha tokony hiezaka hikaroka ny antony mahatonga ny Repoblika Islamika ho manana olana amin'ny sasany amin'ireo {voalaza ireo aho} fa tsy ny hafa, dia nandany ny androko mahatsiaro ahy ho lasibatra. Nandeha tany amin'ny mpitsabo aho hiady amin'ny maha-lasibatra ahy. Dia hoy izy: “Mandehana mividy antenina parabolika! Raha mahita ny endrika hafa an'izao tontolo izao ianao, dia ho hitanao fa tsy ny vahoaka rehetra no lasibatra “.

Nividy antenina parabolika aho, saingy tsy nisy fandaharana nitsabo ny aretiko, fa nahatonga ahy indray ho tezitra kokoa! Niverina tany amin'ilay mpitsabo aho, ary hoy izy “Izay no zava-misy. Tsy hitako intsony izay atao ho anao. Saingy afaka mamorona fandaharana amin'ny fahitalavitra hoan'ny mpijerinao tokana, ary avy eo mipetraka ao amin'ny efitranonao sy mijery izany! Mety ho afaka milaza amin'ireo lasibatra vitsy hafa ihany koa aza ianao fa lasibatra ihany koa izy ireo saingy afaka miala amin'ny fahazarana ! “

Tezitra sy mihomehy ny fahatezerako, nandao ny biraony tsy hiverina intsony mandrakizay aho, nihazakazaka namonjy ny efitranoko, ary nitsambikina tao amin'ny fahitalavitro voalohany, ao anatin'ny onjan'ny zanabolana mba hamorona fandaharana tezitra, masiaka sy manesoeso mba hitsaboana ny tenako sy ireo Iraniana hafa lasibatra.

Mpanesoeso ara-politika Iraniana , mpilalao sarimihetsika, mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra sy onjampeo i Kambiz Hosseini. Izy no mpanolotra ny fandaharana Poletik, fandaharam-baovao manesoeso izay mandeha ao amin'ny Onjampeo Farda, sy  fandraketam-peo mandeha isa-kerinandro momba ny zon'Olombelona ao Iran, Dimy amin'ny Atoandro. Niara-namorona sy nanolotra ilay fandaharana amin'ny fahitalavitra nahitam-pahombiazana sy nankalazain'ny tsikera Parazit” ao amin'ny Voice of America nandritra ny 2009-2012″ , izay nahazo mpijery 30 tapitrisa manerantany ihany koa izy.