- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Video ‘Happy’ Anisan'ny Nivoaka Farany Indrindra Avy Any Sikkim, An-Tampon'i Himalaya Ao India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Screenshot from the video Happy Sikkim uploaded by Sushmita Pakhrin [1]

Pikantsary avy amin'ny video “Happy Sikkim” nakarin'i Sushmita Pakhrin

Lasa nalaza dia nalaza tokoa hatramin'ny fiandohan'ity taona ity ny hira “Happy” [2], nosoratana, novokarina ary notontosain'ilay Amerikana sady mpamokatra Pharrell Williams noho ny fahamaroan'ny lahatsary vita manerana izao tontolo izao nakarina an-tserasera.

Aleo tara toy izay tsy misy, namoaka voatra [version] iray ho an'i Sikkim [3], fanjakana iray miorina ao amin'ny tangoron-tendrombohitra Himalaya sady tsy manana moron-dranomasina ao avaratra atsinanan'i India, i Sushmita Pakhrin [4] avy ao amin'ny Lens Craft Production.

Ny video [1] dia navoaka tao amin'ny YouTube tamin'ny 28o aogositra 2014, ary nahazo fankasitrahana noho ny hatsaran'ny fanatontosana.

Hoy [5] Ms. Pakhrin nnandritra ny antsafa iray nataony tao amin'ny tranonkalam-baovao Sikkim Now:

We have tried to showcase the scenic beauty of Sikkim along with well-known and upcoming artists of the state.

Niezaka izahay ny hamoaka ny hakanton'i Sikkim miaraka amin'ireo artista fantadaza sy vao nisandratra ao amin'ny fanjakana