Video ‘Happy’ Anisan'ny Nivoaka Farany Indrindra Avy Any Sikkim, An-Tampon'i Himalaya Ao India

Screenshot from the video Happy Sikkim uploaded by Sushmita Pakhrin

Pikantsary avy amin'ny video “Happy Sikkim” nakarin'i Sushmita Pakhrin

Lasa nalaza dia nalaza tokoa hatramin'ny fiandohan'ity taona ity ny hira “Happy”, nosoratana, novokarina ary notontosain'ilay Amerikana sady mpamokatra Pharrell Williams noho ny fahamaroan'ny lahatsary vita manerana izao tontolo izao nakarina an-tserasera.

Aleo tara toy izay tsy misy, namoaka voatra [version] iray ho an'i Sikkim, fanjakana iray miorina ao amin'ny tangoron-tendrombohitra Himalaya sady tsy manana moron-dranomasina ao avaratra atsinanan'i India, i Sushmita Pakhrin avy ao amin'ny Lens Craft Production.

Ny video dia navoaka tao amin'ny YouTube tamin'ny 28o aogositra 2014, ary nahazo fankasitrahana noho ny hatsaran'ny fanatontosana.

Hoy Ms. Pakhrin nnandritra ny antsafa iray nataony tao amin'ny tranonkalam-baovao Sikkim Now:

We have tried to showcase the scenic beauty of Sikkim along with well-known and upcoming artists of the state.

Niezaka izahay ny hamoaka ny hakanton'i Sikkim miaraka amin'ireo artista fantadaza sy vao nisandratra ao amin'ny fanjakana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.