Niteraka Fahatezerana Ny Volavolan-dalàna “Anti-Selfie” Ao Filipina

#selfieprotests are popular in the Philippines and young people are often taking selfie photos to express their sentiments about the country's state of affairs. Photo from Ncr Bayan

Malaza ao Filipina ny #selfieprotests (fihetsiketsehana selfie) ary matetika maka sary tena ny tanora mba haneho ny fihetseham-pony momba ny raharaham-pirenena. Sary avy amin'i Ncr Bayan mampiseho tovolahy manao sary kisoan-kolikoly

Efa naka sarin'olona tsy nahazo alalana taminy ve ianao? Ahoana mikasika ireo olona tafiditra tsy nahy ao anatin'ny sary fialan-tsasatrao? Noho ny volavolan-dalàna vaovao ao Filipina, hanjary ho voaràra izany karazana fihetsika matetika tsotra izany.

Notsikerain'ireo mpikatroka sy vondrona fampitam-baovao ao Filipina ho fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana ny volavolan-dalàna mikendry hanameloka ny fakàna sarin'olona manokana tsy nahazoan-dalana. Noho ireo fehezan-dalàna manjavozavo, nantsoin'ny sasany hoe “volavolan-dalàna manohitra ny fakàna sary ny tena (anti-selfie) izany.”

Saingy araka ny filazan'ireo mpomba ny Lalànan'ny Antenimiera 4807 na « Lalànan'ny Fiarovana  Amin'ny Fihetsika Mitsabatsabaka Avy amin'Olon-kafa, mikendry fotsiny “hampiroborobo sy hiaro ny fiainana manokan'ny tsirairay avy” ilay volavolan-dalàna.” Nanazava izy ireo fa ny fihetsika miditra an-tany na tranon'olona manokana ao anaty fikasana hahazo tombotsoa no voaràra. Nolavin’izy ireo ihany koa ny filazana fa voaràra ny selfie (maka sary ny tena).

Ireto avy ireo fihetsika voaràra voalaza ao anatin'ilay volavolan-dalàna:

-capturing by a camera or sound recording instrument of any type of visual image, sound recording or other physical impression of the person;

-trespassing on private property in order to capture any type of visual image, sound recording or other physical impression of any person;

-capturing any type of visual image, sound recording or other physical impression of a person or family activity through the use of a visual or auditory enhancement device even when no physical trespass has occurred, when the visual image, sound recording or other physical impression could not have been captured without a trespass if no enhancement device was used.

-maka sary amin'ny fitaovana fakantsary na fandraketam-peo amin'ny fitaovana maka endrika, mandray feo na zavatra hafa an'olon-kafa;
-mitsofotsofoka any an-trano na tokotanin'olona manokana mba haka sary izay endrika hita-maso rehetra, mandray feo na manonta sarin'olona;
-maka sary izay endrika hita-maso rehetra, mandray feo na mamoaka sarin'olona na fianakaviana amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana fanatsarana sary na feo na dia tsy nisy aza ny fihoaram-pefy hita maso, raha tsy nisy ny sary fandraiketam-peo fa zavatra hafa tsy nisy fihoaram-pefy raha tsy nisy ny fampiasana fitaovana fanamafisana (fanakaikezana).

Azo ampiasaina hanenjehana mpanoratra gazety ity volavolan-dalàna ity, satria manakana azy ireo tsy hamoaka izay fihetsik'ireo manampahefam-panjakana. Raha hitarina dia azo ampiasaina hanakiviana ny olom-pirenena tsy haneho hevitra an-kalalahana mikasika ny fijeriny ny politikam-panjakana izany. Ao anatin'ny volavolan-dalàna, misy ny fanitsakitsahana ny lalàna na dia tsy nisy famarotana sary na feo tamin'olona aza rehefa ahitana porofo fa nalaina mba hahazoana tombotsoa izany.

Ilay mpikatroka mpahay lalàna, Carlos Zarate Isagani no voalohany naneho ahiahy amin'ny fiantraikan'ity fepetra ity :

At first glance, the terms used in these provisions may seem harmless and well meaning. Yet, a deeper look at how they will impact in everyday lives is truly worrisome. It affects not only those in the media profession but everyone.

Raha vao topazamaso voalohany, tahaka ny tsy mampidi-doza sy misy dikany mazava ireo voambolana nampiasaina tao anatin'ireo fehezan-dalàna ireo. Kanefa mampiahiahy tanteraka ny fiantraikany eo amin'ny fiainan'ny olona andavanandro rehefa dinihana lalina. Tsy miantraika amin'ny asa fanaovan-gazety ihany izany fa min'ny rehetra mihitsy.

Manampahaizana momba ny lalàna, Mel Sta. Maria niantso ity fepetra ity ho “volavolan-dalàna manohitra ny fifaliana (anti-joie)” ary nanazava ny antony mahatonga ireo fehezan-dalàna manjavozavo mikendry ihany koa ny selfie malaza amin'izao fotoana izao :

The law is so broad that it can include doing a “selfie” which, in turn, might include someone who accidentally might have been in the picture. It may also involve merely taking pictures of happy people, young and old alike, anywhere. In short, the proposed law practically says that taking photographs of other people, intentionally or accidentally, without their consent, will be considered an illegal intrusion.

Midadasika be loatra ilay lalàna ka afaka ampidirana ny fanaovana “selfie”, ary mety hahatafiditra olona tafatsofoka tsy nahy ao anaty sary . Mety tafiditra amin'izany koa ny fakàna sarin'olona falifaly, na tanora na antitra amin'ny toerana rehetra. Raha fehezina, milaza mazava ny volavolan-dalàna fa hosokajiana ho fitsabahana tsy ara-dalàna ny fakàna sarin'olona, na fanahy iniana izany na tsy nahy ka tsy nahazoana alalana avy amin'izy ireo.

Nampitandrina ny Sendika Nasionalin'ny Mpanoratra gazety ao Filipina fa mety ho “fitaovana fanafoanana sy famaizana” ny volavolan-dalàna:

We agree that people are entitled to privacy and, in fact, the Constitution guarantees as much, in all matters that are personal and have nothing to do with the public interest.

But the measure’s intent is so broad it is likely to be used as another weapon for the criminal and the corrupt to escape accountability should it become law.

…the measure could end up stifling citizen journalism and even simply taking pictures or videos for personal pleasure.

In an era where technology is quickly breaking down the obstacles that hamper the flow of information and expression, which are the bedrock of democracy, HB 4807 could return us to the dark ages and worse, be used as a weapon of suppression and repression.

Manaiky izahay fa manan-jò hanana fiainana manokana ny olona, raha ny marina, miaro betsaka izay resaka fiainana manokana tsy misy idiran'ny tombotsoam-bahoaka ny Lalàmpanorenana.

Saingy ny fikasan'ity volavolan-dalàna ity dia midadasika loatra ary toa ampiasaina ho fitaovana hafa hiarovana ny mpamono olona sy ny mpanao kolikoly mba hialana andraikitra, tokony ho lalàna ve izany?

     … Mety hiafara amin'ny fanemporana ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra na koa ny fitiavana fotsiny maka sary na lahatsary ataon'ny olona ity fepetra ity.

    Amin'ny fotoana handravan'ny teknolojia haingana ireo sakana manohintohina ny fivezivezem-baovao sy ny fanehoan-kevitra, izay fototry ny demaokrasia, mety hitondra antsika any amin'ny vanim-potoan'ny aizina sy ny ratsy indrindra ny lalàna HB 4807, ary ampiasaina ho fitaovana fanafoanana sy famoretana.

Hoan'i Marc Lino Abila, lehiben'ny College Editors Guild,  tsy azo ampiharina ny volavolan-dalàna ankoatra ny maha-fandrahonana tanteraka hoan'ny fahalalahan-gazety azy:

The bill is very impractical at all levels. In the face of serious and growing concerns of the country, this bill has no space for legislative attention. Not only that it is a waste of time, it is immensely unconstitutional.

Tsy azo hampiharina amin'ny lafiny rehetra ilay volavolan-dalàna. Manoloana ireo olana goavana sy tsy mitsaha-mitombo eto amin'ny firenena,  tsy manana toerana hodinihan'ny mpanao lalàna akory ity volavolan-dalàna ity. Tsy vitany hoe fandaniam-potoana fotsiny izany fa tsy mifanaraka tanteraka amin'ny lalàmpanorenana ihany koa.

Nalaza maneratany tao amin'ny Twitter ny diezy Twitter #antiselfiebill noho ity olana ity. Mpiserasera marobe no nitsipaka ny volavolan-dalàna ary nandrisika ny Kongresy mba hifantoka kokoa amin'ireo olana lehibe hafa ao amin'ny firenena:

Volavolan-dalàna anti-selfie. MITOMANY HOAN ITY FIRENENA ITY AHO. Ary manontany ny mpakahala sasany hoe nahoana no te-handao ity toerana ity aho?

Nanipika ireo mpiserasera aterineto manaraka ity raharaha ity fa raha miezaka mafy hampandaniana ny volavolan-dalàna ny solombavambahoaka sasany, volavolan-dalàna hafa mifantoka amin'ny zo hahazo vaovao hita ho tsy mankany amin'ny fandrosoana.

Mahazo sehatra bebe kokoa ny volavolan-dalàna anti-selfie noho ny lalàna fototry ny zo hahazo vaovao? Mihamibaribary fa tsy mendrika hisolo tena antsika ireo depoite

Rehefa avy niteraka fahatezeram-bahoaka, nampanantena handinika lalindalina kokoa ity olana ity ireo nanolotra ny fehezan-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.