- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanangana Vavahadim-baovao Ireo Mavitriky ny Pussy Riot Anankiroa

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
Pussy Riot activists attend Roskilde Festival, 4 July 2014, by Jacob Crawfurd. Demotix. [1]

Mpikatroka Pussy Riot manatrika ny Fetiben'ny Roskilde tamin'ny 4 Jolay 2014, sary avy amin'i Jacob Crawfurd. Zon'ny mpamorona Demotix.

Tafaverina miaraka amin'ny tetikasa vaovao ireo mpanakanto mamirapiratra indrindra ao amin'ny Pussy Riot, Maria Alyokhina sy Nadezhda Tolokonnikova. Tamin'ny herinandro lasa, nanangana vavahadim-baovao natokana hitaterana ny olana sy tranga ao amin'ny rafi-pamonjàna ao Rosia izy ireo. Hiara-hiasa amin'ny “Zona Prava [2],” , asa fanasoavana misy ataon'i Alyokhina sy Tolokonnikova, izay mampiroborobo ny zon'ireo gadra, ny “MediaZona [3]“. (Mahavariana fa tsy nahitàna vaovao intsony tao amin'ny habak'i Zona Prava hatramin'ny 19 Marsa 2014). Mpanoratra gazety malaza Rosiana Sergey Smirnov no hisahana ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ity tetikasa vaovao fampahalalam-baovao ity. Efa eo am-pandehanana ny tahala, mandefa ireo vaovao farany momba ireo fisamborana malaza, fanehoan-kevitra goavana, sy lahatsoratra maro amin'ny antsipirihany mitantara ireo zavatra iainan'ny olona ao amin'ny fonja Rosiana.

Tamin'ny fanambarana an-gazety [4] nataon'ny tahala, nilaza i Tolokonnikova fa natao hameno ny banga amin'ny haino aman-jery ao Rosia, izay tondroiny fa voasivana mafy sy tsy milaza ny marina, ity vavahadim-baovaon'ny vondrona ity.

Since our release from prison 6 months ago we've felt that Russian media are no longer able to cover what is going on. Because of the heavy censorship by authorities there is no space for anything in the media that criticizes Putin's policies and tracks human rights abuses by Russian courts and law enforcement.

Hatramin'ny namoahana anay tany am-ponja, 6 volana lasa izay, nahatsiaro izahay fa tsy mahavita mamoaka izay zava-miseho intsony ny fampahalalam-baovao Rosiana. Noho ny sivana henjana ataon'ireo manampahefana, tsy misy intsony ny sehatra ao amin'ny fampitam-baovao izay mitsikera ny politikan'i Poutine sy milaza ny fanitsakitsahana ny zon'Olombelona ataon'ireo fitsarana sy mpitandro ny filaminana Rosiana.

[5]

Ny ekipam-panoratana ao amin'ny MediaZona. Sary avy amin'ny voiceproject.org.

Mikasa hamoaka fitantarana mazava momba ny olana any am-ponja ao Rosia ny habaka.

Мы стремимся к тому, чтобы сделать более зримым всё, что происходит в Российской Тюрьме. Преследования гражданских активистов и правозащитных организаций, полицейское насилие и пытки, рабская система ФСИН, коррупция, судебное бездушие и мужество, законодательный абсурд, голуби над зоной и конвойные собаки — все это только часть тех тем, которые попадают в сферу наших интересов и которые мы собираемся освещать.

Miezaka mafy mampahafantatra bebe kokoa izay zava-mitranga ao anatin'ny Rafi-pamonjàna Rosiana izahay. Na famoretana mpikatroka sivika sy fikambanan'ny zon'Olombelona, na herisetra sy fampijaliana ataon'ny polisy, na rafi-panandevozana ao amin'ny fonja Rosiana, na kolikoly, na halozàna sy ny hasiahana eny amin'ny fitsarana, na lalàna tsy misy dikany, voromailala manidina eny ambony [milaza momba ilay hira malaza momba ny fonja [6]Rosiana], ary ny alikan'ny polisy – anisan'ireo lohahevitra sasany mahaliana hotantarainay avokoa ireo.

Mahafaly ny olona ao amin'ny RuNet amin'ny ankapobeny ny fahatongavan'ity tranokalam-baovao ity, maro ireo nilaza fa mameno ny banga izany ary afaka hanampy amin'ny fanehoana ireo fanao maloto ao amin'ny rafi-pamonjana ireo voaheloka Rosiana. Mpanoratra gazety Kirill Martynov nisioka hoe,

Mino aho fa tetikasa goavana ny Mediazona. Fotoana izao hampitsarahana ny fiandrandrana fa manana politika tsy misy alika [mpiambina] sy alefa mamita iraka i Rosia.

“Ahitana mazava indrindra ny fomba fiasan'ny governemanta ny jery ambadiky ny varavaran'ny fonja”, hoy ny habaka. Rehefa navotsotra tany am-ponja tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra lasa teo i Alyokhina sy i Tolokonnikova, dia namorona ny Zona Prava avy hatrany, izay manome fanohanana ara-pitsarana, ara-tsaina amam-panahy ary fampafantarana hanohanana ireo gadra sy voampanga ao Rosia. Tamin'ity fahavaratra (ilabolantany avaratra) ity, nametraka fitoriana [8]ny governemanta Rosiana teny amin'ny Fitsarana Eoropeana momba ny zon'Olombelona izy roa vavy, ary mitaky onitra tamin'ny fisamborana, fitsarana sy ny fanagadrana azy ireo. Mangataka onitra eo amin'ny 170 000 dolara tsirairay avy izy roa vavy