Tantara tamin'ny 08 Septambra 2014
Haka Rivotra? Ataovy Ampitiavan-Tanindrazana izany, Miaraka amin'ny Dika Mitovy amin'ny Booking.com Ao Rosia
Raha toa ka mitodika amin'ny tenany irery sy amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy any Antsinanana sy any Amerika Latina i Rosia, dia nitady hevitra nasionaly hafa ny firenena hanoloana ireo entana sy tolotra izay mazàna tantanan'ireo Tandrefana. Anatin'ny zotrany, miatrika ireo loza ateraky ny fanapahana haingana loatra io fiankinana io i Rosia.
Aostralia: Namoy Ny Ainy Ilay Iraniana Nitady Fialokalofana
Namoy ny ainy noho ny fahafatesan'ny ati-doha ilay Iraniana mpitady fialokalofana Hamid Kehazaei rehefa nijalin'aretin-drà izay aretina azony nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Aostraliana maro no naneho ny fiombonan'alahelo sy ny fahatezerana.
Hoan'ny Miaramila Rosiana Ao Okraina, Mety Hitovy Hery Amin'ny Sabatra Ny Finday
Mety ho tapitra hatreo ny andro volamenan'ny fahitan-javatra tampoka momba ny milina mpiady Rosiana ao amin'ny media sosialy. Na mety tsy ho tapitra. Mbola hisy ihany miaramila sasantsasany hiteniteny foana amin'ny telefoniny.
Amafisin'ny Ny Fitsarana Eoropeana Fa Misy Fonja Miafin'ny CIA Ao Polonina
Faly tamin'ny fanamafisan'ny ECHR tamin'ny didiny manambara ny fisian'ny "famonjana miafina" ataon'ny CIA any Polonina ny vondrona mpandala ny zon'olombelona, saingy tsy dia toy izany kosa ny fihetseham-pon'ny manampahefana sy ny governemanta poloney.