
Beit Hanoun, Gaza, amin'izao fotoana izao- bitsik'i @MaxBlumenthal ao amin'ny andian-tsary voalohany nozarainy amin'ny Twitter mampiseho ny halehiben'ny faharavana hitany
Ny 15 Aogositra, nitsidika an'i Beit Hanoun, sisintany avaratra atsinanana mampisaraka an'i Gaza amin'i Israely niaraka tamin'i Dan Cohen, Palestiniana mpanao gazety monina any i Max Blumenthal Jiosy Amerikana mpanao gazety, mpanoratra sady mpitoraka bilaogy.
Nanararaotra ny fampitsaharana ny ady efa niomanana be teo amin'i Hamas sy Israely ireo Gazaiana mba hanavotana izay azony avotana ao amin'ireo korontam-bato. Efa nahafaty olona 1.951, ahitana fianakaviana 70 mahery sy ankizy 467 ny fanafihana tany Gaza talohan'ny fampitsaharana ny ady araka ny filazan'ny Ministeran'ny Fahasalamana any Gaza. Nohamafisin'ny B'TSelem ONG Israeliana fa 1.767 fara-fahakeliny ireo Gazaiana maty ary 431 ny ankizy. 73 ka hatramin'ny 80 isan-jato kosa ireo olon-tsotra maty raha ny filazan'ny Firenena Mikambana.
Ny zavatra hitan'i Blumenthal sy i Cohen anefa dia tanàna ‘potika tanteraky’ ny fanafihana an'habakabaka sy ireo fiara mifono vy Israeliana. Lohatenim-baovao nanerana izao tontolo izao i Beit Hanoun tamin'ny nanafihan'ny Israeliana ny Sekolin'ny Firenena Mikambana ka nahafatesana olona 15 tamin'ny 24 Jolay, na teo aza anefa fangatahana fotoana nataon'ny Firenena Mikambana tamin'ny IDF mba hamindràna ireo olona ireo. Indrisy anefa fa tsy nijanona taminà sekoly iray ihany ny faharavàna araka izay ho hitanareo eto ambany.
Izao manaraka izao ny fandaharam-potoanan'ny fitsidihan-dry zareo :
Beit Hanoun was completely flattened by Israeli aerial and tank attacks pic.twitter.com/KdmNwyqxpR
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Rava tanteraka i Beit Hanoun noho ny fanafihana an'habakabaka sy fiara mifono vy Israeliana.
One of the Beit Hanoun homes occupied by Israeli soldiers, its floor littered with bullet casings pic.twitter.com/zlwXhEYVpf
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Iray amin'ireo trano nampiasain'ny tafika Israeliana tany Beit Hanoun, feno fonom-bala miparitaka ny gorodona
He says Israeli soldiers looted his brother's documents and belongings from his desk. His home is in ruins. pic.twitter.com/m0jVTITi5u
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Lazainy fa norobain'ny tafika Israeliana ny antontan-taratasy sy ny fananan'ny rahalahiny teo amin'ny biraony. Rava ny tranony.
Some clothes left behind by Israeli soldiers in Beit Hanoun pic.twitter.com/gBICqRLcdj
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Fitafiana vitsivitsy sisa navelan'ireo tafika Israeliana tany Beit Hanoun
A cemetery in Beit Hanoun. They even bomb the dead. pic.twitter.com/WJifqnP2hD
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Fasam-bahiny any Beit Hanoun. Nozeràn-dry zareo baomba hatramin'ny maty.
.@dancohen3000 finds some new fans in Beit Hanoun pic.twitter.com/simIMdTwP2
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Mahita mpankafy azy vaovao vitsivitsy any Beit Hanoun i @dancohen3000
Yard of the UN school shelled by Israel, where 17 were killed and 150 injured pic.twitter.com/YUFbB3HxTO
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Tokotanin'ny sekolin'ny Firenena Mikambana voadaroky ny Israeliana. 17 no maty ary 150 no naratra.
Israel bombed his classroom with an F-16 at Beit Hanoun's UN school pic.twitter.com/vLCIBv6EY2
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Nodarohan'i Israely baomba taminà F-16 ny sekolin'ny Firenena Mikambana any Beit Hanoun
Scholasticide pic.twitter.com/vwVbATkKWt
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Famonoana mpianatra
One of the many wounded I randomly encountered today – She lives behind the Beit Hanoun UN school pic.twitter.com/zuc7UMoIxX
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Iray amin'ireo maratra marobe nifanena kisendrasendra tamiko androany- Mipetraka ao ambadiky ny sekolin'ny Firenena Mikambana any Beit Hanoun izy
Israel is 700 m away. It uprooted his orange groves & destroyed his wells in 2005 then bombed his house last month. pic.twitter.com/eIrT4vOKbo
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
700m avy eto i Israely. Nongotany ny foto-boasariny ary noravany ny fantsakàny tamin'ny 2005 ary avy eo nodarohany baomba ny tranony tamin'ny volana lasa
As a farmer describes to me how Israel killed 8 family members, his cousin offers me a bunch of grapes & cold water. The highest character.
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Tahaka izao no fitantaran'ny mpamboly iray tamiko ny fomba namonoan'i Israely olona 8 tao anatin'ny fianakaviana iray, nomen'ny rahalahiny (kibo tsy omby) tangozanà voaloboka sy rano mangatsiaka aho. Toetra ambony.
A girl named Reham lived in this room in Beit Hanoun until Israel destroyed her home pic.twitter.com/8dD6dEq7N7
— Dan Cohen (@dancohen3000) August 15, 2014
Zazavavy iray antsoina hoe Reham no nipetraka tato amin'ity trano any Beit Hanoun ity mandra-pandravan'ny Israely ny tranony
1948 continues in Beit Hanoun today pic.twitter.com/7I0lLPSX3a
— Dan Cohen (@dancohen3000) August 15, 2014
Mbola mitohy amin'izao fotoana izao any Beit Hanoun ny 1948
Israeli soldiers carved Stars of David in homes in Gaza, report @MaxBlumenthal & @dancohen3000 http://t.co/GB3QeEyzWi pic.twitter.com/FkbMVHSv9y
— Mondoweiss (@Mondoweiss) August 15, 2014
Sokirin'ny tafika Israeliana any amin'ireo trano any Gaza ny Kintan'i Davida, hoy @MaxBlumenthal & @dancohen3000 http://t.co/GB3QeEyzWi
Written on the wall of what used to be a home in Beit Hanoun: Palestine, 3 Israel, 0 pic.twitter.com/dR85D69PFr
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Voasoratra eo amin'ny rindrin'ny trano taloha tao Beit Hanoun : Palestina 3, Israely 0
Her home was turned into a hole in the ground. She learns where I'm from. “Netanyahu and Obama are equally guilty!” pic.twitter.com/wrBjvAJwp3
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 15, 2014
Lasa lavaka ao anaty tany ny tranony. Fantany ny fiaviako.” Samy meloka i Netanyahu sy i Obama !”
Only the entrance remains to the farmer's house pic.twitter.com/Pn8osP5bhH
— Dan Cohen (@dancohen3000) August 15, 2014
Ny fidirana ao amin'ny tranon'ilay mpamboly no hany sisa tavela.
Burnt remains of a classroom in the Beit Hanoun Boy's and Girl's School pic.twitter.com/OrrRP3xpRu
— Dan Cohen (@dancohen3000) August 15, 2014
Ireo sisan'ny afo tamin'ny efitrano fianarana ao amin'ny sekolin-jazalahy sy zazavavy ao Beit Hanoun
Gaza City's Amin Muhammad mosque, where Israeli army sources say demographic threats launched non-Jewish prayers: pic.twitter.com/U82B3FLZQt
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Ny Mosken'i Amin Muhammad aao an-tanànan'i Gaza, izay lazain'ireo mpanome vaovao ny tafika Israeliana fa fandefasan'ireo mpivavaka tsy Jiosy ny fampihorohoroana
Inside Gaza City's Amin Muhammad mosque. It was locked and empty when hit. #sociocide pic.twitter.com/x5VwzZPv0t
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Ny ao anatin'ny Mosken'i Amin Muhammad any Gaza City. Sady nihidy no foana io tamin'ny fotoana nidarohana azy.
Fadel Alawah drove a wounded man to a hospital, not knowing he was a fighter. Here's what a drone did to his car: pic.twitter.com/84GTpgPxSo
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Nitondra maratra iray ho any amin'ny toeram-pitsaboana i Fadel Alawah, tsy fantany akory fa mpiady izy io. Izao no nanaovan'ny ‘drone’ ny fiarany
Fadel Alawah's shoe remains inside the taxi he worked in for 12 hours a day at $8 an hour #PT pic.twitter.com/ZFFxoTaPP9
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Tavela tao anatin'ilay fiarakaretsaka niasàny 12 ora isan'andro amin'ny sarany 8 dolara isan'ora ny kiraron'i Fadel Alawah
I keep finding seared shoes around Gaza. I can't say what they remind me of. This was in Shujaiya: pic.twitter.com/Wuz8n39MMP
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Mbola mahita kiraro miparitaka manerana an'i Gaza aho. Tsy ho lazaiko hoe mampahatsiahy inona amiko izany. Tany Shujaiya no nisy izany
The family of Salem Shamali, who was killed on video by Israeli sniper while looking for them http://t.co/iXU3n1Acv7 pic.twitter.com/1WcvLmUil2
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Ny fianakavian'i Salem Shamali izay matin'ireo Israeliana mpitify mahay ao anatin'ny lahatsary tamin'ny nitadiavany an-dry zareo
The mother of Salem Shamali breaks down after rewatching @AymanM‘s report on her son's execution by Israeli sniper pic.twitter.com/Wc03HkFpFj
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Toran-tomany ny renin'i Salem Shamali rehefa avy namerina nijery ny tatitra nataon'ny @AymanM mikasika ny famonoana an-janany nataon'ireo Israeliana mpitify mahay
Waseem Shamali misses his big brother, Salem. He can't talk about him without crying. pic.twitter.com/xxMb7Xld0j
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Malahelo an'i Salem rahalahiny i Waseem Shamali. Tsy vitany ny tsy hitomany foana rehefa miresaka ny momba azy
The Shamali family has not received justice for their son Salem's murder. Instead they've been given these: pic.twitter.com/BSJ852r5mR
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Tsy nahazo rariny ny fianakaviana Shamali tamin'ny famonoana ny zanany. Ireto indray aza no voarainy
Hamza Masri stands before his ruined home in Beit Hanoun and insists there are some good Israelis despite Netanyahu. pic.twitter.com/OjQpiBOcwj
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Mijoro manoloana ny tranony rava any Beit Hanoun i Hamza Masri ary amafisiny fa misy ny Israeliana tsara saina na dia eo aza ny ataon'i Netanyahu
Hamza Masri is 62. He has met Israeli Jews. His grandkids grew up under siege. “The only Jews we meet are in tanks,” one tells me. #PT
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
62 taona i Hamza Masri. Nifanena taminà Jiosy Israeliana izy. Lehibe tao anatin'ny fahirano ireo zafikeliny. “Ao anaty fiara mifono vy no hany Jiosy mifanena aminay” hoy ny filazan'ny iray tamin'izy ireo tamiko
Shujaiya, Beit Hanoun, Gaza City – some of my and @dancohen3000‘s photos: https://t.co/khLya386zI
— Max Blumenthal (@MaxBlumenthal) August 16, 2014
Shujaiya, Beit Hanoun, Gaza City- santionany amin'ireo sary nalaiko sy nalain'i @dancohen3000
Araho ny fanadihadiana lalina ataonay : #Gaza : Miha- betsaka ny olon-tsotra maty amin'ny fanafihana ataon'ny Israeliana