Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mamely Ny Ebola, Ahoana Ny Hanentanana ny Bilaogera Gineana

Le Palais du peuple - Conakry, Guinée. CC BY 2.5

Lapam-bahoaka ao Konakry, Ginea. CC BY 2.5

Mandalo fotoan-tsarotra i Ginea amin'izao fotoana izao. Nisy fiantraikany lalina tamin'ireo mponina mety ho tratrany ny otrik'aretina Ebola, mazava loatra (430 ny isan'ny maty tamin'ny 26 aogositra) ary tsy afa-mamaly ny fitsaboana vonjimaika mihitsy ihany koa ny rafi-pahasalamana. Tsy tahaka ireo mpifanolo-bodirindrina (Senegaly, Ghana na Côte d'Ivoire) aminy fa zara raha mihetsika i Ginea rehefa misy ny voina lehibe (krizy mahaolona).

Anisan'ireo bilaogera malaza indrindra ao Ginea i Alimou Sow. Mpamorona ny bilaogy Ma Guinée plurielle, nahazo loka tamin'ny fifaninanana bilaogy miteny frantsay (frakôfôna) tsara indrindra nokarakarain'ny Deutsche Welle taona 2013 izy. Vao avy namoaka lahatsoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny izy tamin'ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny bilaogy, 31 Aogositra 2014:

Mais que s'est il passé sur la blogosphère guinéenne ? La Guinée-à t-elle une blogosphère ? Une twittosphere ? Ne sommes nous pas, comme très souvent des nombrilistes spectateurs passifs des convulsions du monde? Quelle est notre part du dividende de la citoyenneté sur le web ? Nous sommes un des rares pays – sinon le seul – de la sous région à n'avoir jamais pu organiser un ‪#‎BarCamp‬ ou un ‪#‎BlogCamp‬. Pendant ce temps chez nos voisins il existe des communautés structurées très dynamiques des net-citoyens qui se mobilisent spontanément à chaque événement important pour apporter une aide désintéressée à leurs concitoyens à travers les outils internet. C'est le cas actuellement en RCI et au Sénégal pour lutter contre l'épidémie d'Ebola que nous leur avons fourguée….

En vérité, nous Guinéens, nous nous sommes laissés avoir par la politique et l'ethnocentrisme en oubliant nos terribles ennemis communs que sont: l'ignorance, le chômage, la pauvreté et les maladies. Nous pouvons toujours continuer à demander de l'aide à Dieu, mais au vu de ce dont IL nous a déjà gratifié (un pays immensément beau et riche, une diversité ethnique et culturelle, etc.) je crains qu'Il ne soit lassé vu son agenda dans les autres contrées du globe: Palestine, Ukraine, Ebola, Irak, Libye, Syrie…

Fa inona no nitranga tamin'ny tontolon'ny bilaogy Gineana? Manana tontolon'ny bilaogy ve i Ginea? Sa tontolon'ny Twitter? Sa matetika isika toa mpitazana mandalo fotsiny ny aretin'izao tontolo izao? Inona no andraikitra raisintsika amin'ny maha-olom-pirenena eto amin'ny aterineto? Iray amin'ireo firenena vitsy — raha tsy hoe tokana — amin'ny vaki-paritra misy isika tsy mbola nikarakara #‎BarCamp‬ na  ‪#‎BlogCamp mihitsy. Mandritra izany, ahitana rafi-piarahamonina olom-pirenena mpiserasera tena mavitrika ao amin'ireo mpifanolo-bodirindrina amintsika izay mifanentana mandrakariva isaky ny hetsika lehibe mba hitondra fanampiana tsy mitady tombony hoan'ireo mpiray tanindrazana amin'ny alalan'ny teknololojian'ny aterineto. Toy izany ny zava-misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire sy ao Senegaly mba hiadiana amin'ny valan'aretina Ebola izay naelin'i Ginea ao amin'izy ireo.

[…] Raha ny marina, dia sondriana amin'ny politika sy ny fametrahana antsika Gineana ho hany zavatra isika ka manadino ireo fahavalontsika goavana iombonana dia ny: tsy fahalalana, ny tsy fisian'ny asa, ny fahantrana ary ny aretina. Afaka manohy foana mangatam-bonjy amin'Andriamanitra isika, saingy manoloana ny zavatra efa natolony antsika (firenena mahafinaritra sy manankarena tanteraka, ny fahasamihafana ara-poko sy ara-kolontsaina, sns.) matahotra aho fa reraka manampy antsika Izy noho ny fandaharam-potoanany ao amin'ireo faritra hafa mila vonjy manerana izao tontolo izao: Palestina, Okraina, Ebola, Iraka, Libya, Syria …

University of Conakry at Dusk  - Public Domain

Oniversiten'i Conakry ao Dusk – Sary azon'ny rehetra ampiasaina

Namaly izany lahatsoratra izany ireo bilaogera vitsy fanampiny ary nanampy fanehoan-kevitra tamin'ny resaka. Niombo-kevitra tamin'ny filazana i Alfa Diallo fa taraiky i Ginea ary mila mitsangana dieny izao:

Particulièrement touché par ces vérités. Mais, moi je pense que vous êtes sur la bonne voie. La formation est l'élement qui manque à la chaine. En Guinée, même ceux qui ont des choses à dire ou à montrer ont un serieux handicap: la non maitrise des outils du web. J'ai participé à une seule séance de votre formation à la MDP, mais croyez moi j'ai baucoup appris. 

Tohina tanteraka tamin'izany zava-misy marina izany aho. Saingy, mino aho fa mandeha amin'ny làlana tena izy ianareo. Ny fampiofanana no singa tsy ampy amin'ny fandehan-javatra. Ao Ginea, na dia ireo mananko-lazaina sy te hampiseho zavatra aza mba manana fahalemena lehibe ihany koa: ny tsy fahaizana mikirakira ny fitaovana teknolojia. Nandray anjara indray mandeha tamin'ny fiofanana nokarakarainareo tao amin'ny MDP Aho, ary minoa ahy fa nianatra zavatra maro aho tao.

Nandray am-po ny tenin'i Sow i Tafsir Balde. Nilaza izy fa ny Gineana no tokony ho tompon'andraikitra, indrindra ireo avy ao amin'ny am-pielezana (monina ao Maraoka i Balde):

Au fait, moi je trouve que ce retard n'est pas toujours du côté de la Guinée, mais du guinéen en quelque sorte (sauf quelque uns). Au Maroc ici, des jeunes guinéens talentueux y sont, mais pas tellement branchés dans la blogosphère. Je ne connais qu'un seul blogueur guinéen ici (Kba), si non, le reste, ce ne sont que des simples internautes. J'ai représenté la Guinée et l'Afrique en général dans pas mal d'événements web ici au Maroc; ou j'étais le seul participant sub-saharien!… 

Mahita aho fa tsy avy amin'ny fitondrana Gineana foana izany fahatarana izany, fa avy amin'ny mponina Gineana ihany koa (ankoatra ny olona vitsivitsy). Misy tanora Gineana mana-talenta eto Maraoka, saingy tsy mba mirotsaka eo amin'ny tontolon'ny bilaogy. Bilaogera Gineana iray (Kba) ihany no mba fantatro eto, raha tsy izany, mpiserasera mahazatra fotsiny ihany ny ambiny. Nisolo tena an'i Ginea sy Afrika aho tamina hetsika ara-teknolojia maromaro teto Maraoka, ary izaho no mpandray anjara tokana avy ao atsimon'i Sahara!

Nihevitra i Thierno Diallo fa mahavita mampandroso ny fandraisana andraikitra ara-teknolojia ao Ginea ny bilaogera sasany, saingy tokony hahay hifandamina:

On a dressé la liste (non exhaustive) des personnes qui se sont montrées aptes (par leur civisme) à faire partie de cette organisation ; Tu sais autant que les autres blogueurs que nous ne pouvons pas être manipulés comme les jeunes qui soutiennent aveuglément l'un ou l'autre camp en échange de quelques billets de banque, sans se soucier de l'intérêt de la Nation. 

Nanangana ny lisitra (tsy feno) misy ireo olona naneho ny fahavononany ( fahatsiarovan-tena ho olom-pirenena) ho isan'ny mpandray anjara amin'ny hetsika tahaka ity izahay; Fantatrao tsara tahaka ireo bilaogera hafa fa tsy azon'ireo  mpanao politika atao fitaovana ny bilaogera tahaka ny fanaon'izy ireo matetika amin'ireo tanora izay manohana an-jambany ny ankilany na ny andaniny ka voavidim-bola, ary tsy mijery intsony ny tombotsoam-pirenena.

Mamintina ireo fanamby marobe atrehin'ny tontolon'ny bilaogy Gineana ity resaka antserasera ity. Manao zavatra irery ao anaty tontolo anjakan'ny fahantrana lalina izy ireo. Raha ny marina dia miatrika fanamby maro andavanandro ny bilaogera tahaka ireo raharaha fototra tena ilaina. Anisan'iray amin'izany raharaha (tolotra) izany ny aterineto izay voafetra ny fidiran'izy ireo amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.