Tsy Mahita Toerana Hitadiavam-bonjy Intsony Ireo Lasibatry Ny Herisetra An-tokantrano Ao Bermuda

A note to victims of domestic abuse; photo by The Waiting Room / Domestic Violence Tableau, used under a CC BY-NC-SA 2.0 license.

Soratra ho an'ireo lasibatry ny herisetra ao an-tokantrano. Sary avy amin'ny Waiting Room / Tabilaon'ny Herisetra an-tokantrano. Ampiasaina amin'ny CC BY-NC-SA 2.0 license.

Voatery nakatona ny toby tokana fampiantranoana ireo lasibatry ny herisetra an-tokantrano ao Bermuda satria tsy misy ny vola hampandehanana azy.

Araka ny filazan'ny tranokalam-baovao Royal Gazette, nampiantrano ankizy sy vehivavy 31 ny toby tamin'ny taon-dasa. Nitarika ny tsy fisian'ny vola “kely indrindra ilaina” ny tsy fahazoana fanomezana sy ny fanapahana ny fanampiana avy amin'ny governemanta.

Mampiahiahy ny fivoaran-draharaha, raha ny tarehimarika mikasika ny herisetra an-tokantrano ao amin'ny firenena no jerena. Nampiseho ny tatitra avy amin'ny Vaomieran'ny fahasalamana ao Bermuda taona 2013, ankoatra ny zavatra hafa, fa olon-dehibe iray ao anatin'ny valo no niharan'ny herisetra an-tokantrano ary ny zaza amam-behivavy no tena lasibatra matetika, ka farafaharatsiny iray am-pahadimin'ny vehivavy Bermudiana no lasibatry ny fihoara-pahefana ao an-tokantrano.

Nilaza kosa ny tatitra hafa, na dia somary efa ela aza fa niakatra 7 isan-jato ny tranganà herisetra ao an-tokantrano nanomboka tamin'ny taona 2006 ka hatramin'ny 2011, tsy manasokajy ireo karazan-keloka mahery setra ny antotanisan-keloka nivoaka vao haingana indrindra tao amin'ny firenena, saingy amin'ny ankapobeny, toa ny herisetra ara-pananahana sy ny heloka atao amin'ny tsy ampy taona no tena nipongatra, izay mahatonga ny fitomboan'ny trangana herisetra ao an-tokantrano.

Nahatonga ireo bilaogera liana izany hanoratra avy hatrany ny fahavoazana ateraky ny fanakatonana ilay tobi-pialokalofana, indrindra raha nisy ilay raharaha malaza nahazo ilay mpisolovava misahana ny fisaraham-panambadiana izay niharan'ny herisetran’ ilay lehilahy vadin'ilay olona isoloany vava efa nisaraka taminy tao amin'ny Fitsarana Tampony. Notsaboina tany amin'ny hopitaly ilay mpisolovava noho ny ratra nahazo azy teo amin'ny tarehiny:

Bermuda is now without a safe house for women escaping domestic violence.

This fact alone is a sad condemnation of Bermuda’s misplaced priorities regarding how we spend our money – for an island of our wealth, it is shocking we cannot fund such an important service, and in doing so we are condemning women and children (who make up the majority of domestic violence victims) to abuse and possibly even murder.

Tsy manana trano fialokalofana hoan'ny vehivavy mandositra ny herisetra ao an-tokantrano intsony i Bermuda.

Ity toe-javatra ity irery dia efa fanamelohana mampahonena amin'ireo laharam-pahamehana dison'i Bermuda amin'ny fomba fandaniantsika vola – amin'ny mahanosin'ny harena antsika, manafintohina ny tsy fahafahana mamatsy vola fanaovan-draharaha lehibe tahaka izany, ary amin'ny fanaovan-javatra tahaka izany isika dia manasazy ireo zaza amam-behivavy (izay maro an'isa lasibatry ny herisetra ao an-tokantrano) hiharan'ny herisetra sy mety voavono mihitsy.

Heloka zara raha voatatitra ny herisetra an-tokantrano izay tsy miantraika amin'ireo lasibatra ihany, araka ny notsipihan’ny blaogera. Mora azon'ny zavamahadomelina sy ny herisetra kokoa ny ankizy rehefa any aoriana any ary matetika ampijalian'ny olana ara-pahasalamana mandavataona ny vehivavy, izay midika ho “fandaniam-bola bebe kokoa ho antsika rehetra”:

The safe house run by the Centre Against Abuse isn’t the magic bullet to end domestic violence, but it is a key part in dealing with the problem and helping to break cycles of abuse.

Tsy vahaolana mahagaga hanafoanana ny herisetra ao an-tokantrano ny toby fampiantranoana tantanin'ny Foibe Manohitra Ny Herisetra, fa manana anjara toerana lehibe amin'ny famahana ity olana ity sy hanampy amin'ny fanapahana ny ranomodin'ny herisetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.