Tantara tamin'ny 05 Septambra 2014
Mpanao Fihetsiketsehana Any Pakistana: Miala Ny Praiminisitra Vao Miala Izy Ireo
Lasa niova ho sehatra fiadiana i Islamabad, renivohitr'i Pakistana, taorian'ny nampiasain'ireo mpitandro filaminana entona mandatsa-dranomaso sy bala tena izy, hanoherana ireo vahoaka maro mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta nanandrana haka tampoka ny sekretariàn'ny Praiminisitra.
Fanentanana Tao Bhutan, Manome Kiraro Ho An'Ireo An'arivony Mila Izany
Manadio ary manamboatra kiraro efa niasa ilay mpandraharaha Bhutane, Dawa Drakpa, ary mizara izany amin'ireo izay tsy manana fahafahana mividy kiraro tsaratsara. Eo amin'ny 1 isan-jaton'ny mponin'ny firenena no nahazo kiraro.
Sopapa Omen'ny Palestiniana Amin'ny Mponin'i Ferguson Ho Fanoherana Ny Baomba Mandatsa-dranomaso
Raha vao nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao an-tanàna kelin'i Ferguson ao Etazonia ny polisy, namaly avy hatrany ny Palestiniana tamin'ny fanomezana sosokevitra amin'ny tokony atao manoloana izany
Mpisolovava Mitaky Ny Famotsorana An'ilay Bilaogera Ejipsiana Alaa Abd El Fattah Any Am-ponja
Nanao fanangonan-tsonia nalefa tany amin'ny Vondron'asan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanagadrana Tsy Amin'ny antony (UNWGAD) ny Media Legal Defence Initiative (MLDI) sy ny Electronic Frontier Foundation (EFF) mba handray izay fepetra rehetra ilaina ho famotsorana tsy misy hataka andro an'ilay bilaogera Ejipsiana, Abd El Fattah.
Nianjera Ilay ‘Kamiao Skunk’ Israeliana: Faly ny Palestiniana, Fa Inona io No Tena Marina?
Alaivo sary an-tsina anie hoe maka faty miha miparitaka avy ao amin'ny rano maloto miandrona ianao, mametraka iny ao anaty fitaovana fanapotehana ary manatsifotra ilay tsiranoka maloto amin'ny tarehinao. [...] Izany ny 'skunk.'