
Sary nozarain'ireo mpamokatra ny horonantsarimihetsika “Didy Jadona Tonga Lafatra“
Manao hetsika ao amin'ny Twitter ho fanohanana ilay horonantsarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Ny didy jadona tonga lafatra” notontosain'ny tale Luis Estrada ny Meksikana amin'ny alalan'ny diezy Twitter #NoALaCensura (Tsy manaiky ny sivana), noho ny tahotry ny fanenjehana ataon'ireo manampahefana amin'ny famoahana esoeso manindrona momba ny politikan'i Meksika.
Miompana amin'ny fanararaotam-pahefana amin'ny fitantanana ny fampitam-baovao sy ny fampiasana lahatsary manohintohina (tahaka ny tranga vao haingana momba ilay lahatsary mampiseho mpanao politika Meksikana miaraka amin'ireo mpandihy mafana) ataon'ireo mpanao politika ao Meksika mba hamelezana ireo mpifanandrina aminy ity horonantsarimihetsika lavalava ity. Manasongadina an'i Damián Alcázar sy i Joaquín Cossio, tantarain'ilay horonantsarimihetsika ny tantaran'ilay governora Meksikana izay tsy hijanona manadrapahazoany ny filohan'ny firenena sy ny fifanekena ataony amin'ny tambajotra fahitalavitra matanjaka indrindra ao amin'ny firenena mba hahatongavana amin'izany.
Maka tahaka ny tena izy ilay tantara: miampanga ny filoha Enrique Peña Nieto ho napetraky ny tena manana ny fahefana ho eo amin'ny fitondrana ireo mpitsikera ny fitantanana an'i Meksika amin'izao fotoana, ka anisan'izany ny orinasam-pahitalavitra goavana indrindra ao amin'ny firenena
Fantatra amin'ny fitsikerany ny rafi-politikan'ny firenena amin'ny alalan'ny esoeso i Estrada, mpanatontosa horonantsarimihetsika. Ny horonantsarimihetsika notontosainy farany , “El Infierno”, miresaka ny adin'ireo tompon'andraiki-panjakana Meksikana amin'ny tambajotra goavan'ny mpivarotra rongony dia nosokajiana ao anatin'ny sokajy «C» (hoan'ny olon-dehibe irery ihany), ka mametra ny isan'ireo mpijery horonantsarimihetsika mety hahita azy any amin'ny efitra fandefasana horonantsarimihetsika. Ao amin'ny firenena Demaokratika vao misandratra tahaka an'i Meksika, iharan'ny famoretana na koa sivana indraindray ny fanehoan-kevitra mitsikera ny fitondrana
Nantsoin'ilay vavahadim-baovao Pijamasurf ho “mampihetsi-po sy mahatsikaiky” ilay horonantsary “Didy jadona Tonga Lafatra”, hotontosaina amin'ny 16 oktobra ny fijeren'ny rehetra voalohany ny horonantsarimihetsika, hoy ny tatitry ny Revolution Three Point Zero. Asehon'ilay tranonkalam-baovao ihany koa ny fitoviana mirazotra teo amin'ny fahatafintohinana hita ao amin'ny horonantsarimihetsika sy ny fahatafintohinana tena nisy teo amin'ny sehatra politika,” tahaka ny fanambaran'i Vicente Fox fa hanao na dia ny asa tsy tian'ny olona mainty hoditra aza ny Meksikana,’ na ny raharaha Bejarano.”
Milaza momba ilay lahatsary niparitaka be, misy an'i René Bejarano, avy ao amin'ny Antokon'ny Revolisiona Demaokratika (vondrona politika maro an'isa ao amin'ny renivohitra Meksikana) nandray fonosam-bola, voalaza fa mety ho fanaovana kolikoly ny raharaha Bejarano.
Niaro ilay horonantsarimihetsika ny mpisera ao amin'ny Twitter. Alfredo Vera nanoratra hoe:
La Dictadura Perfecta! #NoALaCensura Esperemos y salga la película en el tiempo que tienen planeada sacarla.
— Alfredo Vera (@alfredo_verag) August 25, 2014
Didy Jadona tonga lafatra! Manantena izahay fa hivoaka amin'ny fe-potoana efa nokasain'izy ireo ny horonantsary
Nametraka ny kaonty Twitter an'ireo mpilalao sasany tao amin'ilay horonantsarimihetsika Ramatoa Grey:
Por un cine que habla con la verdad #NoAlaCensura #LaDictaduraPerfecta @DamianAlcazar @Daltontony @ponchohd @silvnavarro
— Mrs Grey (@AnniedeGrey) August 25, 2014
Manohana sarimihetsika miresaka ny marina #NoAlaCensura #LaDictaduraPerfecta @DamianAlcazar @Daltontony @ponchohd @silvnavarro
Mpisera, Bartola naminavina ny fahombiazan'ny horonantsary:
Lo siento por los críticos de cine, lo siento por los defensores del sistema, pero #LaDictaduraPerfecta pinta para un hitazo #NoALaCensura
— Bartola (@estalunaloca) August 22, 2014
Miala tsiny amin'ireo mpitsikera sarimihetsika aho, miala tsiny amin'ireo mpiaro ny rafitra, fa toa hahita fahombiazana lehibe ny Didy Jadona Tonga Lafatra.
Mauricio Yoav RR nangataka ny Filoha Peña Nieto mba tsy hanivana ilay sarimihetsika:
“Cualquier parecido con la realidad, es mera coincidencia” #LaDictaduraPerfecta Sr. Presidente @EPN #NoALaCensura pic.twitter.com/L1BdgXVDdQ
— Mauricio Yoav RR (@MAURICIOYOAV) August 22, 2014
“Fifanojoana fotsiny ihany ny fitoviana amin'ny zava-misy”, Andriamatoa Filoha.
Horonantsary novokarin'ny Bandidos Films ny “Didy Jadona Tonga Lafatra”. Notsongaina avy amin”ilay Peroviana Mario Vargas Llosa tamin'ny taona 1990 ny lohateniny, araka ny fanamarihan'ny mpamokatra:
La dictadura perfecta… es México. Porque es una dictadura de tal modo camuflada que llega a parecer que no lo es, pero que de hecho tiene, si uno escarba, todas las características de una dictadura.
I Meksika… no didy jadona tonga lafatra. Satria didy jadona afenina tokoa ka lasa heverina fa tsy mba tahaka izany. Saingy raha mandalina ianao, dia mahita fa manana ny mason-tsivana rehetra ahafahana milaza ny maha-didy jadona azy.