Havela Hifidy i Hong Kong — Raha Voasivana Ireo Kandidà

Hundreds of protesters attended the OCLP assembly against the NPC standing committee's narrow framework on the universal suffrage of Hong Kong Chief Executive.  Photo taken by Facebook user Wan Hoi Wing.

Mpanao fihetsiketsehana an-jatony maro, nanatrika ny fihaonambe Occupy Central (Bodoy ny Afovoany), nanohitra ireo mpikambana vitsin'ny kaomity maharitry ny NPC, momba ny fifidianam-bahoaka hifidianana ny mpitarika manaraka an'i Hong Kong. Sary nalain'ny mpampiasa Facebook: Wan Hoi Wing.

Ho an'ireo mpikatroka mafana fo miaro ny demôkrasia ao Hong Kong, toa sahala amin'ny poakaty ihany ny fampanantenan'i Shina hamela ireo vahoaka hanana ny ambarany eo amin'ny fifidianana ny ho mpitarika ny tanàna manaraka eo. 

Ny 31 Aogositra teo, nanambara ny kaomity maharitry ny Kaonferansa Misolo Tena Ny Vahoakam-pirenena (NPC) ao Shina fa farafahakeliny tokony hahazo 50 isanjaton’ ny fanohanan'ireo kaomity mpanivana ireo kandidà ho amin'ny fifidianana ho mpitarika an'i Hong Kong amin'ny taona 2017. Hoforonina sahala amin'ny kaomity mpanivana ny lehibe mpanatanteraky ny tanàna ankehitriny ihany izany kaomity mpanolotra ny hofidiana izany, midika izany fa mpanohana an'i Beijing ny maro an'isa amin'ireo mpikambana. 

Nampanantena fifidianana mivantana fa tsy fifidianana avy amin'ireo kaomity mpikambana miisa 1.200 i Shina amin'ny taona 2017 ho an'i Hong Kong, zanatany Britanika fahiny izay migoka fahaleovantena kely avy amin'ny tanibe, noho izy manana rafi-pitantanana manokana. Kanefa kosa tapakila-nà mpanohana an'i Beijing ihany no hany ananany hisafidianany, izay tsy mifanaraka amin'ny tanjon'ny fifidianana, araka ny voalazan'ireo mpikatroka mafana fo miaro ny demôkrasia.

Fahiny, nanempotra ny vintan'ireo kandidà mpiaro ny demôkrasia ny fisian'ny mpikambana “olona tia tanindrazana” mifangaro ao anatin'ilay kaomity. Avy amin'ireo vondrona olom-pirenena mpanohana an'i Beijing ny ankamaroan'ireo mpikambana ankehitriny ao amin'ilay kaomity mpanivana izay ho kaomity mpifidy ny lehiben'ny tanàna, na tendren'ireo fikambanana mivantana, na fidiana avy amin'ireo orinasa vitsy, eo amin'ny 20 isa eo ho eo na ny olon-tsotra mpifidy. Tamin'ny fanivanana ny lehibe mpanatanteraka, ny taona 2012, nahazo fanendrena miisa 118 (latsaky ny 16 isan-jato) ary vato miisa 76 (latsaky ny 7 isan-jato) fotsiny avy tamin'ireo mpikambana ilay kandidà mpiaro ny demôkrasia, Albert Ho.

Nanapaka ny hametra ny isan'ny kandidà ho roa na telo ihany koa ny NPC, izay nivory tany amin'ny renivohitry ny tanibe nandritra ny herinandro. 

Nilaza hikarakara fitorevahana goavana, ao amin'ny faritra fikirakiràna ny ara-bolani Hong Kong, ireo vondrona mpanao hetsi-panoherana Bodoy am-Pitiavana sy am-Pilaminana ny Afovoany (Occupy Central with Love and Peace) (OCLP), raha tsy avela hisafidy ny kandidà-ny ireo teratany ao Hong Kong, ary nikarakara fivorian'ny daholobe, teo anoloan'ny tranoben'ny governemantan'i Hong Kong izay natrehan'olona an-jatony maro namaly ny fiantsoana. 

Nilaza taminà fanambaràna an-gazety ilay vondrona fa mampikorontana ny fanantenan'ny vahoaka hisian'ny fanovàna ary vao mainka hanamafy ny fifandirana ara-tsosialy ny fanapahan-kevitry ny NPC. Ny 01 Jolay, andro ahitana fihetsikatsehan'ireo mpiaro ny demôkrasia hatrizay, mpikambana maherin'ny 500 no nosamborina ny fiandohan'ity lohataona ity, tamin'ny famerenana ny fitorevahana nataon'ny Occupy Central, taorian'ny diabe nataonà vahoaka miisa efa atsasaka tapitrisa .

Current affair commentator Lam Shui Bun drew a political cartoon on Beijing's framework for Hong Kong's Chief Executive election on inmediahk.net.

Nanao sariitatra pôlitika ilay mpaneho hevitra momba ny vaovao ankehitriny, Lam Shui Bun – “Misokatra ho an'ny filatsahana hofidiana ho lehibe mpanatanteraky ny tanàna ny varavarana”, teo amin'ny sehatry ny median'ny olom-pirenena inmediahk.net, ho an'ny firafitry ny fifidianana ny lehibe mpanatanteraka ao an-tanànan'i Hong Kong ao Beijing.

Nanentana tamin'ny fanambarana momba ny fivoriany ireo mpikarakara:

如今制度裡只有強權,沒有公理,我們呼籲全民起來為自己發聲,他們聽不見不代表我們不存在!

公民抗命行動即將發生,而且不會是一次完結,欺壓人民的政權將要面對一個公民全面抗命的時代!

為此請召集屬於這個時代的公民走出來,帶上可發聲之物,向全城發出最後警號,宣告列陣!

風起了,我們要勇敢走下去。

Ny fanjakana tsy refesi-mandidy sisa no tavela eo amin'ny rafi-pitondràna; tsy misy intsony toerana ho an'ny fisainana. Entaninay ireo olom-pirenena rehetra ao Hong Kong mba hitsangana sy hiteny. Tsy midika akory hoe tsy misy isika raha tsy mety mihaino antsika izy ireo.

An-dàlam-pahazoana làka ny hetsika tsy faneken'ny olom-pirenena, ary tsy ho hetsika tokana no hiafaràn'izany. Tsy maintsy hiatrika vanim-potoana iray hisian'ny tsy fanekena faobe ireo mpitantana mpanao famoretana.

Miangavy anareo, taomy ireo olom-pirenena miaina amin'io vanimpotoana io hamonjy ilay fihaonambe ary asaivo mitondra fitaovana afaka mamoaka feo izy ireo, ampanenoy ny anjomaran'ny fampitandremana manerana ny tanàna, vakio ny ady.

Efa nitsoaka ny rivotra. Mila manohy amim-pahasahiana ny làlantsika isika .

Satria hifarana ny herinandro voalohan'ny volana Septambra ny fialan-tsasatry ny lohataona ho an'ny mpianatra any Hong Kong, niantso ireo mpianatra hanao fitokonana ny Fikambanan'ny Federasiônan'ny Mpianatry ny Anjerimanontolo, rehefa manomboka ny enimbolana vaovao:

[…] 對我們學生來說,罷課就是我們對政權的不合作。

我們在學院裡學習,為的就是將來的生活,以至整個社會變得更美好。但是,現在我們的生活空間越來越窄,我們的社會千瘡百孔,面對地產霸權、官商勾結等種種暴政的惡果,只埋首學習課堂上的知識,並不能改變集體的命運。我們需要的,是停下日常的生活節奏,把學習重新放回社會裡,去探討我們心目中的香港應如何發展,並與所有關心香港命運的人共同為之而奮鬥。

[…] 如果我們不甘自己的未來由權貴壟斷,就要在這個重要時刻站出來,為包括罷交稅、罷課、罷工、罷市等行動的不合作運動揭開序幕,展開抗爭的新一頁!

[…] Ho an'ireo mpianatra, ny tsy fankanesana any am-pianarana no hetsika tsy fanekentsika.

Mianatra any amin'ny Anjerimanontolo isika mba hanatsara ny fiainantsika sy ny fiarahamonina. Kanefa, mihena ny toerana ahafahantsika miaina ary marary ny fiarahamonintsika. Manimba ny fiarahamonintsika ny firaisana tsikombakomban'ireo orinasa sy ny fanjakana, indrindra eo amin'ny sehatry ny fampiroboroboana ny trano fonenana. Tsy afaka manova ny amintsika isika amin'ny fifantohana fotsiny amin'ny fianarana. Ny zavatra ilaintsika izao dia ny mampihantona ny fomba fiaina tsy miova andavanandro ary mianatra avy amin'ny fiarahamonintsika. Mila manontany tena isika, inona no tiantsika ho an'ny fiarahamonintsika, ary avy eo, miara-miasa amin'ireo afaka manatanteraka izany nofinofintsika izany.

[…] raha tsy tianao ny hahita ny hoavintsika ho voafaritr'ireo sarangan'olona ambony mahazo tombony eo amin'ny fitondrana , mila mivoaka isika ary manjohy ny tsy faneken'ny olom-pirenena — fanoherana amin'ny fandoavana hetra, tsy fandehanana any am-pianarana, fitokonan'ny mpiasa, fitokonan'ny mpivarotra. Mila manova pejy vaovao isika ho an'ny adintsika.

Hong Kong Government said: Take whatever is available. Will you take the rotten orange? A poster by fluid occupiers.

“niteny ny governemantan'i Hong Kong hoe: Raiso izay zava-misy. Handray ny voasary lo ve ianao?” Sary avy tamin'ny “fluid occupiers”.

Tsy vitan'ny hoe mitaky fetran'isa avo amin'ireo kandidà ireo mpitondra ao Beijing amin'ny fifidianana hatao ny taona 2017, fa koa, tsy mamela toerana mihitsy ho an'ny fahalalahan'ny kaomity mpanendry. Ho voasivana mialoha daholo ireo kandidà rehetra, manala tanteraka ny fifidianam-bahoaka nandrandrain'i Hong kong fatratra.

Tsy dia mamela toerana ihany ho an'ny fifampiraharahana misimisy kokoa ny ao amin'ny fitondrana, noho izany, azo eritreretina ny hoe hampihatra ny zony hampikatso ny fanapahan-kevitra ao amin'ny filankevitr'ireo solombavam-bahoaka miaro ny demaokrasia any amin'ny fivorian'ny solombavam-bahoakan'i Hong Kong, momba ny sosokevitra ho  fanavaozana ny politikan'ny governemanta amin'ilay fifidianam-bahoaka ireo mpanao lalàna mpandàla ny demaokrasia. Ny fiandohan'ny taona manaraka io, hamoaka vakiraoka ofisialy momba ny ho fifandaminana mikasika ny fifidianana izao ho filankevitry ny mpanao lalàna amin'ny taona 2016 ny governenmantan'i Hong Kong, ary ny fifidianana ny lehibe mpanatanteraka amin'ny taona 2017.

Mba hanazavana amin'ireo vahoakan'i Hong Kong hoe nahoana no tokony hanohitra io fifidianam-bahoaka “sarintsariny” io, nanomboka nizara voasary lo tamin'ireo mpandalo ilay vondrona mitondra ny anarana hoe Fluid Occupiers. Nampiasa dokambarotry ny governemanta, mangataka ny vahoakan'i Hong Kong “hanaiky izay zava-misy eo” ilay mpanao fihetsiketsehana politika. Vonona “ny hihinana ny zava-misy ve ianareo?” manontany ny Fluid Occupiers.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.