- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hôpitaly Tsy Miankina Any Bangaldesh: Razana Tazonina Ho Antoka Satria Tsy Afaka Nandoa Vola Teo Noho Eo Ny Fianakaviana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Voina, Zon'olombelona
A police guards in front of the United Hospital in Dhaka. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix  [1]

Polisy iray miambina ny eo anoloan'ny ‘United Hospital’ ao Dhaka. Sary avy tamin'i Firoz Ahmed. Fizakàmanana Demotix (7/7/2011)

Tsy naharitra ny famoretana natao taminy ny United Hospital Ltd. [2], hôpitaly tsy miankina any Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, ka namotsotra ny razan'ilay marary [3] notsaboina ka maty tao, raha tsy nanaiky izany tamin'ny voalohany noho ny fianakavian'ilay rangahy tsy nahavita nandoa ny faktiora teo noho eo, izay niteraka fanafintohinana ho an'ny vahoaka.

Ny 3 Jolay, avy tany amin'ny hôpitaly hafa no nafindra tao amin'ny United Hospital ilay marary nanana olana momba ny fo sy fahasimban'ny taova maro, ary nanaraka fitsaboana tao amin'ny sampana fitsaboana ny lalandrà. Maty ny alin'ny 15 Aogositra 2014 izy.

Tao amin'ireo media sosialy, nisy adihevitra betsaka mikasika ilay fomba mitazona ny razana mandrapahaloa ny vola, izay mifanohitra amin'ny fotokevitra tokony arahana. Nanoratra tao amin'ny bilaogin'ny BDNews24.com i Kowshik Ahmed, [4]bilaogera :

কল্পনা করতে পারছি না যে, বিলের জন্য লাশ আটকিয়ে রাখতে পারে চিকিৎসার মত মহান পেশায় জড়িত ঢাকার অতি উন্নত একটা হাসপাতাল। ৩১ লাখ টাকা বিল ছিলো, কেবিন /আইসিইউ ভাড়া ছাড়া এত বিল কিভাবে হয় যদিও সেটা নিয়ে প্রশ্ন থাকছেই, যার ১২ লাখ টাকা মৃতের পরিবার সাথে সাথে পরিশোধও করেছে– বাকী ১৯ লাখ টাকার জন্য হাসপাতালটির এই পৈশাচিক চরিত্র প্রকাশ্য হয়ে পড়েছে।

Tsy takatro mihitsy hoe hôpitaly manara-penitra, manana faneva hoe manome tolotra fitsaboana, no mitazona razana mba hatao takalonà faktiora tsy voaloa. Maherin'ny 3.2 million BD Taka (eo ho eo amin'ny US $40.000) ny faktiora, ary mbola mampametra-panontaniana ihany hoe ahoana no tafakatra avo be toy izany ny vola tokony haloa. efa nandoa 1.2 million (eo ho eo amin'ny $15.000) ny fianakavian'ny maty. Nabaribarin'ny finiavany hahazo ny ambiny $25.000 ny endrika ratsin'ilay hôpitaly.

Nangataka ilay hôpitaly hanao fialantsiny noho ny “fihetsiny mifanohitra amin'ny fotokevitra tokony arahana” i Russel Parvez, bilaogera [5] :

লাশ জিম্মি রেখে বকেয়া আদায়ের অসভ্য-অন্যায় আচরণের জন্যে আশা করছি আজ রাতেই হাসপাতাল কর্তৃপক্ষ ক্ষমা প্রার্থনা করবেন। প্রতিটি মৃত ব্যক্তির স্বজনের তার লাশ ধর্মীয় বিধান অনুসারের সৎকারের অধিকার রয়েছে। ইউনাইটেড হাসপাতাল কর্তৃপক্ষ পাওনা টাকা আদায়ের জন্যে এই অসভ্যতা করে বাংলাদেশে আইনানুগ ব্যবসা করছে কোনো জরিমানা না দিয়ে এমনটা হওয়া উচিত না।

Manantena aho fa hanao fialantsiny ilay hôpitaly rahalina, noho ny fihetsiny tsy rariny ary tsy mifanaraka amin'ny fotokevitra tokony arahana, mitazona razana mba hatao antoka hahazoany ny volany. Manana zo hikarakara ny razana sy ny fandevenana daholo ny fianakavian'ny maty tsirairay. Tokony hosaziana handoa lamandy ilay hôpitaly noho io fihetsiny io.

Notsiahivin'ilay mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, Abu Sufian [6], fa tsy vao voalohany izao ny United Hospital no nitazona razan'olona notsaboina tao, mandrapahaloa ny faktiora, reminded blogger and journalist .

Namoaka fanambaràna an-gazety [7] ny United hospital, milaza fa efa nampitandrina ny fianakavian'ilay notsaboina izy momba ireo saran'ny fitsaboina. Nanohy ny fitsaboina ny hôpitaly raha nahazo toky avy tamin'izy ireo fa afaka mandoa tsara ny fianakaviana ary ho voaloa ny faktiora. Nanipika ny hôpitaly fa saran'ny fanafody nitazoman'aina ary ny fitaovana ilay $25,000 ambiny tsy voaloa, ary hahatonga faty antoka lehibe ho an'ny hôpitaly ny tsy fandoavana io. Tsy nanisy resaka momba ny fitazonany ny razana tsy ho any amin'ny fianakaviana noho ny tsy fandoavana ny vola anefa ny hôpitaly tamin'izany.

Araka ny antontanisa ny taona 2006, hôpitalim-panjakana ny 40 isanjaton'ireo hôpitaly miisa 1.683 any Bangladesh, raha tsy miankina amin'ny fanjakana kosa ireo ambiny. Mety ho enta-mavesatra ho an'ny fianakaviana ny fampidirana hôpitaly ny mararin'aretina lehibe sy mitaiza, raha tsy misy ny politika fiantoham-pasalamana tsy lafo no sady mandaitra [8]. Mety hampandoa sarany mihoatra lavitra noho izay zakan'ny fahefan'ny olon-tsotra Bangla ireo sasany amin'ny Hôpitaly lehibe tsy miankina sahala amin'ny United.

Naneho hevitra taminà lahatsoratra tao amin'ny Sachalayatan ilay bilaogera, Nir Sondhani [9], naneho ny amin'ny maha fitadiavam-bola fotsiny ny hôpitaly tsy miankina ao Dhaka. Nampitandrina ireo olom-pirenena tsy handeha ho any amin'ny hôpitaly tsy miankina, raha tsy manana loharanom-bola ho enti-manana izany, moa ilay mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy, Mahbub Morshed [10]:

দেশে কোটিপতিদের চিকিৎসা-সেবার জন্য কয়েকটি হাসপাতাল তৈরি হয়েছে। হাসপাতালগুলো দেখতে ভাল। যে কারো মনে হতে পারে, ভর্তি হয়ে যাই। তবে ভর্তি হওয়ার আগে বা কাউকে ভর্তি করানোর আগে একবার ভাবুন আপনি কি কোটিপতি? যদি না হয়ে থাকেন তবে লাখপতিদের হাসপাতালে যান। লাখপতি না হলে পিজি বা ডিএমসিতে ট্রাই করুন।

Misy ireo hôpitaly natokana ho an'ny mpanapitrisa. Tsara kalitao izy ireny, mamirapiratra. Mety te-hoampidirina ao ny sasany mba hahazo fitsaboana tsaratsara kokoa. Fa mialoha an'izany, mba manontania tena re azafady, mpanapitrisa maro ve aho? Raha tsia, mandehana any amin'ny hôpitaly moramora kokoa. Raha tsy mbola zakan'ny fahefan'ny volanao ihany io, afaka mandeha any amin'ny hôpitalim-pankajana ianao.

Nasoritan'i Durjodhon [11], mpampiasa Facebook, hoe ” olan'ny fanambanian-tena”, ny filazana ny fahasahiana mandeha any amin'ny hôpitaly tsy miankina raha toa ka tokony ho any amin'ny hôpitalim-panjakana, nefa tsy manana fahafahana ara-bola akory:

[…] তারা কিন্তু আমাকে জোর করেনি আসার জন্য, জোর করেছে আমার “ইনফিরিয়রিটি কমপ্লেক্স”- সরকারী হাসপাতালের মতন বাজারে (!)গিয়ে চিকিৎসা নেব আমি ? আমার মাঝে বাঙ্গালি সমস্যা, অন্যের চোখে ক্ষুদ্র হয়ে যাবার সমস্যা […] আমার সামর্থ্য আর সাধের মাঝে ফারাক বোঝার অক্ষমতা অথবা অনিচ্ছা- এইসবই এই প্রাইভেট হসপিটালগুলোর কাছে আমাকে শিকার বানিয়ে দিচ্ছে, আমার আত্মীয়ের লাশের জন্য এখন তাদের কাছে হাত পেতে থাকতে হচ্ছে ।

[…] Tsy noteren'izy ireo andeha aty aho, ny olan'ny fanambanian-tenako no nanosika ahy hankaty. Hankany amin'ny hôpitalim-panjakana ho an'olon-tsotra ve aho? Tsia. Manana ny olana manokan'ny Bangla izahay, ny tahotra ny tsy hisy vidiny eo imason'ireo hafa. […] Mahatonga anay ho mora jonoin'ireo hôpitaly tsy miankina mitady vola fotsiny ny tsy fahafahana na ny tsy finiavana hahatakatra ny elanelana misy eo amin'ny zavatra ilaina sy ny fahafahana manao izany. Noho izany, mila mitalaho amin'izy ireo izahay hahazoana ny razan'ny havanay akaiky.

A group of worker from a NGO forms a human chain in the city marking World Health Day. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (7/4/2012) [12]

Vondrona mpiasa ao aminà fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana, nilahatra nitomandavana tao an-tanàna, manohitra ny fanaovana resa-barotra fitadiavam-bola fotsiny ireo fikarakarana ny fahasalamana, tamin'ny Andro Maneran-tany Ho an'ny Fahasalamana. Sary avy tamin'i Firoz Ahmed. Fizakàmanana Demotix (7/4/2012)

Mifanalavitra be [13] ny sarany eo amin'ireo hôpitalim-panjakana sy ireo hôpitaly tsy miankina, tsy noho ny fikarakarana na ny kalitaon'ny dokotera loatra akory, fa kosa eo amin'ireo kalitaon'ny fitaovam-pitsaboina, ireo kojakoja ary ny fahazoana aina amin'ny fahatsaran'ny toerana. Mety ho latsaka be hatrany amin'ny BDT 40.000 ka hatramin'ny 5.000 ($50 ka hatramin'ny $64), ny fitsaboina ny marary fo iray mandritra ny fito andro, noho ny fanampiana avy any amin'ny fanjakana. Mety hampandoavin'ny hôpitaly tsy miankina BDT 100.000 (around $1.300) io marary io ihany.

Dokotera iray ihany ho an'ny olom-pirenena miisa 2.000 [14] no ananan'ny Bangladesh, izay manana mponina miisa 150 tapitrisa. Misy fandriana iray fampiasan'ny hôpitaly ho an'ireo olom-pirenena miisa 3.000. Manana fotodrafitrasa lehibe ho an'ny fahasalamana [15] i Bangladesh manerana ny firenena, saingy any amin'ireo toeram-pitsaboan'ny fanjakana ireo, mbola mila fenoina ny 48 isanjaton'ny toeran'ireo dokotera [16]. Ireo tsy fahampiana any amin'ireo hôpitalim-panjakana ireo, ary ireo tsy fahatokisana ny fikarakarana no manosika ny olona hisafidy ny ho any amin'ny hôpitaly tsy miankina, izay amin'ny sarany lafo dia lafo.

Fanampin'izany ny fitsaboina tsizarizary feno fitaka atrehan'ireo marary. Nampahatsiahy ny momba ilay olona akaiky azy i Helen Ahmed [17], mpisera ao amin'ny Quora, tambajotra sosialy Bangla – sahala amin'ny Besto :

[…] বুকে pain হচ্ছে। তাই ডাক্তার একটা আল্ট্রাসনোগ্রাম করতে দেয়। বিকেলে রিপোর্ট আনে দেখি নিচে লেখা ছিল তার লিভার এ tumar ধরা পড়েছে। রিপোর্ট দেখে কাঁদতে কাঁদতে ডাক্তার কাছে গেলাম, বললাম আপা, ক্যান্সার তো লিভারে আছে, ডাক্তার বলল কাঁদবে না। রিপোর্ট ভুল আসতে পারে। তুমি এখনই ৭ হাজার টাকার লিভার ct স্ক্যান করাও। টাকার সমস্যা সত্তেও ওই দিন আবার লিভার ct স্ক্যান করাই। রিপোর্ট আসে লিভার ক্যান্সার নয়। ৭ দিন পরে আবার রিপোর্ট আসে ফুসফুসে ক্যান্সার। আমার কান্নায় আকাশ বাতাস এক হয়ে যায়। কেন বার বার এত হয়রানি।

[…] Nisy narary tao amin'ny tratrany. Noho izany, nasain'ny dokotera nanao “ultra sonogram” (fomba fihainoana ny onja tsy ren'ny sofin'olombelona mba entina hijerena ny aretina) izy. Naka ny valiny aho ny hariva ary nilaza io fa voan'ny homamiadan'ny aty izy. Nandeha tany amin'ny dokotera aho sady nitomany. Nolazainy fa mety ho diso ilay valiny. Nampanao CT – fitiliana lafo be iray hafa – izy. Nahangona ilay vola, tamim-pahasahiranana be aho, ary nahazo ilay fitiliana. Nilaza ilay valin'ny fitiliana fa tsy misy homamiadan'ny aty izy. Afaka fito andro, fitiliana hafa, milaza fa misy homamiadan'ny havokavoka izy. Tafalatsaka tao anaty ranomaso be indray aho. Nahoana no misy fihetraketrahana be toy izany?

Namorona kaomity [18] ny fanjakana mba hanao fanadihadiana ny olana nisy teo amin'ny United Hospital. Nanome dimy volana ho an'ny fianakaviana ny hôpitaly mba hanonerana ny BDT 1.5 tapitrisa, izany hoe nisy fihenam-tsarany 25 isanjato. Raha tsy izany, lazain'izy ireo fa hotoriany ilay fianakaviana.