
Tsy navela hiditra ao amin'ny fireneny ilay mpikatroka zon'olombelona Bahrainita, Maryam Al Khawaja – ka nitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny seranam-piaramanidina. Sary avy amin'i Julia Reinhart. Zon'ny mpamorona: Demotix
Maryam Al-Khawaja, olom-pirenena Bahrainita sy Tale mpiara-mitantana ny Ivotoeran'ny Zon'Olombelona Eto Amin'ny Helodrano, no tsy navela niditra tao amin'ny fireneny tamin'ny [30 Aogositra 2014].
Araka ny filazan'ny fikambanana, nikasa hitsidika ny rainy, mpikatroka zon'Olombelona malaza Abdulhadi Al-Khawaja, izay any am-ponja sy miditra amin'ny andro faha-enina amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina i Maryam. Nogadraina ny rainy nandritra ny famoretana mahery vaika nataon'ny governemanta taorian'ireo fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia izay nanozongozona an'i Bahrain hatramin'ny 14 Febroary 2011. Voasazy higadra mandra-pahafatiny izy. Fitokonana tsy hihinan-kanina faharoa ataony izao. Naharitra 110 andro ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataony voalohany ary nitsahatra rehefa nofahanan'ny manampahefana an-katerena.
Taorian'ny nitànan'ny manampahefana an'i Maryam Al-Khawaja noho ny fiampangana tsy fantatra sy ny nandraofana ny pasipaorony maha-Danoà azy (mizaka zom-pirenena Danoà sy Bahrainita izy), nanambara tao amin'ny Twitter izy fa hanao fitokonana tsy hihinan-kanina :
I'm being detained in airport. Telling me I don't have Bahraini citizenship. I'm asking for proof.
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) August 29, 2014
Voatàna ato amin'ny seranam-piaramanidina aho. Nilaza tamiko izy ireo fa tsy mizaka ny zom-pirenena Bahrainita aho. Mangataka porofo aho.
I'm denied entry. I'm starting a water-only hunger strike. I won't voluntarily leave. My only demand is to be let into my country. #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) August 29, 2014
Tsy navela hiditra aho. Manomboka mitokona tsy hisotro rano fotsiny aho. Tsy hiala an-tsitrapò mihitsy aho. Tokana ny fangatahako dia ny hamelana ahy hiditra ato amin'ny fireneko #Bahrain
Tomorrow, I will be taken to court in #Bahrain on unknown charges. I'm being held at the airport until then.
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) August 30, 2014
Hoentina eo anatrehan'ny fitsarana ao #Bahrain aho rahampitso (31 Aogositra) noho ny fiampangana tsy fantatra. Tazomina ato amin'ny seranam-piaramanidina aho eo am-piandrasana izany
Hiatrika fitsarana izy ny 31 Aogositra, manavao ny kaonty Twitter-ny ny olona akaikin'ny fianakavian'i Al-Khawaja amin'izao fotoana izao t:
To clarify: this account is temporarily being run by someone close to the Al-Khawaja family.
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) August 30, 2014
Ho fanazavana: olona akaikin'ny fianakavian'i Al-Khawaja no mitantana vonjimaika ity kaonty ity .
Mivaky toy izao ny vaovao farany tao amin'ny kaontiny, amin'izao fotoana hanoratana ny lahatsoratra izao :
Maryam called her family. She is being taken to the public prosecution now.
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) August 30, 2014
Niantso ny fianakaviany i Maryam. Noentina ao amin'ny lehiben'ny fampanoavana izy amin'izao fotoana izao.
Tsy mazava raha nitsahatra tsy nisioka intsony i Maryam Al-Khawaja tenany manokana saingy nanamafy ny fitokonany tsy hihinan-kanina ny habaky ny Ivotoeran'ny Zon'Olombelona eto amin'ny Helodrano (GCHR):
Maryam Al-Khawaja having witnessed on her arrival that her rights have been violated by authorities in Bahrain declared:
“I have decided to launch a water-only hunger strike and to refuse to leave the Bahraini airport. I will continue the hunger strike until I am allowed in to Bahrain to see my father. I want to make it clear that I refuse any and all food or treatment during my hunger strike.”
Latest reports received by the GCHR suggested that Maryam Al-Khawaja is refusing to leave Bahrain voluntarily. However, authorities are insisting that they will deport her in a clear violation of international human rights law.
The GCHR condemns both — not giving Maryam Al-Khawaja entry to her country Bahrain and also her detention at the Bahrain International Airport. The GCHR believes that this forms part of an ongoing trend of systematic targeting of human rights defenders by the government of Bahrain.
Nanambara i Maryam Al-Khawaja izay nanatri-maso ny fahatongavany sy ny fanitsakitsahan'ny manampahefana ao Bahrain ny zony fa:
“Tapa-kevitra hanao fitokonanana tsy hisotro-rano fotsiny ary handà tsy hiala ato amin'ny seranam-piaramanidina Bahrainita. Hanohy hitokona tsy hihinan-kanina mandra-pahazoako alalana hiditra ao Bahrain mba hijery ny raiko. Tiako ny mampahafantatra fa mandà izay sakafo rehetra na fikarakarana atao ahy mandritra ny fitokonako tsy hihinan-kanina aho. “
Nilaza ny tatitra farany voarain'ny GCHR fa mandà an-kitsim-po tsy hiala ao Bahrain i Maryam Al-Khawaja. Na dia izany aza, misisika milaza ireo manampahefana fa hotorian'izy ireo noho ny fanitsakitsahana bevava ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izy.
Miampanga – ny fandàvana an'i Maryam Al-Khawajazy tsy hiditra ao amin'ny fireneny ao Bahrain sy ny fitazomana azy ao amin'ny Seranam-piamanidina ao Bahrain ny GCHR. Mihevitra ny GCHR fa anisan'ny fanaovana lasibatra hatrany ataon'ny governemantan'i Bahrain amin'ireo mpiaro ny zon'Olombelona izao.
Amin'ny 31 Aogositra no hoentina eo anatrehan'ny fitsarana i Al-Khawaja. Nampandre ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Danoà Martin Lidegaard ilay Bahrainita malaza mpikatroka zon'olombelona Nabeel Rajab:
.@martinlidegaard Fears for HRD Maryam Al Khawaja who landed in #Bahrain last night, was immediately detained & faces court tmrw. #Denmark
— Nabeel Rajab (@NABEELRAJAB) August 30, 2014
@martinlidegaard Manahy ny amin'i Maryam Al Khawaja mpikatroka ny zon'olombelona izay nitody tao #Bahrain tamin'ny alina, ary notànana avy hatrany sy hiatrika fitsarana rahampitso. #Denmark
Nanontany i Lotte Leicht, talen'ny fiarovana ao amin'ny Vondrona Eoropeana sy talen'ny Human Rights Watch (Mpanaramaso ny zon'Olombelona) raha hanampy an'i Al-Khawaja i Danemarka:
Is #Denmark @martinlidegaard assisting @MARYAMALKHAWAJA who is detained in #Bahrain airport & reportedly will be taken to court tomorrow?
— Lotte Leicht (@LotteLeicht1) August 30, 2014
Hanampy an'i @MARYAMALKHAWAJA izay voatàna ao amin'ny seranam-piaramanidina ao #Bahrain sy voalaza fa hoentina eo anatrehan'ny fisarahana rahampitso ve i #Denmark @martinlidegaard?
Tsy vao voalohany i Al-Khawaja no tsy navela hiditra ao Bahrain. Tamin'ny taon-dasa, nosakanan'ny mpiasan'ny zotra an'habakabaka tsy hiditra ao anaty fiaramanidina zotra Britanika ao Copenhague hisidina ho any Manama izy. Nanomboka tamin'ny fitroaram-bahoaka tamin'ny taona 2011 izay mitaky zo ara-tsivily sy politika bebe kokoa, nanao famoretana mahery vaika tamin'ireo mpanohitra politika ny governemanta. Anisan'izany ny fanarahamaso ireo zavatra atao antserasera, ny fanagadrana tsy amin'ny antony, ny fampijaliana sy fanesorana ny fizakana ny zom-pirenen'ireo Bahrainita.