- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mangataka An'i Etazonia “Hifehy Tena Any Ferguson” ny Governemanta Ejiptiana Ary Mamaly Izany Ireo Mpampiasa Twitter Miaraka Amin'ity Tenifototra Malaza Ity

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Etazonia, Fanoherana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Manome sosokevitra hoan'ny mpitandro filaminana amerikana ny amin'ny fomba handaminana ny korontana misy any Ferguson, Missouri, amin'izao fotoana izao ireo Ejiptiana sy ireo tsia Ejiptiana mpampiasa Twitter.

Noforonina tao amin'ny Twitter ny tenifototra maneso #EgyPoliceTipsToUS [1], ho setrin'ny fanambarana [2]nataon'ny governemanta Ejiptiana mampirisika ireo manam-pahefana Amerikana “hahay hifehy tena” any Ferguson, izay toerana ifandonan'ny mpitandro filaminana any an-toerana mirongo fitaovana fandravana hetsi-panoherana sy ireo mpanohitra nandritra ny 11 andro, rehefa nahafaty tanora mainty hoditra tsy nitondra fitaovam-piadiana [3]ny mpitandro filaminana iray. Fotsy hoditra ny ankamaroan'ireo mpitandro filaminana any Ferguson ary nanao herisetra tamin'ireo mpanao gazety nanatrika ilay zava-niseho, tamin'ny fampiasàna baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.   

Araka ny voalazan'ireo mpampiasa Twitter, i Ejipta no firenena farany indrindra tokony hanolo-kevitra tahaka izany an'i Etazonia, raha jerena amin'ny fomba fandaminany ireo korontana manokana niainany hatramin'ny nanombohan'ny tolom-bahoaka Ejiptiana [4]tamin'ny 25 Janoary 2011. Nampahatsiaro ny habibiana nataon'ireo manam-pahefana Ejiptiana tamin'ireo mpanohitra hatramin'izay ilay tenifototra, ao anatin'izany ny iray amin'ireo andro mihosin-drà indrindra teo amin'ny tantara faran'ny fanoherana izay nahafatesanà mpanohitra 800 mahery tany Rabaa [5]ny 14 Aogositra 2013.

Nibitsika tamin'ireo mpanara-dia azy i Jason Stern, mpikaroka mpiara-miasa amin'ny MENA ao amin'ny “Committee to Protect Journalists” (Kaomity Fiarovana ny Mpanao gazety):

Inona no #EgyptPoliceTips [6] atolotrareo ny mpitandro filaminana Amerikana any #Ferguson [7]?

Nozarainy ireto tolo-kevitra manaraka ireto miaraka aminà lahatsary mampiseho ireo famoretana sy tetikady nataon'ny mpitandro filaminana Ejiptiana:

3. Rehefa tsy voafehy ny toe-javatra dia avelao ny jiolahimboto mpitaingina rameva no hanao ny asa ratsinao

4. Aza mampihorohoro fotsiny ireo mpanao gazety hoe hitifitra azy ianareo. Tonga dia tifiro.

1. Raha toa ka mandrovitra akanjom-behivavy ianareo eo am-pidarohana azy, aza adino ny mandrakotra azy alohan'ny hanohizanareo indray ny fidarohana

Nanaraka izany tamin'ny fandefasany ny sosokeviny manokana ireo mpampiasa Twitter hafa.

Nampahatsiahy ireo tery vay manta tamin'ny fitiliana ny mahavirijiny [15]nataon'ireo miaramila Ejiptiana tamin'ireo vehivavy mpanohitra tany amin'ny Kianjan'i Tahrir ny taona 2011 i @befroggled, izay manana mpanara-dia 760 ao amin'ny Twitter. 

Angony daholo ireo vehivavy mpanohitra rehetra hijerena ny mahavirijiny azy. Izany no fomba tian'ny Filoha Sisi indrindra mba hiadiana amin'ireo vehivavy mpanohitra.

Nanome sopapa amin'ny fampiasàn'ireo manam-pahefana ny ady amin'ny fampihorohoroana ho fialàna bala mba hamoretana ireo mpanao hetsi-panoherana ihany koa izy:

Raha toa ka mampitaintaina anao ny mety hiafaran'ny famoretanao ireo mpanohitra amin'ny hatezeram-bahoaka, dia mangataha fahazoan-dàlana hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana

Milaza amin'ireo mpanaraka azy miisa 5.200 i Bilal Zrebel fa:

Manao asa roa ny mpitandro filaminana manao fanamian'olon-tsotra: mamono sy mamandrika ireo mpanohitra amin'ny fampinoana azy ireo fa mitàm-piadiana ny tenany!! Samy mandresy

Ary izao no soratany momba ilay vonoan'olona marobe tany Rabaa, [5] izay namonoan'ireo tafi-panjakana Ejiptiana mpanao hetsi-panoherana maherin'ny 800 tanatin'ny iray andro herintaona lasa izay, ka nandoroany ny sasany tamin'izy ireo ho faty:

Doroy ry zareo na maty na velona, “raha ny heno” dia tsy mamela porofo ny afo!

OthmaNation, izay manana mpanaraka miisa 1.500, dia nanonona ilay fidarohan'ireo [22]mpikambana ao amin'ny tafika Ejiptiana ny ‘mpanao fihetsiketsehana manao tatinono manga’ [22]nandritra ny hetsi-panoherana ny tafika tamin'ny Desambra 2011.

Rehefa mandrovitra akanjom-behivavy ianareo, dia lazao fa ry zareo ihany no nanao izany mba hamandrihana ireo mpiasanareo vanona.

Nizara ity sosokevitra ity tamin'ireo mpanaraka azy miisa 3.902 kosa i Sherif Saaadni, mpisolo vava:

Aza mampiasa dingana voarefy sy mitandro ny aina raha manaparitaka ny vahoaka. Aiza ny fahafinaretana sy ny fanakiviana amin'izany?