Nampirongatra kiana tamin'ny fanambaràna nataony tamin'ny fety ho an'ny fahaleovan-tena nokarakarain'ny “Jamaican Canadian Association”, nibabababa ny tsy fahampian'ny resaka ara-pinoana ao amin'ilay firenena nosy, i Damion Crawford, mpikambana ao amin'ny parlemantan'i Jamaika, sady minisi-panjakana misahana ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Fialamboly.
Araka ireo tatitra avy tamin'ny “Pride“, gazetiboky Afro-Kanadiana/Karibeana, nanambara i Crawford fa “ i Jamaika manary ny fahatahorany an'Andriamanitra no tena manahirana azy indrindra.” Nanohy ihany i Crawford fa “niala nisintaka lavitra loatra an'Andriamanitra ny firenena, ary nitsahatra tsy nahafinaritra an'Andriamanitra intsony.”
Tsy tafita tsara tamin'ireo sasany tao amin'ny Twitter ny fanamarihany, izay nahatonga an'i Crawford nanamafy indray ny toerana misy azy taminà hafatra fohy maromaro:
why them ppl yah nuh leave me and me jesus though jesus… I answer to no man. if u not afraid say thank god but let me be
— Wakka FLakka (@DamionCrawford) August 14, 2014
nahoana ary ny vahoaka rehetra no manary ahy, ary izaho an'i Jesoa, na dia Jesoa aza…Tsy mamaly olona aho. Raha tsy matahotra ianao, misaora an'Andriamanitra, fa avelao aho
unuh stay right there me busy a pray
— Wakka FLakka (@DamionCrawford) August 14, 2014
Mijanonà any ianareo rehetra fa sahirana mivavaka aho
All of a sudden everybody a atheist and agnostic and undecided and non believer unuh need fi rahtid stop it… that a nuh Jamaica.
— Wakka FLakka (@DamionCrawford) August 14, 2014
Tampoka teo, ny olona rehetra, ireo tsy mino ny fisian'Andriamanitra, ireo tsy mino ny fisian'ny zavatra tsy hita maso, ireo tsy mety tapa-kevitra, ianareo rehetra tsy mino, mila manadino ny zavtara ratsy, ajanony izany… Tsy Jamaika izany.
Joshua 24:15 …as for me and my house, we will serve the Lord. #done_talk #God_alone
— Wakka FLakka (@DamionCrawford) August 14, 2014
Josoa 24:15… fa raha izaho sy ny ankohonako, hanompo ny Tompo izahay. #done_talk #God_alone
Ah sinful nation, a ppl laden with iniquity….they have forsaken the LORD, they have provoked the Holy One of Israel unto anger….
— Wakka FLakka (@DamionCrawford) August 15, 2014
Loza ho an'ny firenena mpanota, vahoaka anjakan'ny tsy fahamarinana, nanadino ny TOMPO izy ireo, nihantsy ilay Iray Masin'i Israely izy ireo ka nahatonga fahatezerana…
I Kei Miller, mpanoratra, dia mahita fa hafahafa hoe manao izany fitakiana lehibe izany i Crawford, amin'ny maha-kristiana an'i Jamaika, sahala amin'ny fomba nanerena ireo mponin'ny nosy tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany. Nanakiana an'i Crawford ihany koa i Miller amin'ny fananany fomba fijery teritery ny dikan'ny atao hoe Jamaikana:
Tsy ny hevitrao ny amin'ny hoe ahoana no Jamaika ny olana, fa ny fizirizirianao amin'izay TSY maha-Jamaika. Tsy olako ny itenenanao amin'izao tontolo izao hoe firenena Kristiana i Jamaika, satria tena izay tokoa izy. Raha ny tena marina kokoa, firenena Pentekotista i Jamaika. Ary any amin'ny faritra sasany, firenena Anglikana izy. Any amin'ny faritra sasany ihany, firenena Batista izy, ary firenena Advantista, ary firenena Fifohazana indray any amin'ny faritra hafa. Firenena Rastafari ihany koa i Jamaika, ary firenena Silamo, ary firenena anjakan'ny Mosavy koa i Jamaika. Firenena mainty i Jamaika, anefa firenena fotsy ihany koa, ary firenena Sinoa, ary firenena misy firazanana mifangaro. Firenena mahitsy izy, ary eny amin'ny tendrony sy eny amin'ny lemaka sasany izy dia firenen'ny loko marevaka. Sady firenena miankina amin'ny finoana no laika ihany koa i Jamaika; firenena mino izy ary any amin'ny faritra sasany, firenena tsy mpino. Ary afaka ho ireo rehetra ireo amin'ny fotoana iray i Jamaika. Ny faritra sasany tsy mitovy hevitra amin'ny sasany, kanefa tsara izany. Izany ny isehoan'ny kolontsaina. Tsy misy ankolafy tokony hanjakazaka samirery amin'ny zavatra rehetra.
Namaly an'i Miller tao amin'ny pejy Facebook-ny i Crawford, nampitaha an'i Etazonia sy Jamaika. Nampiasa ny famaritana ny atao hoe “tsy Amerikana” avy tao amin'ny diksionary Webster izy, nilazany ny atao hoe “Tsy Jamaikàna” — “tsy niombon-kevitra tamin'ireo soatoavina, ireo fototra ary ireo fomban-drazan'ny Jamaikana”, izay novalian'i Kei Miller ato amin'ity lahatsoratra anaty bilaogy ity, izay nalefany tamin'ny aterineto omaly (19 Aogositra). Nanamafy ihany koa i Crawford fa avy amin'ny kolontsain'ny maro an'isa no ahitàna ny tena toetry ny firenena iray:
Itako ho kidaladala ihany ny filazana fa ny firenena iray dia ny zavatra rehetra ao amin'io firenena io. Firenena Kristiana i Jamaika, izay ihany. Misy Rastafariana, Jiosy, Silamo etc, isika, fa ny Kristianisma no lamina nifanekena.
Niteraka kiana goavana tao amin'ny Twitter ilay fijerin'i Crawford,:
Damion Crawford have a degree? Because is bere foolishness I see him sprouting. Move with you antiquated, back a bush beliefs..
— Audi Manning (@AudiNatlee) August 14, 2014
Mba manana maripahaizana ve i Damion Crawford? Satria toa fitsimokin'ny hadalàna no hitako mitsiry aminy. Ento manaraka anao any ny zavatra efa ntaolo, miverena any amin'ny finoana any ambany ravinkazo any..
I wonder if I become a Christian and pray for sensible leaders, would god listen?
— Barrington Grant Jr (@barringtonjr) August 14, 2014
Manontany tena aho hoe raha lasa Kristiana aho, ka mivavaka ho an'ireo mpitondra mora tohina, hihaino ve Andriamanitra?
when Damion Crawford entered politics I had high hopes, sigh, absolute failure no better than the dinosaurs in Gordon House
— Stewart C. (@vaewest) August 18, 2014
Tamin'ny niditra tamin'ny resaka politika i Damion Crawford, nanana fanantenana lehibe aho, fisentoana, fahalavoana tanteraka, tsy tsara mihoatra ireo dinaozoro ao amin'ny Gordon House.
Nino i Emma Lewis, bilaogera, fa tsy dia mety loatra ho anà minisitry ny governemanta ny mamaritra hoe iza no tena Jamaika marina, amin'ny alalan'ny finoany na ny tsy fisian'io:
Misy ny olona mino an'Andriamanitra. Ny hafa tsy mino. Ny sasany mino andriamanitra maro; ny hafa indray tsy mino na dia amin'ny iray aza. Maro ny hafa tsy mahalala akory hoe inona ny inoany; ny sasany vao miezaka ny mamantatra izany; ary ny hafa indray tsy miraharaha izany mihintsy. Fa tsy maninona daholo izany rehetra izany.
Tena mino ny fahalalahan'ny finoana aho, ary manaja ny finoan'ny hafa, mandrakariva. Ny tsy ekeko amin'izany dia ny hoe ho anà firenena iray manontolo (Jamaika) lazainà Minisitry ny Governemanta (amin'ny Twitter), hoe raha tsy ‘matahotra’ an'Andriamanitra izy ireo (angaha tena mampitahotra be Izy?) dia tsy tena azo atao hoe olom-pirenen'io firenena io. Sady ny fomba fiteniny koa amin'izany, mihetraketraka, tsy misy firaharahiana, ary manafintohina mihintsy, tena tafahoatra loatra.
Araka ny famintinan'i Kei Miller tao amin'ny lahatsorany voalohany:
Raha ara-jeografia, nosy kely isika, fa ny kolontsainantsika kosa lehibe, mivelatra be izay mbola afaka mampiditra maro hafa mihoatra ny eritreretinareo. Andraikitro amin'ny maha mpanoratra ahy ny mieritreritra sy manoratra amin'ny alalan'izany fifangaroana izany. Izany rehetra izany! asanao amin'ny maha solombavam-bahoaka anao ny misolo tena ny firenenao. Ny tsirairay aminay!