- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andiam-Balala Hita Eto Antananarivo, Madagasikara

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sakafo, Siansa, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

Namoaka sarin'andiam-balala manemitra an'Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny mpisera Twitter sy facebook maro avy eto Madagasikara. Tsy zava-tsy fahita eto Madagasikara ny fisian'andiam-balala, indrindra rehefa aorian'ny tadion'ny (rivodoza) andro mafana, fa tsy mahazatra kosa ny tanàna lehibe ny mahita izany. Mety handravarava tanteraka eo amin'ny voka-pambolena eto amin'ny firenena izay efa tandindomin'ny mosary hatrany tao anatin'ny taona vitsivitsy izao ny fisian'ny andiam-balala tahaka izao.