
Ireo mpanao fihetsiketsehina, John Bosco (rojo vy) sy Bisi Alimi (soratra famantarana) manao fitafiana voafonja tao Londres, maneho ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny lalàna misy ao Oganda tamin'ny 10 desambra 2012. Sary nalain'i Reporter#20299. Fizakàmanana Demotix
Nofoanan’ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana ao Oganda, enimbolana taorian’ny nanaovan’i Filoha Yoweri Kaguta Museveni sonia azy, ny lalàna iray mandrara ny fiarahan’ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy, izay manasazy ny atao rehetra mifandraika amin’izany ka maha voafonja mandra-mat mihitsy aza indraindray.
Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana dia tsy nikasika ny votoatin’ilay lalàna fa momba ny fomba nentina nandany azy teo anivon’ny parlemanta. Midika izany fa mety mbola ho lany ao amin’ny parlemanta indray ilay volavolan-dalàna. Mijanona ho heloka ihany izany ny fiarahan’ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy ao Oganda.
Namporisika ny Eoropa sy ny Amerikana hanapaka ny ampahan'ny famatsiam-bola nomen'izy ireo an'i Oganda ilay lalàna
Ny volana Marsa tamin’ity taona ity, nanosika ny teratany Ogandé malala-tsaina vitsivitsy ilay lalàna, anisan'izany ny Profesora Joe Oloka-Onyango, Fox Odoi-Oywelowo Mambran'ny Parlemanta, Andrew Mwenda mpanao gazety tranainy , Profesora Morris Ogenga Latigo, Dr. Paul Nsubuga Ssemugoma, ireo LGBT mpikatroka mafàna fo ary mambra ao amin'ny vondron'nyvitsy an’isa amin’ny lafin’ny ara-nofo ao Oganda, Jacqueline Kasha Nabagesera, Julian Pepe Onziema, sy Frank Mugisha, hitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana, mba hanoherana azy io.
Nisy ankolafin’olona notarihan’i Steven Kavuma, lefitry ny Lehiben’ny fitsarana, izay niombom-kevitra tamin’ireo mpanao fitakiana ny 1 Aogositra fa hoe lany tsy nahazo ny isa takiana ilay lalàna, noho io no anafoanana azy. Nanome tsiny an’i Rebecca Kadaga, Filohan’ny Parlemanta, ireo mpitsara nohon’ny tsy fanarahan-dalàna nataony.
Nidera ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ireo mambra ao amin’ny vondrom-piarahamonina LGBTI tamin’ny alalàn’ny mediam-bahoaka. Fotoana fohy taorian’ny nanafoanana ilay lalàna, nibitsika ny Tale Mpanatanteraky ny Vondron'ny vitsy an'isa amin'ny lafin'ny ara-nofo ao Oganda, Dr. Frank Mugisha, Mpisolovavan’ny LGBT, hoe :
Still in celebration mood safely made it out of court amidst crowd of journalists & demos’ by anti gay groups – UG anti gay law nullified
— Dr. Frank Mugisha (@frankmugisha) August 1, 2014
Mbola ao anatin’ny firavoravoana natao tamim-pilaminana teo ivelan’ny Fitsarana, teo anivon’ny mpanao gazety marobe sy ny fihetsiketsehan'ireo vondron’ny mpanohitra ny fiarahan’ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy, foana ny lalàna mandrara izany fiarahana izany
@poniesinjudah niarahaba ny vondrom-piarahamonin’i LGTBI ao Oganda:
@frankmugisha @jengrimman Congratulations! So great!Someone said there should be greeting cards for this. So I made 1 pic.twitter.com/Vz8zdB6YNT — poniesinjudah (@poniesinjudah) August 2, 2014
@frankmugisha @jengrimman Arahabaina ! Tena fatratra ! Nisy niteny fa tokony nasiana karatra firariantsoa hnamarihana an'io. Ka dia nanao iray aho pic.twitter.com/Vz8zdB6YNT
@Sambannz nanipy hevitra hoe tsy ny olon-drehetra izay tsy mankasitraka iny lalàna iny ao Ogandà akory dia ho afaka hiravoravo an-kalalahana eny imasom-bahoaka:
That moment when your father sees you on Tv among those Celebrating cause the Court nullified the #AntiHomosexualityLaw
— Samwise Gamgee (@Sambannz) August 1, 2014
Ilay fotoana ahitan’ny rainao anao amin’ny fahitalavitra miaraka amin’ireo olona mankalaza satria hoe nofoanan’ny Fitsarana ny #LalànaMandraraNyFiarahan'nyLahySamyLahySyNyVavySamyVavy
Saingy, tsy ny Ogande rehetra akory no faly. Nibitsika ho setrin’izany ny Pastora Martin Sempa, izay namporisika ny famoahana ilay lalàna:
Deeply distressed by the ruling of court in favor of EuroAmerican funded homosexualists. Our African ancestors are in grief #descendants
— Martin Ssempa (@martinssempa) August 1, 2014
Kivy tanteraka tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana nohon’ny fiandaniany amin’ireo mpandàla ny firaisan’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy, izay vatsian’ny eropeanina sy ny amerikana vola. Ory tokoa ireo razam-bentsika Afrikana nohon’ny ataon’ny #taranany
Manohitra ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana i Andrew Kazibwe:
2morrow announced black day, ugandans r to wear black to show their grief. #AHARuling
— AndrewWilliamKazibwe (@AndieK_Tweets) August 1, 2014
Ambara, ho andro mainty rahampitso, hanao akanjo mainty ny Ogande mba ho enti-mampiseho ny alahelony. #AHARuling
Mbola manohy mampanantena ireo olona tsy mankasitraka io fanapahan-kevitry ny Fitsarana io fa tsy hijanona mihitsy raha tsy lany tanteraka ilay lalàna.Ny Solombavam-bahoakan’ny Ndorwa andrefana, David Bahati, olona nanolotra voalohany ilay lalàna tao amin’ny parlemanta dia nampanantena fa hitondra ilay lalàna hiverina.
Tsy ara-dalàna ny Fiarahan’ny lahy samy lahy ary ny vavy samy vavy any amin’ny Firenena afrikana miisa 38 ary mety hanamelohana ho faty mihitsy izany any Maoritania, Sodana, sy any avaratr'i Nizeria.