Nofaranan'ny Papa Fransoà tao Korea Atsimo ny fitsidiham-pitokanana ataony, izay niteraka resabe tamin'ny fampahalalam-baovao ny fomba fisehoan'ity lehiben'ny Katolika ity imasom-bahoaka, anisan'izany ny hoe eveka mandeha amin'ny fiara kely tsotsotra, fa tsy amin'ny fiara berline maharo amin'ny bala.
Nalefa mivantana manerana ny firenena ny sarin'ny Papa ao anatin'ny fiara “Soul” (Fanahy), namboarin'ny Kia ao Korea, ary nitarika tombatombana goavana mikasika ny fomba nisafidianan'ny Papa ity fiara manokana ity. Nanazava avy eo ny komity tompon'andraikitra ny fikarakarana ny fitsidihana fa ny Papa mihitsy no nangataka manokana handeha amin'ny fiara kely indrindra vita ao an-toerana, raha mety.
Nalaza haingana tamin'ny aterineto ny lalao ankamantatra momba ny fiara vaovaon'ny eveka, ka nanontany tena ireo Koreana ao amin'ny Twitter raha noho ny anaran'ny fiara no hitaingainan'i Fransoà ny “Soul” (Fanahy), na angamba satria fampiasa mahazatra amin'ny fitaterana ireo olona manana fahasembanana ity fiara maodely manokana ity. Naneho ny ahiahiny ny sasany fa tsy ampy ny fiarovan-tenan'ny Papa rehefa mandeha amin'ny fiara mahazatra tahaka itony, saingy ny ankamaroan'ny Koreana nanoratra tao amin'ny media sosialy kosa toa nankafy ilay fanapaha-kevitra nisafidy ilay fiara kelikely.
교황이 소울을 타는 이유는 이탈리아에선 소울을 장애인용 차량으로 개조해서 많이들 타고다니기 때문이라함…ㅡ_ㅡb
— S2ong Jin (@Seongjinworld) August 14, 2014
Ny antony mahatonga an'ny Papa mitaingina ny Soul [Fanahy] dia satria, ao Italia, maro ireo olona manamboatra izany fiara izany hoan'ny olona sembana.
교황님 차 소울이네 진짜로;;;; 어떤 마음으로 경차 타신다고 한건지는 충분히 이해하지만 나는 저런 장면을 보면 심장떨릴 경호팀이 먼저 떠오르는 것이다……
— Julie (@jiyooong) August 14, 2014
Tena ny Soul marina ve no taingenan'ny Papa. Na dia azoko tsara aza ny antony isafidianany ity fiara kely ity, amin'ny fijeriko, mitodika avy hatrany any amin'ireo mpiambina manodidina azy ny saiko, izay tsy maintsy miontana hatrany isa-minitra.
교황이 소울에 탄 사진이 어색하다고 느끼며 윳었다. 높은 자리, 명예를 가진 사람, 부자, 권력가, 이른바 높으신 분들은 검은색 세단을 항상 연상시키는데 교황이 그걸 타지 않으니 어색하게 느껴졌다
— hoon chang (@medok83) August 14, 2014
Nahatonga ahy hihomehy ny sarin'ny papa ao anatin'ny Soul satria toa tsy natao ho azy izany. Mampahatsiahy ahy foana ireo olona manana toerana ambony-manana tombotsoa manokana, olona manambola sy fahefana ny fiara berline mainty – ary toa toy ny hafahafa tokoa ny mahita an'ny papa tsy ao anatin'iray amin'ireo fiara berline.
기아차가 교황님이 타시는 차가 쏘울이라며 보도자료를 엄청 보내는 모양인데, 교황님이 낮은자를 굽이 살피어서 가장 싼 자동차를 타신거지 말입니다…..
— 물도마뱀 (@rumblepad) August 15, 2014
Angamba tokoa te-handefa fanambarana an-gazety ny Kia mba hidoka-tena fa ny Kia Soul no fiara nofinidin'ny papa. Saingy tokony ho fantany no antony mahatonga izany: nosafidian'ny papa ny Soul satria izy no anisan'ireo fiara mitsitsy indrindra, ary manome lanja betsaka ireo sahirana ihany koa izy.
교황님은 쏘울 타고 가시고, 그 뒤에 커다란 세단을 타고 가는 경호원들…이제까지 본 적 없어 묘하고, 한편으로는 조금 감동적인 광경이다.
— 연연 (@sadlyamoral) August 14, 2014
Fa seho inona ity- mitaingina Soul [Fanahy] ny Papa ary manaraka azy amin'ny fiara berline raitra ireo mpiambina azy. Zava-baovao ho ahy izany. Toa tahaka ny hafahafa, ary mandritra izany, mampihetsi-po ihany koa.
교황과 동급이 되기 위하여 지금 차 팔고 소울을 사야겠다.
— 여울탄 (@kasarkim) August 15, 2014
Mba hitoviana lenta amin'ny papa, mieritreritra hivarotra ny fiarako amin'izao fotoana aho ary hividy Soul [Fanahy].
Raha nilaza ny olona sasany tao amin'ny aterineto fa tsy voalanjalanja ny fitantarana ny vaovao momba ny fitsidihan'ny papa, nilaza kosa ny maro hafa fa taratry ny hetahetan'ny vahoaka tanteraka hanana mpitarika tahaka an'i Fransoà ny lazan'ny Papa.
한국사람들이 교황에 열광하는 이유….한 명의 제대로된 지도자가 얼마나 많은 일을 하고, 영향을 줄 수 있는지는 제대로 보여주고 있다.
— Teresia.W (@dpondd) August 17, 2014
Ny mahatonga ireo Koreana maro ho liana fatratra amin'ny momba ny papa dia noho izy mampiseho izany hoe tena mpitarika marina mahavita zavatra marobe sy mahasarika olona tokoa.