Tantara tamin'ny 21 Aogositra 2014
Noraràn'ny Governemanta Shinoa Any Anatin'ny Fitateram-bahoaka Ny Hijabs, Volom-bava Lavabe Sy Ireo “Fitafy Tsy Araka Ny Tokony Ho Izy”
Nanambara ny fandraràna ny fitafy sy endriky ny volo "tsy araka ny tokony izy (mivaona)" mifandraika amin'ny Miozolomana any anatin'ny fitateram-bahoaka ny governemantan'ny tanànan'i Karamay ao Shina, mba hisorohana izay mety ho fihetsika mpampihorohoro mandritra ny Lalao Xinjyang faha-13 nanomboka tamin'ny 8 hatramin'ny 20 Aogositra 2014
Niteraka Adihevitra Ny Fiara Kelin'ny Papa Fransoà Tao Korea Atsimo
Nofaranan'ny Papa Fransoà tao Korea Atsimo ny fitsidiham-pitokanana ataony, izay niteraka resabe tamin'ny fampahalalam-baovao ny fomba fisehoan'ity lehiben'ny Katolika ity imasom-bahoaka, anisan'izany ny hoe eveka mandeha amin'ny fiara kely tsotsotra, fa tsy amin'ny fiara berline maharo amin'ny bala.
Mibilaogy Momba Ny Fiainana Sy ny Fahafatesana Ao Gaza i Dalia Alnajjar, 20 Taona
“Ny fanoratana no vatofantsika ampiasaiko hanakana ahy tsy ho rendrika ao anatiko”. Izany no asehoan'i Dalia al-Najjar (20 taona) ao amin'ny bilaoginy, gazetin'ny fiainana ao Gaza.
Notapahan'ny ISIS Ny Lohan'ilay Mpanao Gazety Nalainy An-keriny, James Wright Foley Tamin'ny Hafatra An-Dahatsary Hoan'i Etazonia
Navoaka androany ny lahatsary avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS) mampiseho ilay mpaka sary mpanoratra gazety Amerikana, James Foley Wright, izay nanjavona tao Syria nandritra ny 636 andro.