- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

52 Taona Aty Aoriana, Ahoana Ny Fijerin'ny Jamaikana ny Fetin'ny Fahaleovantenany?

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Foko sy Fiaviana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna
Jamaican Independence Day celebrations; photo taken from the WAVE: Galleries, Museums, Archives of Wolverhampton flickr page, used under a CC BY-NC-SA 2.0 license. [1]

Andro fankalazana ny fahaleovantena Jamaikana. Sary avy amin'ny WAVE: Rakitsary, Moeza ary Tahirintsarin'ny pejy Flickr Wolverhampton. CC BY-NC-SA 2.0 

Nahatontosa ny fahaleovantena avy amin'ny fanapahana britanika i Jamaika 52taona lasa izay. Tahaka ny ankamaroan'ireo olom-pirenen'ny firenena Karaiba,… Mbola mifamaly amin'ny fiantraikan'ny tantaran'ny faritra ny Jamaikana amin'izao fotoana, ary tafiditra amin'izany ny fanamby ara-piarahamonina sy ara-toekarena.

Tahaka ireo zaratany maro ao amin'ny faritra, dia “hitan'i” Christopher Columbus ho an'i fanjakana Espainola nanodidina ny taona 1490 i Jamaika; levona noho ny fanahy iniana na noho ny aretina nentin'ny espaniola avy any aminy ny teratany nonina tamin'ireny zaratany ireny. Tany amin'ny manasaka ny taonjato faha-17 tany ho any dia norombahin'ny Britanika ny nosy ary nanjakany nandritra ny roanjato taona manaraka ao anatin'ny lalan'ny famarinana andevo miampita ny ranomasimbe Antlatika, ary nandritra izany fotoana izany ny Afrikana andevo no navarina tao amin'ny nosy ary natao hiasa amin'ny toeram-pambolena fary midadasika.

Nitondra fanovana teo amin'ny toekarena, fiaraha-monina ary fomba fisainana tao Jamaika sy ny renim-paritra amin'ny ankapobeny ny fanafoanana ny fanandevozana tamin'ny 1834, ary fanombohan'ny fisarahan'ny fomba fiasan'izy ireo tamin'ny firenena nanjanaka teo aloha. Nanao izay hampahafantarana ny fikasany ireo zaratany karaiba tamin'ny fiandohan'ny taona 1958, rehefa niara-dalana hanangana ny Federasiona Indiana Andrefana [2], izay natao ho andrim-panjakana tokana ara-politika miasa tsy ao anatin'ny fanapahana Britanika. Tsy nahomby anefa ny fifanarahana — amin'ny ampahany noho ny tsy fahafahampon'i Jamaika amin'ny fiadan'ny fizorana mankany amin'ny fahaleovantena — ary dia levona tao anatin'ny fotoana fohy ny federasiona, ka manome alalana ireo firenena tsirairay mpikambana ao aminy hively araka izay itiavany azy ny fatoran'ny fanapahan'ny fanjanahantany. Jamaika sy Trinite sy Tobago no voalohany nahomby, ka lasa fanjakana mahaleotena tamin'ny 6 aogositra ny voalohany ary 30 aogositra 1962 ny faharoa. Nanaraka ho azy ireo nosy hafa tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1980.

Saingy tsy nisosasosa hoazy tsy akory ny lalana mankany amin'ny fizakantena. Tsy mahatsapa lalina ny fihevitry ny faritra iray nizaka fanitsakitsahana ny zon'olombelona naharitra an-jato taonany sy ny fiantraikan'izany izay mbola hiaretana mandraka ankehitriny ny rafitra parlemanteran'i Westminster [3], izay miorina mafy amin'ny fanoheran'ny vahoaka. Mbola mitoetra ho zana-tohatra voalohany mila andalovana ny fanabeazana ny vahoaka izay ara-tantara dia tsy nanan-jo hiteny mihitsy hatramin'izay, indrindra ao anatin'izao toe-draharaha efa manakenda sahady amin'izao fotoana izao.

Mandritra ny faha-52 taona nahazoan'ny firenena fahaleovantena avy amin'ny fanapahana britanika, misy blaogera anankiroa namakafaka ny dikan'izany fotoana izany.

Jean Lowrie-Chin [4], izay mandahatra ao amin'ny lahatsoratra navoakany ireo zavatra tsara ananan'ny nosy ka mampitaha izany amin'ireo firenena hafa mampalahelo kokoa, no manonona ny fahatanjahan'ny demokrasia, ny fahalalahan'ny gazety ary ny ‘maha-loharanonkarena’ ny olona ao aminy ho zavatra mila ankalazaina manoloana ny fahasarotan'ny toe-draharaha ara-toekarena:

I will listen to no ‘grinches’ today, those cynics trying to steal my joy in Emancipation and Independence. We keep talking ourselves into this ditch of despair, instead of raising our voices in thanks for our many blessings. If you think we are badly off, please check the international newscasts, where countries are at war and an airplane of ordinary passengers with everyday plans is shot out of the sky.

Tsy hihaino ireo ‘mpiherongerona’ aho anio, ry zareo tsy misaina afa-tsy ny lafiratsin-javatra ataon'olombelona ka mitady hanendaka ny hafaliako amin'ny fahafahana tsy ho andevo sy amin'ny fahaleovantena. Mbola variana miresaka amin'ity singam-pahadisoam-panantenana ity isika, fa tsy manandratra ny feontsika hisaotra noho ny fahasoavana marobe azontsika. Raha mieritreritra ianareo hoe ratsy toerana isika, dia mba hamarino kely ange ny vaovao iraisampirenena azafady, fa misy firenena miady any ary fiaramanidina mitondra olon-tsotra mizotra eo isan'andro no misy mitifitra eny an'habakabaka eny.

Niresaka momba ny fandrosoan'ny firenena ilay mpiray tanindrazana aminy Nadine Tomlinson [5] ary manontany tena raha afa-mirehareha amin'ilay izy “olondehibe” amin'izao fotoana izao ilay Jamaika “zaza” tamin'ny 1962. Mitovy hevitra amin'i Lowrie-Chin izy amin'ilay hoe ao amin'ny mponina ao aminy no misy ny loharanonkarena lehibe indrindra ao amin'ny nosy, saingy nanolo-kevitra fa mbola voatazona tsy hahatratra ny heriny manontolo ny Jamaikana noho ny “toe-tsaim-panandevozana”, ankoatra ny hitany fa “vaindohan-draharaha amin'ny fampivoarana ny toe-tsaina iraisan'ny fiaraha-monina.”