- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Ara-dalàna Intsony Ity Dokam-barotry Ny Hena Ao Rosia Ity

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hehy, Mediam-bahoaka, Sivana, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet
Daddy Can. A still from Ostankino's meat product advertisement, now banned in Russia. YouTube. [1]

Kapoakan'i Dada. Voaràra ao Rosia ankehitriny ny dokambarotry ny hena Ostankino. YouTube.

Noràran’ [2]ny governemanta Rosiana ilay dokambarotra hena malaza Ostankino. Mampiseho raim-pianakaviana mitondra ny zanany lahy hiasa, ary mitondra kamiao mpaninjara hena Ostankino manavatsava lalana feno olona tsy am-pitandremana ilay dokambarotra mitondra ny lohateny hoe “Kapoakan'i Dada”.

The Russian government has banned [2] a popular advertisement for Ostankino meat products. The ad, titled “Daddy Can,” features a father taking his son to work, recklessly driving an Ostankino meat delivery truck through crowded streets.

Tamina fanambarana navoaka androany vao maraina, nanambara ny Sampan-draharaha Federaly Manohitra ny Ampihimamba  (Anti-monopole) ao Rosia fa nolazain'ny polisy ho manitsakitsaka ny lalànan'ny dokambarotra ao Rosia izay mandràra fampisehoana fihetsika tsy ara-dalàna, anisan'izany ny fanitsakitsahana ny lalànan'ny fifamoivozana sy ny fihetsika mampidi-doza hoan'ny ankizy ilay dokambarotra.

Efa nandeha nandritra ny taona maro ny dokambarotra “Kapoakan'i Dada” Ostankino. Matetika ireo dokambarotra midera ireo raim-pianakaviana noho ny fitondrantena tsy maotina saingy mahafinaritra, tahaka ny mihinana be am-bosika [3] sy manangona tsy am-piheverana sakafo be dia be [4].

Manoloana ny fandraràna ilay dokambarotra fitondrana kamiao “Kapoakan'i Dada”, tsara ny mahafantatra raha nitaky tamin'ny Youtube ny governemanta mba hamafa ny kopian'ny lahatsary ao amin'ny Youtube, izay efa nahazo mpijery an-jatony maro.