- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miantraika Amin'ireo Mpiasa sy Mpivezivezy Ny “Adin'Haban-dalana” Eo Amin'i Singapore Sy i Malayzia

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Singapaoro, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika
Singapore-Johor Causeway. Photo from Wikipedia [1]

Fefiloha ao Singapore-Johor. Sary tao amin'ny Wikipedia

Mampiasa ny fefiloha mampifandray an'i Malayzia-Singapore, izay mampitohy ny tanànan'i Johor ao Malayzia sy ny tanàndehiben'i Woodlands ao Singapore ireo mpiasa, mpianatra, mpivarotra ary mpizaha tany an'arivony. Nanjary nahatonga azy ho zotran-dalana sy tetezana iankinan'ny ain-dehibe hoan'ny firenena roa tonta izany. Misy ny haban-dalana alain'ny roa tonta amin'ny fiampitàna izany lalana izany ho fikojakojana ny lalana sy handaminana ny fidiran'ireo fiara.

Nampiakatra [2]ny saran'ny fahazoan-dalana miditra hoan'ny fiara (VEP) i Singapore tamin'ny 1 Aogositra. I Malayzia kosa tetsy andaniny, namaly tamin'ny fampiakarana ny saran'ny fiampitàna ao akaikin'ny fefiloha. Nidangana [3] tampoka manakaiky ny 400 isanjato teo ny saran'ny fiampitàna amin'ny fefiloha.

Nitaraina avy hatrany amin'ny fiantraikan'ny haban-dalana lafo dia lafo [4] eo amin'ny toekarana natiny ireo mpiserasera tao Singapore. Nampitandrina [5] ilay bilaogera “Better off Ted”, fa hiteraka olana goavana eo amin'ny varotra eo amin'ireo firenena roa tonta izany.

These toll hikes are poorly thought out and will just hurt businesses and trade. Your food, raw material imports are going to be more expensive as traders claim that they need to recover their costs.

Tsy natao am-pisainana araka ny tokony ho izy itony fiakaran'ny haban-dalana itony ary hiteraka olana eo amin'ny fandraharahana sy ny varotra. Hisondrotra ny vidin-tsakafonao sy ny akora nohafarana satria hilaza ireo mpivarotra fa mila manonitra ny vola lanin'izy ireo (haba).

Nilaza i Jeff Cuellar fa efa niteraka fangirifiriana maro ny “adin'ny saran-dalana” [6] amin'ny fefiloha :

The causeway is more than just a bridge – it’s a link between the two countries that accounts for plenty of commerce going both ways. Both sides should have known that any toll/fee increase from one side would elicit a reactionary “I’ll raise my toll too!” response from the other.

Now, we’re all caught in something of a “price war” that’ll only end up hurting everyone in the end.     

Tsy vitany hoe tetezana ihany ilay fefiloha- fa mampifandray ny firenena roa tonta izay iankinan'ireo varotra marobe mandalo amin'ireo arabe mandroso sy miverina ireo. Tokony ho fantatry ny roa tonta fa ny fampakarana sara na haban-dalana ataon'ny andaniny dia mety hiteraka setriny avy amin'ny ankilany hoe “hampiakariko ihany koa ny haban-dalako!”.

Ankehitriny, tafiditra ao anatin'ny karazana “adin'ny saran-dalana ” isika izay hiafara amin'ny fandratràna ny rehetra.

Ao Malayzia, saofera bus teo amin'ny 100 teo no nandà [7]tsy handòa ilay haban-dalana vaovao tamin'ny 1 Aogositra, ka niteraka fitohanana goavana. Niparitaka izy ireo avy eo rehefa nampanantena ny manampahefana ao an-toerana fa handinika indray ny tahan'ilay haba. Noho ny “fitokonan'ireo bus”, dia mpivezivezy an'arivony no nihitsoka tao amin'ny fefiloha ary voatery nandeha tongotra [8] mba hihazo an'i Singapore.

Nandeha an-tongotra manerana ny fefiloha mankany Singapore ireo mpivezivezy rehefa nihitsoka tao JB misy ny fitokonan'ny bus  http://t.co/jiRCZmYQH3 [9] pic.twitter.com/AKLrAEYnLu [10]

Fitokonan'ny bus manerana ny fefiloha noho ny fiakaran'ny haban-dalana hiditra hoan'ny fiara #malaysia [12] #singapore [13] #causeway [14] pic.twitter.com/3RQjPYGFLQ [15]

Nandeha tongotra manavatsava ny fefiloha ireo Malayziana tafahitsoka: JOHOR BARU: Malayziana an-jatony no nihitsoka tao…http://t.co/HQ1bXES1eS [17] pic.twitter.com/p06ijmC3K9 [18]

Tokony hisokatra hoan'ny olona mandeha an-tongotra ao Singapore ny tetezan'i Johor mba hifanindran-dalana amin'ireo mitondra fiara sy mandòa vola.

C.N. Chong nanoratra taratasy tao amin'ny Star, gazety mpivoaka isan'andro ao Malayzia, manazava [21] ny fiantraikan'ny fampakarana ny haban-dalana eo amin'ireo mpiasa:

Paying such a large amount on a daily basis is already bad enough. Not every one of us daily commuters are rich simply because we are earning Singapore Dollars

We daily commuters certainly are a “trapped” bunch of people. The Singaporean tourists, weekend travellers and those coming over for business could consolidate and cut down on the number of trips in view of the exorbitant toll.

But the daily commuters, being working people cannot cut down on the numbers days they want to work.

Efa ratsy ihany ny fandoavana volabe tahaka izany isan'andro. Tsy hoe manankarena isika rehetra mpivezivezy isan'andro ao satria mandray Dolara Singapore

Andian'olona “voafandrika” tokoa isika mpivezivezy isan'andro ao. Afaka manamafy sy mampihena ny isan'ny fivezivezen'izy ireo noho ny fidangan'ny haban-dalana ireo Singaporeana mpizahatany , mpitsangatsangana isa-kerinandro sy ireo izay tonga hanao bizina.

Saingy tsy afaka mampihena ny isan'ireo andro tiany hiasany kosa ireo mpivezivezy isan'andro eo, izay olona miasa avokoa.

Steven Choong avy ao amin'ny Antokon'ny Rariny hoan'ny vahoaka [mpanohitra] nitaky [22]ny mangarahara mikasika ny fanapahan-kevitra hampiakarana ny haban-dalana :

We Johoreans have never witnessed any obvious major maintenance work done on the Causeway in the last 25-30 years since the toll was first collected.

The rakyat [people] deserve accountability from all the ministries and departments involved and the income and expenditure accounts must be declared for public scrutiny immediately.

Mbola tsy nanatri-maso fikojakojana goavana tao amin'ny fefiloha mihitsy izahay Johoreana tao anatin'ny 25-30 taona hatramin'ny nanangonana ny haban-dalana.

Mendrika hahafantatra ny mangarahara avy amin'ireo minisitera sy departemanta tompon'andraikitra ny vahoaka ary tokony ambara mba hamarinin'ny vahoaka avy hatrany ny totalin'ny vola miditra sy ny vola mivoaka.

Hiteraka fidiram-bola sy tombotsoa miavosa eo amin'i Singapour sy Malayzia ny “ady haban-dalana”, saingy tokony hodinihan’ [23]ny firenena roa tonta kosa indray ny fiantraikan'izany ao anatin'ny fotoana maharitra eo amin'ny toekaren'ny roa tonta.