Hopitaly valo, toeram-pitsaboana sivy ary fiara 14 fitaterana marary no voadaroka baomba hatramin'ny nanombohan'ny fanafihan'i Israely ny tandavan-tanin'i Gaza, feno vahoaka, mirefy 40 km, tery ary iainanà Palestiniana 1,8 tapitrisa. Ny Praiminisitra Britanika David Cameron aza moa dia nilaza an'i Gaza hoe ‘ fonja tafo lanitra’
Mpiasan'ny fahasalamana ny efatra amin'ireo 1.000 maty sy ny 14 amin'ireo 6.000 naratra nandritra izay 20 andro izay araka ny tatitra nataon'ny Minisitry ny fahasalamana any Gaza.
Nahavoa ireo faritra fonenan'olon-tsotra sy sekoly ary toeram-pialokalofana ihany koa ny tifitra nataon'ny fiaramanidina mpiady sy ny fiara mifono vy Israeliana. Vinavinain'ny Firenena Mikambana ho maherin'ny 74 isan-jaton'ireo maty no olon-tsotra.
Na dia ampihorohoroan'ny baomba aza dia mbola mahavita asa mahagaga ihany ny mpitsabo toa an-dry Bassel Abuward, Belal, Saeed Kanafany, ary Mads Gilbert ao amin'ny hopitaly Al-Shifa, hopitaly lehibe indrindra ao Gaza.
Just Now in Gaza, a baby born from dead mother who has been killed by Israeli army A LIFE FROM DEATH #GazaUnderAttack pic.twitter.com/0bAEKynrd4
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 25, 2014
Amin'izao fotoana izao ao Gaza dia misy zaza teraka avy aminà reny matin'ny tafika Israeliana. AINA IRAY AVY AMIN'NY FAHAFATESANA.
Olon-tsotra an-jatony no mitady famonjena any Al-Shifa, araka ny tatitry ny Firenena Mikambana any Gaza tamin'ny 20 Jona :
Vao mainka manaratsy ny toe-draharaha eo amin'ny sehatry ny fahasalamana efa mikorosy ao Gaza ny fifandonana farany teo ka mampitombo ny vesatra lanjain'ireo mpitsabo sy ny mpiasan'ny fahasalamana efa mizaka ny tsy eran'ny aina.
Ity no ady fahatelo natrehan'ny mponin'i Gaza tao anatin'ny dimy taona sy tapany. Tahaka ny teo aloha ihany dia tsy misy toerana azon'ireo vehivavy, lehilahy ary ankizy handosirana. Tena feno olona ny tandavan-tanin'i Gaza ary ilay sàkana napetraky ny Israeliana nandritra ny fito taona dia midika fa “voarara” ny fivezivezena avy any sy mankany Gaza.
Vavolombelon'ny loza goavana miseho ireo mpitsabo ao amin'ny hopitaly feno olon'i Al-Shifa. Olona maro no indray tsaboina amin'ny farafara iray ao amin'ny trano fitsaboana vonjy taitra. Betsaka ireo zaza vao teraka no maty noho ny tsy fahampian'ny fikarakarana sahaza.
Israel is trying to destroy #Gaza future by killing most of our children & making the rest disabled #GazaUnderAttack pic.twitter.com/KlP3BPJMBJ
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 24, 2014
Andraman'i Israely ravàna amin'ny famonoana ny zanakay sy ny fanaovana ny sisa ho kilemaina ny ho avin'i #Gaza
Tamin'ny andro iray manokana nihoson-dra noho ny fanafihana nikendrena an'i Shejaiya, faritra iray amin'ireo tena be mponina any Gaza dia izao no bitsika nalefan'ny solontenan'ny NBC avy any Shifa :
In 13 years, I have never seen or smelt death the way I have seen and smelt it on bodies dragged from Shejaiya into the Shifa morgue today
— Ayman Mohyeldin (@AymanM) July 26, 2014
Tsy mbola nahita na nahatsapa fahafatesana tahaka izay hitako sy tsapako amin'ireto vatana taritina avy any Shejaiya ho any amin'ny tranom-patin'i Shifa androany ireto aho tao anatin'ny 13 taona
Tsy mamonjy aina ihany no ataon'ny mpitsabo fa mitantara ny halehiben'ny loza any Gaza ho an'izao tontolo izao ihany koa ry zareo amin'ny alàlan'ny fibitsihana ny zava-miseho ao amin'ny trano fandraisana vonjy taitra sy ny faharavana hitany eny an-dàlam-podiana na handeha hiasa, eo am-piandrasana ny anjara fiandrasany raharaha.
@BelalMd12
Nibitsika ao amin'ny @Belalmd12 i Belal, mpitoraka bilaogy sady mpitsabo, eo am-piandrasana ny anjara fiandrasany raharaha, ary eo ambany baomba. Niseho tamin'ny fandaharana Democracy Now tamin'ny TV mahaleotena Amerikana izy ary nanoratra tantara mahavaky fo ho an'ny “Electronic Intifada”, vohikala iray filazam-baovao amin'ny aterineto izay mifantoka indrindra amin'i Palestina sy ny vahoakany :
Olona am-polony no tonga tao amin'ny hopitalin'i al-Shifa any Gaza tamin'ity alina ity, fotoana niandrasako. Potipotika ny sasany , tapa-doha ny sasany, ary tsy misy endrika ahalalana azy intsony ny sasany na dia mbola velona sy miaina aza […] Tsara vintana izay mpiasan'ny fahasalamana afaka manana fotoana hakana aina kely tsy ampy antsasakadiny akory. Ny sasany mandany izany amin'ny fijerena ireo lelafo sy baomba alefan'i Israely any amin'ny faritra atsinanan'i Gaza, ny sasany kosa maka hery amin'ny kafe ary ny sasany mitsotra fotoana fohy amin'ny tany.
Ireto ny bitsika sasany avy aminy :
My shift ended as of 9 am and I am free to tweet as much as I desire, as long as I am still alive of course.
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 24, 2014
Vita tamin'ny 9 maraina ny anjara fiandrasako ary dia malalaka hibitsika araka izay tiako aho raha mbola velona koa, mazava loatra.
A casualty arrives at the hospital. The doctor discovers it's his martyred son. He takes one last photo. #Gaza pic.twitter.com/naBiWJhrzx
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 25, 2014
Nisy faty iray nentina tao amin'ny hopitaly. Hitan'ilay mpitsabo fa ny zanany lahy lasa maritiora io. Naka sary azy farany izy.
They tell them to evacuate, and they target them when they do. Israel has just targeted a UNRWA school where people were taking shelter.
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 24, 2014
Asain-dry zareo mifindra toerana izy ireo, ary ary ataon-dry zareo lasibatra rehefa manaraka an'izany. Nokendren'i Israely ny sekoly UNRWA izay nialofan'ny olona.
IDF spokesperson brags, says 120 bombs fell on Alshujaeya, each one of them weighing 1 ton of ezplosives. Save that tweet for ICC.
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 23, 2014
Mirehareha ny mpitondratenin'ny IDF ary nilaza fa baomba 120 no nianjera tao Alshujaeya, milanja 1 taonina ny baomba tsirairay. Tehirizo ity bitsika ity ho an'ny ICC ( Fitsarana Iraisam-pirenena)
Red Cross bailed on people and stopped responding to their phone numbers. What are you here for then? Organizing picnics? #GazaUnderAttack
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 20, 2014
Navelan'ny vokovoko mena fotsiny amin'izao ny olona ary tsy namaly antso amin'ny findainy ry zareo. Inona izany no antom-pisianareo aty ? Mitsangatsangana ?
Izao no nobitsihany rehefa voatifitra sy matin'ny fitaovam-piadiana an'habakabaka Israeliana tonga lafatra ireto ankizilahy Palestiniana efatra nilalao teo amoron-dranomasina :
8 of their few years on this earth were lived under siege. They never had a chance to see the world; the world never cared or waited.
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 16, 2014
8 tamin'ireo taona vitsy niainan-dry zareo no niainany tanaty fahirano. Tsy mba nanam-bintana velively hijery izao tontolo izao ry zareo ; izao tontolo izao izay tsy niasa saina velively ary tsy niandry
This is Beit Hanoun hospital, it had the same fate as European Gaza hospital, Al-Aqsa hospital and Al-Durra hospital. pic.twitter.com/5prKX22ezf
— Belal – Gaza (@Belalmd12) July 26, 2014
Ity ny hopitalin'i Beit Hanoun, nitovy tamin'ny nanjo ny hopitaly Eoropeana tao Gaza, Al-Aqsa sy ny hopitaly Al-Durra.
@DrBasselAbuward
Nibitsika sarinà hopitaly, faharavana manodidina an'i Gaza ary namerina nibitsika ireo hafatra maneho firaisankina sy fanohanana maneran-tany i Dr. Bassel Abuward.
Thousands of people demonstrated for #Gaza on the streets of Chicago today Thank u #GazaUnderAttack #ICC4Israel pic.twitter.com/OoX8lt5F0w
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 27, 2014
Olona an'arivony no manao fihetsiketsehana ho an'i #Gaza teny amin'n araben'i Chicago androany. Misaotra.
I remember being shocked by Syria's devastation. What I saw today in Gaza was virtually indistinguishable #ICC4Israel pic.twitter.com/rUHCETbGsh
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 26, 2014
Tsaroako ny hatezerako tamin'ny nandravana an'i Syria. Mitovy amin'izany ihany no hitako eto Gaza amin'izao fotoana izao.
A father & his son went to check their house and found this!!!! This picture worths a thousand words #GazaUnderAttack pic.twitter.com/75kTd458tU
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 26, 2014
Raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy nandeha nijery ny tranony ary dia izao no hitany!!!! Sary mendrika teny arivo izao sary izao
The WORST experience in my life was: to tell a mother looking for her children that they r all DEAD #GazaUnderAttack pic.twitter.com/Djvhogbn2w
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 25, 2014
Ny zavatra RATSY indrindra niainako dia ny nilaza taminà reny iray nitady ny zanany hoe MATY daholo ry zareo
AlDurrah Children's Hospital in #Gaza severely damaged by nearby airstrike Yesterday 30injured,1dead #GazaUnderAttack pic.twitter.com/llCtCsFHva
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 25, 2014
Hopitalin-jaza AlDurrah any #Gaza niharam-pahavoazana goavana noho ny tifitra akaiky natao taminà fiaramanidina omaly. 30 no naratra ary 1 maty
Due to the high numbers of injuries, more than one patients r treated on the same bed CHILDREN again #GazaUnderAttack pic.twitter.com/26XV6TCHZJ
— Dr.Bassel Abuwarda (@DrBasselAbuward) July 25, 2014
Noho ny hamaroan'ireo maratra, mihoatra ny iray ireo marary tsaboina ambony farafara iray Mbola ANKIZY indray
@DrSaeedKanafany
Dr. Saeed Kanafy kosa nibitsika ny momba ireo zava-doza sy ny zava-misy iainan'ny mpiasan'ny fahasalamana.
Paramedic martyr Mohammed Al Abadlah now between God hands 🙁 As i said all red lines are crossed #GazaUnderAttack pic.twitter.com/RiMo7hRzTg
— saeed (@drsaeedkanafany) July 25, 2014
Eo an-tanan'Andriamanitra ilay mpitsabo mpanampy martiora Al Abadlah amin'izao fotoana izao : (araka ny nolazaiko dia voadika ny tsipika mena)
Beit Hanoun Hospital under attack now. Israel cross all red lines even the Hospitals #SupportGaza #AJAGAZA
— saeed (@drsaeedkanafany) July 25, 2014
Iharam-pahafihana ny hopitalin'i Beit Hanoun amin'izao fotoana izao. Dikain'i Israely avokoa ireo tsipika mena eny fa na hatramin'ny Hopitaly aza
This is how doctors in Gaza drink water #GazaUnderAttack #SupportGaza pic.twitter.com/Aqv5HcDIxk
— saeed (@drsaeedkanafany) July 25, 2014
Tahaka izao no fomba fisotroan'ny mpitsabo rano any Gaza
Manome 3,1 lavitrisa dolara an'i Israely isan-taona i Etazonia ho fiaraha-miasa ara-miaramila. Isaky ny manao fanafihana fandravana sy famonoana any Gaza ny miaramila Israeliana- ity no fanintelona tao anatin'ny enin-taona- ny UNRWA, antokon-draharaha misahana ny maha-olona vatsian'ny Amerikana, no mizaka ny vokany.
Dr. Mads Frederick Gilbert
Namoaka taratasy misokatra ho an'ny Filoha Obama ilay dokotera Norveziana, ny Dr. Mads Frederick Gilbert, izay miara-miasa amin'i Saeed sy Bilal ao amin'ny hopitaly Al-Shafa tamin'ny 17 Jolay. Nanjary nalaza io taratasy io ary naverina navoaka taminà vohikala maro :
‘ Manana fo mitempo ve ianao Atoa Obama ?
Manasa anao aho, handany alina iray, indray alina fotsiny, hiaraka aminay aty Shifa. Manova endrika ho mpamafa trano, angamba.
Inoako 100% fa hanova ny tantara izany.
Tsy misy olona manana fo mitempo SY fahefana afaka mivoaka indray alina fotsiny ao Shifa ka tsy hanam-piniavana hampitsahatra ny famonoana atao amin'ny vahoaka Palestiniana.