Guyana : Mitsingilahila Ny Minisitry Ny Raharaham-Bahiny Voatsikeran'ny Masoivoho Amerikana Tsy Nahavita Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina

A street in Georgetown, Guyana. Photo from Wikipedia Commons.

Làlana iray any Georgetown, Guyana. Sary ao amin'ny Wikipedia Commons.

Voakiana mafyny mpisolo toerana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Guyana, Priya Manickchand  noho ireo faehoankevitra mandratra nataony tamin'ny Masoivohon'i Etazonia any Guyana efa tapitra fe-potoana fiasana, D. Brent Hardt nandritry ny fety fankalazana ny fahaleovantenan'i Etazonia tao amin'ny fonenany tao Georgetown. 

Novalian'i Manickchand ny tsikera nataon'i Hardt momba ny fitantanan'ny antokon'ny vahoaka liam-pandrosoana (PPP) eo amin'ny fitondràna ankehitriny  tamin'ny tsy nahavitàny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsainy nandritra ny 20 taona. Nampangainy ihany koa ireo haino aman-jerin'ny mpanohitra sy ny masoivoho mpiara-miasa tamin'ny nanohanany ny ” famelezan'i Hardt ny filoha sy ny governemanta”.

Ary mbola notohizany hoe :

Tahaka ny Filohany Barack Obama, dia misy ny tsipika mena. Nandika izany tsipika izany ity Masoivoho ity. Tsy mba tahaka ny Filohany, tapa-kevitra izahay, sady mbola manolo-tsaina ireo mpiara-miombon'antoka aminay izay mifanaraka aminay sy mifamatotra aminay, io no tsipika menanay.  Tsy azo leferina ny fitondrantena tahaka izany eo amin'ny fifanajàn'ny andaniny sy ny ankilany, ny fifandraisana diplomatika ary ny fiaraha-miasa eo amin'ny samy governemanta.

Nahatonga ny horakoraka avy amin'ny mpanotrona izany fanambaran'i Manickchand izany :

Maro ireo mpaneh hevitra no nampiasa io zava-niseho io mba hilazany ny tsy hafaliany amin'ny  Minisitra sy ny Antokon'ny Vahoaka Liam-pandrosoana, izay eo amin'ny fitondrana ny firenena, iray amin'ireo mahantra indrindra amin'ny ila-bolan-tany Andrefana hatramin'ny 1992.

Novalian'i Ruel Johnson ao amin'ny Facebook ny tsikera izay nilazàny fa niaro ny fiandrianam-pirenen'i Guyana ilay minisitra:

Tsy resaka fanarahana ambokony aseho an'i  Etazonia izany, fa mikasika ny Minisitra iray ao amin'ny governemanta izay tsy menatra mampiasa ny fiandrianana ho fitaovam-piadiana hanoherana ny iraka vahiny iray tamin'ny nitakiany zavatra iray izay tena tadiavin'ny vahoaka Guyane dia ny fifidianana ny mpitondra ao an-toerana (ben'ny taàna sy mpanolotsaina).  Angamba mety tsy hitanao ny ampahany izay nandaniany fotoana nanilihana ny ezaky ny  Blue CAPS, vondronà tanora Guyane. Ary ireo lesona tantara tsy misy ilàna azy rehetra ireo mba hilazàna fa mbola hotohizan'ny governemanta hatao z'inona ny antso hikarakarana fifidianana mpitondra ao an-toerana.  

Notsikerain'i Ralph Ramkarran, andry fahiny ho an'ny PPP ihany koa ilay hevitra : 

Nampangaina ho tsy nanaja ny Filoham-panjakana, ny filoha Ramotar, ny masoivoho Hardt tamin'ny fanamafisany izay heveriny fa toa tsy fifanarahana amin'ny lalàm-panorenana tamin'ny fiarovantenany. Notsipihany fa nolavin'ny Filoha Ramotar ny Volavolan-dalàna nataon'ny kaomisiona tao an-toerana satria tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana, nefa arovany ny tsy fanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsaina, izay manitsakitsaka ny Lalàm-panorenana.

Noho ny fahatokiana ireo valinteny “bontolo” nataonà ‘ mpiady’ iray nasaina tao an-tranon'ilay Masoivoho dia tsy afaka niaro ny toerany intsony ny Filoha nefa azony natao tsara izany.  Raha toa ka tsy mahazatra loatra ny fanamarihana imasom-bahoaka nataon'ilay masoivoho momba ny fifanoheran-javatra  ataon'ny filoha, dia andrasana ny fiarovantenan'izy ireo, izay tsy isalasalàna fa izany no andrasan'ilay Masoivoho ihany koa.

Map of Guyana. Wikipedia Commons.

Sarintanin'i Guyana. Wikipedia Commons.

Nalain'i Ramkarran ho ohatra ny tantaran'ny zava-nisy teo amin'ny Mpamorona ny PPP sy ny Filoha Dr. Cheddi Jagan, filohan'i Guyana taloha: 

Efa neken'i Guyana ny fitsabahana nisy teo aloha tamin'ny raharaha anatiny mifandraika amin'ny fifidianana. Nirian'i Cheddi Jagan ny fanohanana ny fifidianana malalaka sy mangarahara tao Guyana tamin'ny 1989  tao anatin'ilay taratasy nosoratany ho an'ny filoha George H.W. Bush. Ny Filoha Bush kosa, toy ny namaly na tsy niteny izany aza, nilaza ny fanantenany tamin'ny filoha Hoyte tamin'ny fetin'ny Repoblika ny 23 Febroary 1990 fa halalaka sy hangarahara ny fifidianana. Naverin'ny Departemantam-panjakana ilay hafatra ary ireo loholona enina kosa nanoratra tany amin'ny Sekreteram-panjakana James Baker nangataka ny fanampiana ataon'i Etazonia mba ho amin'ny resaka fifidianana malalaka sy mangarahara.

Mitovy amin'ny fihetsiky ny governemantanay amin'izao fotoana izao ny fihetsika voalohan'ny Filoha Hoyte tamin'i Filoha Bush sy ny taratasy avy amin'ilay Loholona efa maty, Edward Kennedy nitakiana zavatra mitovy. Nolazain'ny filoha Hoyte fa nariany tany amin'ny fioeram-pako ilay taratasin'iny Loholona Kennedy. Fa niditra an-tsehatra ny filoha Carter ary dia teo ambany fiahian'ny Amerikana mivantana no nanaovana ny fifidianana malalaka sy mangarahara. Ankoatry ny fifidianana solombavam-bahoaka dia niady ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsaina ihany koa ny PPP hatramin'ny 1970 raha toa ka mbola voafehy tao amin'ny PNC [ Kongresy Nasionalin'ny Vahoaka] izy ireo. Raha toa ka tsy mifanarakana amin'izany i Etazonia, ahoana ny momba an'i Guyana ?

Tena zava-dehibe ny fitanisàna an'i Dr Cheddi Jagan, tsy noho ny amin'ny maha-mpanorina ny PPP azy ihany, fa satria ihany koa tamin'ny fotoana naha- voafidy voalohany ny PPP tamin'ny 1953, nahanton'ireo manam-pahefana mpanjanaka izay Guiana Anglisy tamin'izany fotoana izany ny lalàm-panorenana noho ny tahony ny hery ankavian'i Jagan. Nampangaina koa i Angletera sy Etazonia ho nanery ny PPP hanaiky ny fifandanjan-kery nandritra ny fanelanelanana natao hahazoana fahaleovantena tamin'ny 1963

Tsapa tamin'izany fotoana izany fa ny  PNC ( Kongresy nasionalin'ny Vahoaka) tarihan'i Forbes Burnham no mpiara-miasa mahatoky kokoa noho ny PPP nandritra ny Ady Mangatsiaka. Nanova haingana ny endriky ny politika tany Guyana io fanapahan-kevitra io : ny  vahoaka Indo-Guyane no fototry ny PPP ary ny vahoaka Afro-Guyane kosa no mpanohana ny  PNC. Maro ny mpanohana ny PPP no mihevitra fa io fanapahan-kevitra hananganana rafitra fifandanjan-kery io no nandrava ny fanohanany sy fitaovana nanilihina an-dry zareo tsy ho eo amin'ny fitondrana. Izany no manazava ny antony mampiahiahy ny maro ao amin'ny PPP amin'izay heveriny ho fitsabahana ara-politika any Guyana ataon'ny avy any ivelany.

Maro ao amin'ny Twitter no nihevitra  fa tsy diplomatika ny tenin'i Manickchand :

Zatra ny mitia an'i Priya Manickchand aho fa mila seza betsaka izy. Tena tsy voafehy izy tato aoriana! TSY fotoana na toerana hanaovana izany izao

Tsy maintsy miala tsiny amin'i Brent Hardt, Masoivohon'i Etazonia,  ny governemantan'i Guyana. Zay.

Manaporofo ny tsy fananany diplaomasia ny fihetsik'i Priya Manickchand tamin'ny Masoivohon'i Etazonia, D Brent. #politicians #guyana

Nasain'i David Granger, mpitarika ny mpanohitra, niala tsiny noho ireo fanambaràna nataony i Manickchand miarakana amin'ny antoko politika lehibe fahatelo, ny Alliance For Change ( Fiarahana noho ny  Fiovana) (AFC)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.