- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amafisin'i Shina Amin'ny Fanoratana Ny Tena Anarana Ny Fanaraha-Maso Ny Fandefasan-Kafatra Ao Amin'ny WeChat

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sivana, Teknolojia
WeChat logo. Photo by Flickr user ldjjj. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Fangon'ny WeChat. Saripikan'ny mpisera Flickr ldjjj. CC BY-NC-ND 2.0

Namoaka [2] fitsipika vaovao mitaky amin'ny orinasam-pandefasan-kafatra rehetra hametraka ny tena anarany amin'ny fisoratana anarana, ezaka ikendrena manokana ny fampiharana fandefasan-kafatra malaza indrindra ao Shina antsoina hoe WeChat, indray ny fahefana misahana ny aterineto ao Shina.

Milaza ilay fitsipika avy amin'ny Biraom-Panjakana Misahana ny Vaovao an'Aterineto tamin'ny 7 aogositra 2014 fa afa-mampiasa solon'anarana hatrany ny mpiserasera eo ampanoratana hitan'ny hafa, saingy tsy maintsy mampiasa ny tena anarana amin'ny fisoratana anarana ao ambadika tsy hitan'ny hafa. Lazainy [3] fa natao izao “hampiroboroboana ny fivelarana mety sy voarindran'ny sampan-draharaham-baovao ho an'ny vahoaka, hiarovana ny zo sy ny tombontsoan'ny olom-pirenena, ny fikambanana sy ny vondron'olona mijoro ara-dalàna, ary hitandroana ny fiarovam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka.”

Lazain'ny fitsipika vaovao ihany koa fa ny kaontin'ny mpampita vaovao ofisialy ihany no afa-mamoaka vaovao politika; izay kaonty hitam-bahoaka hafa te-hamoaka vaovao politika dia mila fankatoavana mialoha. Ny kaonty hitam-bahoaka WeChat dia ampiasain'olo-tsotra na orinasa te-hizara vaovao amin'ny mpisoratra anarana aminy. Noho ny lazan'ny WeChat, dia lasa loharanom-baovao ho an'ny vahoaka shinoa ry zareo ireo. 

Nihanalaza ny WeChat hatramin'ny 2012 ary ahitana mpiserasera mavitrika manakaiky ny 400 tapitrisa amin'izao fotoana izao. Nandritra ny fanenjehana WeChat [4] tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nihoatra ny 100 ny kaonty hitam-bahoaka nakatona.  

Taorian'ny nanambarana ny vaovao, misy ny mahita azy ho fanitsakitsahana ny fiainan'olona manokana, ary maro no manahy fa mety hanaraha-maso ireo mpiserasera mampiely ny vaovao mitsikera ny governemanta izy ity. Misy manapahefana avy amin'ny Biraom-Panjakana Misahana ny Vaovao an'Aterineto notsongain'ny Beijing News [5] nilaza hoe, “Ny fitsipika dia natao hiarovana ny fahalalaham-pitenenan'ny olom-pirenena.”

Hatramin'ny Mey 2014, niezaka ny hanamarina ny tena anaran'ny (mari-panondroan'ny) mpiserasera ao ambadiky ny kaonty hitam-bahoaka ny orinasa Tencent akaiky azy amin'ny fanerena ny mpitazona ireo kaonty hitam-bahoaka handefa ny mari-panondroana sy ny fampafantarana ny finday. Mialoha ny andefasana ny hafatra any amin'ny mpisoratra anarana aminy, dia tsy maintsy mi-scan ny kaodiny WeChat manokana ny mpamelona kaonty hitam-bahoaka iray. Amin'izay fotoana izay dia azon'ny Tencent fantarina hatrany hoe iza no mampiely ny hafatra “tsy ara-dalàna”. 

Efa nisy fanambarana tahaka izao ihany koa natao ho an'ilay mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo tamin'ny herintaona. Na dia mahita lalan-kafa hihodidinana ny lalàna [6] aza ny olona, dia nisy fiantraikany mangidy nanerana ny firenena ihany ny famoretana ny kaonty hitam-bahoaka tao amin'ny Sina Weibo. Amin'izao famoretana vaovao atao amin'ny fampiharana finday izao, dia ampirisihana hijery tsara ny teniny ny olona mialoha ny hamoahany zavatra mety hanohintohina ao amin'ny WeChat.