Amafisin'i Shina Amin'ny Fanoratana Ny Tena Anarana Ny Fanaraha-Maso Ny Fandefasan-Kafatra Ao Amin'ny WeChat

WeChat logo. Photo by Flickr user ldjjj. CC BY-NC-ND 2.0

Fangon'ny WeChat. Saripikan'ny mpisera Flickr ldjjj. CC BY-NC-ND 2.0

Namoaka fitsipika vaovao mitaky amin'ny orinasam-pandefasan-kafatra rehetra hametraka ny tena anarany amin'ny fisoratana anarana, ezaka ikendrena manokana ny fampiharana fandefasan-kafatra malaza indrindra ao Shina antsoina hoe WeChat, indray ny fahefana misahana ny aterineto ao Shina.

Milaza ilay fitsipika avy amin'ny Biraom-Panjakana Misahana ny Vaovao an'Aterineto tamin'ny 7 aogositra 2014 fa afa-mampiasa solon'anarana hatrany ny mpiserasera eo ampanoratana hitan'ny hafa, saingy tsy maintsy mampiasa ny tena anarana amin'ny fisoratana anarana ao ambadika tsy hitan'ny hafa. Lazainy fa natao izao “hampiroboroboana ny fivelarana mety sy voarindran'ny sampan-draharaham-baovao ho an'ny vahoaka, hiarovana ny zo sy ny tombontsoan'ny olom-pirenena, ny fikambanana sy ny vondron'olona mijoro ara-dalàna, ary hitandroana ny fiarovam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka.”

Lazain'ny fitsipika vaovao ihany koa fa ny kaontin'ny mpampita vaovao ofisialy ihany no afa-mamoaka vaovao politika; izay kaonty hitam-bahoaka hafa te-hamoaka vaovao politika dia mila fankatoavana mialoha. Ny kaonty hitam-bahoaka WeChat dia ampiasain'olo-tsotra na orinasa te-hizara vaovao amin'ny mpisoratra anarana aminy. Noho ny lazan'ny WeChat, dia lasa loharanom-baovao ho an'ny vahoaka shinoa ry zareo ireo. 

Nihanalaza ny WeChat hatramin'ny 2012 ary ahitana mpiserasera mavitrika manakaiky ny 400 tapitrisa amin'izao fotoana izao. Nandritra ny fanenjehana WeChat tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nihoatra ny 100 ny kaonty hitam-bahoaka nakatona.  

Taorian'ny nanambarana ny vaovao, misy ny mahita azy ho fanitsakitsahana ny fiainan'olona manokana, ary maro no manahy fa mety hanaraha-maso ireo mpiserasera mampiely ny vaovao mitsikera ny governemanta izy ity. Misy manapahefana avy amin'ny Biraom-Panjakana Misahana ny Vaovao an'Aterineto notsongain'ny Beijing News nilaza hoe, “Ny fitsipika dia natao hiarovana ny fahalalaham-pitenenan'ny olom-pirenena.”

Hatramin'ny Mey 2014, niezaka ny hanamarina ny tena anaran'ny (mari-panondroan'ny) mpiserasera ao ambadiky ny kaonty hitam-bahoaka ny orinasa Tencent akaiky azy amin'ny fanerena ny mpitazona ireo kaonty hitam-bahoaka handefa ny mari-panondroana sy ny fampafantarana ny finday. Mialoha ny andefasana ny hafatra any amin'ny mpisoratra anarana aminy, dia tsy maintsy mi-scan ny kaodiny WeChat manokana ny mpamelona kaonty hitam-bahoaka iray. Amin'izay fotoana izay dia azon'ny Tencent fantarina hatrany hoe iza no mampiely ny hafatra “tsy ara-dalàna”. 

Efa nisy fanambarana tahaka izao ihany koa natao ho an'ilay mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo tamin'ny herintaona. Na dia mahita lalan-kafa hihodidinana ny lalàna aza ny olona, dia nisy fiantraikany mangidy nanerana ny firenena ihany ny famoretana ny kaonty hitam-bahoaka tao amin'ny Sina Weibo. Amin'izao famoretana vaovao atao amin'ny fampiharana finday izao, dia ampirisihana hijery tsara ny teniny ny olona mialoha ny hamoahany zavatra mety hanohintohina ao amin'ny WeChat. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.