- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofafana Noho Ny Fitarainana Maro Ilay Lalao “Bomb Gaza” (Darohy Baomba i Gaza) Tao Amin'ny Google Play

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Bomb Gaza - a game on Google Play was removed after complaints

Bomb Gaza – lalao nofafana tao amin'ny Google Play taorian'ireo fitarainana

Niteraka tsikera sy fahatezerana androany ny lalao amin'ny Android ahafahan'ireo mpilalao manatontosa fanafihana an'habakabaka ao Gaza. Nivoaka tamin'ny 29 Jolay ary nantsoina hoe Bomb Gaza (Darohy Baomba i Gaza) ity lalao izay efa nesorina tao amin'ny Google Play ity.

Nosokajian'ireo mpiserasera ho “maharikoriko”, “mahamenatra” ary “maloto” tsotra izao izany lalao izany – indrindra mikasika ny tantara mampihoro-koditra avy ao Gaza noho i Israely manohy ny fanafihana an-tanety amin'ny Sisim-piarovana, izay miditra amin'ny andro faha-30, ka Palestiniana 1865 no namoy ny ainy hatramin'izao ary maherin'ny 9.500 ireo naratra (Loharano: pejy Facebookn’ [1]ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, Dr Ashraf Alqedra).

Nandritra ny tontolo andro, nanery ny hamafana ity lalao maherisetra ity ny mpiserasera.

Nandrisika ireo mpanjohy azy 29.9K ny Occupied Palestine (Bodoy Palestina) mba hanisy saina mena (marika) ity lalao ity:

Lalao maharikoriko hafa afaka trohana ao amin'ny @GooglePlay [2] . Anangano saina mena ary takio ny Google hanaisotra azy pic.twitter.com/BRN6LMNKLO [3] | #GenocideInGaza [4]

Nangataka azy ireo mba hitory azy ity i Aysha:

Afaka mitaraina momba ity ve izay olona manana finday android azafady! #Gaza [6] #GazaUnderAttack [7] #FreePalestine [8] pic.twitter.com/EeT3PtgApY [9]

Mpanoratra gazety Rania nilaza tamin'ireo mpanjohy azy miisa 45.8K hoe:

Lalao azo trohana ao amin'ny Google App Store: Bomb Gaza (darohy baomba Gaza), Whack the Hamas (Vonoy ny Hamas) & Gaza Assault (Fanafihana an'i Gaza) : Code Red (Fanairana) http://t.co/yeztAMn85P [11] Satria lasa lalao ny famonoana olona!

Nesorina ilay lalao avy eo.

Palestiniana Omar Ghraieb avy ao Gaza, nangataka tamin'ireo mpamaky azy mba ho malina amin'ny karazana lalao hafa antserasera tahaka izao:

Noesorina #bombGaza [13]. Ry vahoaka, araho maso azafady ireo lalao 4 mitovy amin'izany ao amin'ny .@android [14], @AppStore [15], tontolon'ny Nokia & magazay Microsoft, mba hanesorana azy ireo.

Hatramin'ny nanatontosan'i Israely fanafihana mahery vaika tao amin'ny morontsirak'i Gaza manana halavana 40 kilaometatra tamin'ny 8 Jolay, maherin'ny 6780 ireo naratra. Nidaroka baomba tamin'ny sekoly, toerana an-kalamanjakana, hopitaly, toerana fialokalofana sy tobim-pialokalofana i Israely. Sivily avokoa ny telo ampahaefatry ny namoy ny ainy tao Gaza. Tamin'ny 28 Jolay, nanafika ny orinasan'ny herinaratra tokana ao Gaza i Israely, ka nahatonga ireo mponina 1,8 tapitrisa ao Gaza niaina tao anatin'ny aizina (fahatapahan-jiro). Satria midaroka baomba ao amin'ireo faritra be mponina ny tafik'i Israely, folo an'arivony no tsy manan-kialofana ary voatery mialokaloka amina toerana vonjimaika.

Bemidina fahatelo nataon'ny miaramilan'i Israely tao Gaza tao anatin'ny enin-taona izy ity. Noho ireo famerana tafahoatra ataon'i Israely ao amin'ny sisintanin'i Palestiniana ao Gaza sy ny Morondrano Andrefana (Cisjordanie) no antony mahatonga izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana hihevitra ity sisintany ity ho bodoin’ [17]i Israely.

Araho ny fitantarana ataonay: # Gaza: Mitombo ny isan'ireo sivily mamoy ny ainy amin'ny Fanafihan'i Israely [18]