Filoha Paul Biya: « Tsy ny Boko Haram No Handresy An'i Kamerona… Handavo Azy Ireo Izahay. »

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny radioteleviziona Kameroney (CRTV), niresaka momba ny fanafihana tao Kolofata ihany ny filohan'i Kamerona Paul Biya, ary nihantsy ny vondrona Islamista Nizeriana Boko Haram :

Niresaka momba ny toe-draharaha misy ao amin'ny Faratampony-Avaratra ao amin'ny firenentsika ianao. Marina tokoa, tadidiny ianao fa herinandro vitsy lasa izay, nahavita zava-dehibe nanoherana ny Boko Haram ny tafikantsika. Saingy tolona lavabe izy ity, mifanandrina amintsika ny fahavalo tsimifaditrovana, tsy miraharaha na inona na inona izay manafika amin'ny alina, manapa-tenda, ary manao fihoaram-pefy miharihary ao Kolofata sy Hile-Halifa.

Ny hany azoko lazaina, dia tokony hatoky ny Kameroney. Efa naniraka ny komandin'ny tafika ho any aho mba handamina indray ny fandrindrana ara-tafika; nandefa fanampiana (vonjy), sy vondro-tafika sy fitaovana fanampiny aho. Na izany aza, tsy afa-milaza zavatra betsaka aho, namafisinay ny fahaiza-manaonay ary mino aho fa hasehon'ny andro hoavy fa mahomby tokoa ny ezakay amin'ny fandaminana ny vali-panafihana sy ny fiarovana ny sisintanintsika.

Mamelà ahy hanararaotra izao fotoana izao mba hampahery ireo rahalahy, mpiray tanindrazana ao amin'ny faratampony-Avaratra izay niharan'ny vono, sy ao anatin'ny fisaonana; ary mampahafantatra azy ireo ny fiaraha-miory sy ny firaisankin'ny firenena Kameroney manontolo. Tsy hamela azy ireo irery isika, fa kosa hanohy hiaro azy ireo sy tsy hitsahatra hiady amin'ireo fahavalo. Manonona ny teny fampiononana hoan'ireo izay namoy fianakaviana aho; efa nilaza tamin'ireo manampahefam-panjakana aho mba hitondra izany teny fampiononana izany. Ary hoan'ny Kameroney rehetra, mangataka aho mba hanananareo hatrany fahatokisana amin'ny Governemanta, sy ny mpitandro ny filaminana. Mankasitraka ihany koa ireo miaramilantsika izay lavo ny sasany, ary nampiseho fitiavan-tanindrazana, sy herimpo. Mandrisika azy ireo aho mba handroso hatrany.

Hoan'ny Kameroney tsy an-kanavaka, izao no lazaiko : Eo amin'ny fiainam-pirenena, misy ny fotoan-tsarotra. Amin'izany fotoana izany, ilaina ny manana herim-po, firaisankina ary fitiavan-tanindrazana. Amin'izany indrindra, milaza aho fa tsy maintsy nandalo fitsapana hafa i Kamerona. Tsy maintsy niady tamin'ity Nizeria ity isika taloha hanavotana an'i Bakassi, nofongorina ireo fikomiana (hetsika revolisionera), resy tosika hatramin'ny tanàna maty; tsy ny Boko Haram mihitsy no handresy an'i Kamerona. Hotohizantsika ny tolona ary handavo azy ireo isika.

Hahafahako manohy ny tolona eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny diako. Satria hetsika fampihorohorona iraisampirenena izy ity, ka tsy maintsy raisina amin'ny [sehatra] iraisampirenena. Hifankahita amin'ny filoha Goodluck, ny filoha Obama mazava ho azy, ny ao Niger sy Tchad ihany koa izahay mba hametrahana tetikadim-paritra miaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.