- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fikambanana Mpanao Taokanto Ao An-damosin'ny Revolisiona Bôlivara.

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Sary an-drindrina nataon'ny Tafika ho an'ny Fahalalahan'ny Fifandraisana. Sary nahazoana alàlana.

Fitaovam-piadiana politika manana ny lazany ny Taokanto. Any Venezoela, nampiasa kirangodrangotra sy endrika hafa amin'ny taokanto ho an'ny maso ny andiany iray mitonona ho ny “Ejército Comunicacional de Liberación [1]” ECL (ny “Tafika ho an'ny Fahalalahan'ny Fifandraisana”) mba hanohanana ny Revolisiona Bolivariana [2], hetsika sosialin'ny elatra havia natombok'ilay filoha Venezoeliana efa nodimandry, Hugo Chávez. Dongian'ilay fikambanana ireo toerana malalaka eny an-tanàn-dehibe hanaovany kisary, amin'ny fakàna ny rindrin'ireo tranobe ho fanànan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana.

Amporisihan'ny ECL ao amin'ny bilaoginy No Sabemos Disparar [3] (Tsy Hainay ny Fomba Fitifitra) ny fanaovana izany eny an-tanàn-dehibe, bilaogy ilazan'ilay vondrona fa tanjona telo lehibe no tratrariny:

Ejército Comunicacional de Liberación es una fuerza en formación y reformulación constante; un puñado de jóvenes alzados en armas de papel quienes, mediante la comunicación popular, apuestan por el desarrollo de una nueva estética consciente y responsable en función de la promoción clara y efectiva de mensajes que contribuyan con procesos de transformación social y redistribución de la riqueza. Nuestra acciones y productos siguen tres líneas fundamentales: agitación, formación y sustentabilidad.

Hery marindrano ho amin'ny fampitam-baovao sy fanamboarana azy ho takatry ny olona ny Ejército Comunicacional de Liberación; tanora isaina amin'ny rantsan-tànana no maka ny “fiadiana taratasy”, tanora izay, amin'ny alàlan'ireo fifandraisana malaza, mirotsaka amin'ny famokarana endrika vaovao, nosainina tsara, ary tomponandraikitra izay hanohana amin'ny fomba mazava sy mahomby ny fiovàna sosialy sy ny fitsinjaràna ny harin-karena ao Venezoela. Fotokevi-dehibe telo no arahan'ny hetsika ataonay: ny fientanentanana, fanofànana ary fandrosoana maharitra.

Mampanao fiofanana ihany koa ny ECL iarahany miasa amin'ireo tarika sy vondrom-piarahamonina hafa manerana an'i Venezoela. Eny aminà kianja natao ho an'ny daholobe no atao ireny fanazàrana ireny, toy ilay iray asehon'ny sary etsy ambany tao Elorza [4], ao amin'ny fanjakan'i Apure :

En Elorza

Elorza, Martsa 2014

En el marco de las fiestas de Elorza 2014 tuvimos la oportunidad de rendir un humilde homenaje a el comandante eterno junto a los convives de SOU, SUC, Otro Beta y Nueva Casika, nos hubiese gustado hacer más, pero estamos seguros que vendrán nuevas oportunidades.

Nandritry ny fetibe Elorza 2014, nanam-pahafahana mba nanolotra fanomezam-boninahitra kely  ho an'ny “comandante eterno” [ilay “mpibaiko mandrakizay,” itompokolahy Hugo Chavez] izahay, ary niara-nihosona tamin'ireo SOU, SUC, Otro Beta, sy Nueva Casika [fikambanana hafa amin'ny resaka taokanto, izay mamokatra sary an-drindrina tahakahaka izao ihany]. Tianay raha mba naha-efa bebe kokoa, saingy azonay antoka fa mbola hisy ny fotoana hafa ho amin'izany.

Mural Elorza

Fanomezam-boninahitra an'ilay filoha Venezoeliana efa nodimandry, Hugo Chavez.

Miparitaka malaky be manerana an'i Venezoela ireo sary an-drindrina nataon'ny ECL, ary marobe ankehitriny no hita ao an-drenivohitry ny firenena. Ny sary an-drindrina etsy ambany dia hita ao Maca,  distrika iray ao  Caracas. Natao manokana ity sary ity mba hanairana ny fahatsiarovantena mikasika ny fahalotoana, hisarihana ny saina amin'ny tsy fahavitan'ny filankevitry ny tanàna manala araka ny tokony ho izy ny fako.

.

El problema de la basura aquí en Maca, es que los vecinos que viven en la parte de arriba aprovechan cuando llueve y lanzan la basura a la calle para que el agua las arrastre, esto hace que se ensucie la calle y se tapen las alcantarillas. Sería bueno que la gente botara la basura donde es y no en cualquier parte.

Rehefa tonga amin'ny resaka fanesorana fako eto Maca, manararaotra ny fihavian'ny orana ireo olona mipetraka amin'ny toerana avo, eny amin'ny tanàna manodidina ary manipy ny fakony eny an-arabe mba ho entin'ny rano any ananona any, izay miafara amin'ny arabe voretra sy fahatsentsenana lavaka fanarian-drano maloto aty aminay. Mety ho tsara kokoa raha toa ny olona ka manipy ny fakony any amin'ny toerana natao ho amin'izany fa tsy hoe eny rehetra eny.

No tires basura

“Ario araka ny tokony ho izy ny fako, fa aza atsipy eny rehetra eny. Mba eritrereto ny hafa.”

Asehon'ny bilaogin'ny ECL ireo saripika avy aminà fihaonana fanampiny, toy ny hetsika iray fanamboarana takelaka biletà mikasika ny vaovao avy ao an-toerana sy ireo hetsika tao Los Erasos ary Santa Rosa, distrika hafa ao Caracas:

Periódico Mural 2

Fanatambàrana ireo takelaka biletà momba ny vaovaon'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana.

Periódico mural realizado en el Barrios los Erasos y Santa Rosa

Takelaka biletà iray novokarin'ny ECL – tanàna mpifanolo-bodirindrina amin'i Erasos sy Santa Rosa, any Caracas.

Nanao fandraisana anjara tamin'ny rindrin'ireo tranobe tany an-tanàn-dehibe ihany koa ny ECL. Ny hetsika toy izany, aseho etsy ambany, dia tao amin'ny Paroasy San Juan ao Caracas no natao:

Intervención en la parroquia de San Juan

Sary an-drindrina ao amin'ny Paroasy San Juan.

Nanana ny dindony tamin'ireo hetsi-panoherana izay nampihovitrovitra [5] an'i Venezoela nandritra ireo volana maro faramparany teo ihany koa ilay vondrona. Ao anatin'ny sary etsy ambany, kianin'ny ECL ny fototra nijoroan'ireo fihetsiketsehana tany Atsinanan'i Caracas, izay tsy nisy nilàna ny mpanakanto no sady tsy nisy zavatra nifantohana (ny hetsi-panoherana resahana eto dia tafiditra amin'ny hetsika an-dalambe [6] goavana nahenika ny firenena, izay nitakiana ny fialàn'ny Filoha Nicolás Maduro. Mivaky toy izao ilay sary an-drindrina, “Tsy hiverina ry zareo,” midika hoe tsy ho afaka hiverina mandrakizay ireo sangany ara-politika tamin'ny vanim-potoana nialoha ny nitondràn'i Chavez.

Mural Chacao

Rindrina iray voaloko ao Chacao, tanàna manakaiky an'i  Caracas.

Crítica a la irracionalidad de protestas sin objetivos. Intervenciones realizadas en las calles del este (Chacao y Altamira), donde supuestamente (los opositores) tienen el control absoluto, las paredes siguen siendo del pueblo. No volverán.   

Fanakianana ireo hetsika tsy misy fotony izay tsy nanana tanjona akory. Any atsinanana, mbola an'ny olona hatrany ny rindrina, na misy aza hetsika atao eny an'arabe (tao Chacao sy Altamira), toerana noheverina fa nananan'izy ireo (ny mpanohitra) ny fifehezana feno sy tanteraka. Tsy hiverina ry zareo.

Ahitàna taokanto nataonà vondrona hafa ihany koa ao amin'ny bilaogin'ny ECL, vondrona izay sady hita ao anatiny no any ivelan'i Venezoela. Nakarina ao amin'ny Vimeo [7] ireo lahatsary misy azy io, izay fampiasan'ilay fikambanana mba hanasongadinany ny endrika tena maha-taokanto ho an'ny maso ny fikatrohana sosialy sy politika ataon-dry zareo.