- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Mpitantana Mavitrika Hisahana Ny Fitantaram-baovao Ao Brezila Ny Global Voices

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Mediam-bahoaka
Graffiti on the walls in Barra da Tijuca in Rio de Janeiro reads, “Genocidal police loves FIFA.” 13 July 2014. Photo by Shay Horse. Copyright Demotix [1]

Graffiti eo amin'ny rindrin'ny Barra da Tijuca ao Rio de Janeiro mivaky hoe, “polisy mpandripaka olona tia ny  FIFA.” 13 Jolay 2014. Saripikan'i Shay Horse. Copyright Demotix

Manam-pahaizana manokana momba an'i Brezila miteny anglisy sy Portiogey ve ianao izay manome lanja ny fahamarinana, ny fitoviana, ny finamanana mihoatra sisintany ary tsy mba leo aterineto? Tia miasa any an-trano ve ianao? Ianao no tadiavin'ny Global Voices!

Tokamanantany ny efitra fanoratana sy famoahanay vaovao – virtoaly tanteraka, mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ireo mpanoratra, amin'ny teny marobe ny loharanom-baovao ary mivantana amin'ny aterineto. Ny ifantohan'ny fanangonam-baovao dia mikasika ny vaovao malaza, ny olan'ny fahalalaham-pitenenana, ny sivana amin'ny aterineto, ny fikatrohana sy ny vaovao izay zara raha voatatitra na taterina diso avy amin'ny ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

Ny mpiasa tapak'andron'ny mpanitsy lahatsoratra ao Brezila dia, hanoratra sy handrindra ireo lahatsoratra avy amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny, ary mikirakira ireo andian-doharanom-baovao goavana mba hijanonana ho loha-laharana amin'ny vaovao malaza ara-tsosialy, politika sy ny fikatrohana ao amin'ny faritra.

Andraikitra voalohany indrindra:

Tompon'andraikitra amin'ny fitantarana vaovao ao Brezila.
Manoratra, manamarina ny zava-misy, ary mamoaka ireo vaovao maharesy lahatra sy lehibe indrindra avy amin'ireo loharanom-baovao antserasera ao amin'ny faritra.
Manazava ny zavamisin'ireo vaovao hahatakaran'ny mpihaino manerantany azy.
Mitazona ny laharana voalohany amin'ny fivoaran'ny tantara, izay malaza haingana sy ironana ao amin'ny media sosialy sy ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Mampivelatra ny loharanom-baovao antserasera azo antoka sy voamarina ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Mitantana ireo mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo.
Manaja ireo fe-potoana sy mampahafantatra izay tadiavina.
Mivonona hiara-hiasa amin'ny vondrom-paritra virtoaly, efitra fanoratam-baovao sy ny fiarahamonina lehibe kokoa.
Manatontosa asa mifanaraka amin'ny fikambanana, tari-dalana famoaha-dahatsoratra, andraikitra sy ny kolontsain'ny [2] Global Voices.

Ny kandida mahomby dia :

Mahay miteny Anglisy sy Portiogey tsy mihambahamba.
Manana fahaizana mafonja momba ny asa fanaovan-gazety sy/na ny fikatrohana ny zo nomerika.
Manana fahaizana mamoaka lahatsoratra mikasika ny olana ao amin'ny faritra.
Mahafantatra hoe iza no feon'olom-pirenena sy ny sosialy azo antoka ao Brezila.
Mahafantatra ny fampahalalam-baovao mahazatra, gazetim-paritra, sy ny fahavitrihan'ny media sosialy ao Brezila.
Mahafantatra ny zo nomerika, ny fahalalaham-pitenenana, sy ny olana mikasika ny fikatrohana ary ny fahavitrihana ao Brezila.
Manana traikefa amin'ny fikarohana loharanom-baovao sy fanoratam-baovao.
Manana toetra mafonja amin'ny fitarihana.
Manana fifandraisana aterineto matanjaka sy azo antoka.
Afaka miasa ao anatin'ny 10 ora isa-kerinandro.

Raha handefa fangatahana :

Alefaso azafady ny mombamomba anao (CV) sy taratasy famantarana izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho sahaza tanteraka hoan'ny Global Voices. Alefaso ao amin'ny adminjob@globalvoicesonline.org ny fangatahanao ahitana ny anaranao sy ny lohateny “Mpanitsy lahatsoratra ao Brezila”.

Vakio ato [3] ireo Antony Lehibe 8 raha hiasa ato amin'ny Global Voices