
Nosiahan'ilay mpanangom-baovao mpaka sary Lazar Simenov @Lazsim “Sehatra Apokalyptika ao Beit Hanoun. #Gaza #Palestine #Israel”
Efa nihoatra lavitra dia lavitra noho ny tamin'ny “Bemidina Vy Nohamafisina”, ady fifampitifirana naharitra telo herinandro tamin'ny enina taona lasa izay, ny isan'ny Palestiniana maty tao Gaza noho ny fanohizan'i Israely ny fanafihana ilay faritra atao fahirano miditra amin'ny andro faha-24.
Araka ny mpitondratenin'ny Fitsaboana Palestiniana, ny Dr Ashraf Alqedra, izay mizara antotanisa ao amin'ny Facebook, ny fitambaran'ny Palestiniana maty hatramin'izao dia 1.437 ary mihoatra ny 8.300 ny isan'ny maratra tamin'ity ady fifanandrinana ity, izay omen'i Israely anarana hoe Bemidina Sisim-Piarovana.
Dr Alqedra niteny fa 79 ny Palestiniana maty androany (1 Aogositra) ary 350 ny naratra..
56 ny miaramila Israeliana maty miampy sivily telo.
Araka ny tatitra nataon'ny fampitam-baovao, Ny Bemidina Vy Nohamafisina tamin'ny 2008/09 dia nahitana fahafatesan'ny Palestiniana tanelanelan'ny 1.166 sy 1.417 sy fahafatesana Israeliana 13 (ka ny 4 avy amin'ny tifitry ny namana ihany).
Nitatitra ny mpanoratra gazety Ruth Pollard:
Toll in #Gaza has climbed to 1418 dead, says health ministry, with 8265 injured. Surpassed Cast Lead. No end in sight.
— Ruth Pollard (@rpollard) July 31, 2014
Niakatra ho 1418 ny isan'ny maty ao #Gaza, hoy ny minisiteran'ny fahasalamana, ary 8265 ny isan'ny maratra. Nihoatra noho ny tamin'ny Vy Nohamafisina. Tsy mbola tarataratra ny fiafarany.
Hatramin'ny nanafihan'i Israely fanafihana goavana tamin'ilay tetezantany amoron-dranomasina manana halavana 40 kilaometatra tamin'ny 8 Jolay, dia nodarohan'ny miaramilan-dry zareo ny baomba trano fonenana, tsena, sekoly, kianja, hopitaly ary ny trano sy ny toby fialofana, izay nampiakatra hatramin'ny 75 isanjato ny isan'ny sivily maty. Tamin'ny 28 Jolay i Israely no nanafika ny tobim-pamokarana herinjiro tokana tao Gaza, izay namela ireo olona 1,8 tapitrisa tao amin'ity faritra kely ity tanaty aizina.
Noho ny tsy fisian'ny lalana handosirana, dia mety hihoatra ny 400.000 ny isan'ny Palestiniana nifindra tao Gaza, araka ny filazan'ny Firenena Mikambana.
Ity no Bemidina ara-miaramila fahatelo nataon'i Israely tany Gaza tao anatin'ny enin-taona. Ny famefifefena be loatra ataon'i Israely amin'ny zaratany Palestiniana ao Gaza sy ampitan'i Jordana (morondrano andrefana) no mahatonga ny ankamaroan'izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana hihevitra fa “bodoin'i” Israely io faritra io.