Tantara tamin'ny 03 Aogositra 2014
Mpihira Flamenco 3 Mampiato Ny Fivorian'ny Antenimieran'i Andalozia
Tamin'ny faran'ny volana Jiona, mpikambana telo avy ao amin'ny FLO6x8 no nampiato tsirairay ny fivorian'ny antenimiera tamin'ny alalan'ny fihirana hira amin'ny endrika flamenco izay niampanga ny tsy fananan'asa, ny kolikoly ary ny krizy.
Twitter “Manakana” Ny Fidirana Amin'ireo Mpisovoka Malaza Ratsy Indrindra ao Rosia

Tsy afa-miditra amin'ny @b0ltai, kaontin'ny vondrona hacker - mpisovoka - iray izay nanaporitsaka tahirin-kevitra anatin'i Kremlin hivoaka amin'ny aterineto tao anatin'ny fito volana izao, intsony ny mpisera Twitter ao Rosia.
Nahafatesana Palestiniana Betsaka Kokoa noho ny Vy Nohamafisina Tamin'ny 2008 Ny Sisim-Piarovan'i Israely Ankehitriny
Mitotaly 1.437 ny isan'ny Palestiniana maty tao Gaza noho ny fanohizan'i Israely ny fanafihana ilay faritra tafiditra anelanelan'ny tanin'ny hafa amin'ny andro faha-24n'ny fanafihana, ka nisongona ny tamin'ny Vy Nohamafisina notontosaina enin-taona lasa izay.
Bilaogera Tao Gaza Mibitsika Ny Tantara Mampangitakitaka Nialàny Ireo Fanafihana Fiaramanidina Israeliana Teo Am-piampitàna Ny Sisintany Tao Rafah Ho Any Ejipta
Nanomboka nanao daroka baomba mavesatra tao Rafah ny tafika Israeliana, nataony lasibatra hatramin'ny hopitaly, 90 minitra taorian'ny nanombohan'ilay fampitsaharana poa-basy 72 ora noho ny maha-olona tao Gaza. Palestiniana fitopolo no maty ary an-jatony hafa no naratra tao Rafah nadritry ny darobìka baomba