Tantara tamin'ny Jolay, 2014
Miara-mientana Ny Governemanta, Ny Mpanohitra Sy Ny Vahoaka Ao Malayzia Mba Hitaky Ny Rariny Amin'ny Fianjeran'ny MH17
Nanatontosa fivoriana vonjimaika ny Parlemantan'i Malayzia ary niara-nandany tolo-kevitra miampanga ireo izay tompon'andraikitra tamin'ny fitifirana ny zotra MH17 Malayzia Airlines, izay nahafaty ireo mpandeha 298 sy mpiasan'ny fiaramanidina
Fouad Masoum Voafidy Ho Filoha Irakiana Vaovao
Nanana filoha vaovao ihany i Iràka. Fouad Masoum, Kiorda politisiana 76 taona no voafidy ho eo amin'io toerana io.
Vaovao Mahafaly Avy Ao Pakistan: Fisokafan'ny Jalaibi.com
Tetikasa hafa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ny Jaliaibi.com, fisantarana andraikitra vaovao avy ao Pakistana mba hanandratana ireo tantara vaovao tsy fahita amin'ny vaovao mahazatra, sy hizara vaovao tsara avy ao amin'ny firenena.
Bitsika Avy Amin'ireo Sisam-paty Ao Gaza: Mamoaka Ny Zava-doza Misoko Manginan'ny Vono-olona Tao Khuza ny Twitter
Milaza ireo tatitra mivoaka avy ao Khuza'a fa tsy avelan'ny tafika Israeliana hiala ny tanàna ireo mponina ao, izay efa tsy manana rano, sakafo sy fialofana.
SARIPIKA: Mandrava Ny Moskean'ny Mpaminany Jonah Ao Mosul, Iraka Ny ISIS
Sokajian'ny fikambanan'ny mahery fihetsika (extremista) Sonita ho fialana amin'ny finoana ny fanajana ny olomasina ary mpanaraka hevi-diso ny Miozolomana Shiita.a .
Manome 4 Tapitrisa Robla Ho An'izay Mahavaha Ny Tor i Rosia
Na dia toa tsy dia hotanteraka loatra aza, raha tafita io tetikasa famahàna kasain'i Rosia hatao io, dia ho tandindonin-doza ireo olona an-tapitrisa mpisera amin'ny aterineto izay tsy ratsy velively ny safidiny hiditra amin'ny tsy fitononana anarana ety anaty aterineto.
Mitolona Hahazo Ny “Fo amam-Panahy” i Israëly Ao anatin'ny Ady An-tserasera Momba An'i Palestina
Mitarika ny adin'ny teny momba an'i Palestina ilay Israelina manampahaizana manokana momba ny tetikady ety anaty media sosialy, Niv Calderon. “Misy ady iray atao amin'ny media, ary ny olom-pirenena tsirairay, ny solosaina tsirairay, dia miaramila avokoa", hoy izy
SARIPIKA : Herintaona ny tetikasan'ny Rising Voices “Mapping for Niger”
Mankalaza ny fahaherintaonany miaraka amin'ireo mpandray anjara rehetra ao aminy ny tetikasa Mapping for Niger.
Birmana Mpanoratra Gazety Voasazy Folo Taona Sy Asa an-Terivozona Fa Nilaza Ny Fisian'ny Orinasa Mpanao Fitaovam-Piadiana Shimika
Birmana mpanoratra gazety efatra sy ny Filoha Tale Jeneralin'ny Unity Journal no nohelohina folo taona an-tranomaizina miampy asa an-terivozona noho ny nilazan-dry zareo ny fisian'ny orinasa fanamboarana fitaovam-piadiana shimika ao Myanmar.
Jokowi No Filoha Fahatelon'i Indonezia Voafidy Tamin'ny Fomba Mivantana
Ny Governoran'i Jakarta Joko Widodo (Jokowi), politisiana malaza avy any an-tanànan'i Solo, no nahazo ny ampaham-bato 53,15 isanjato tamin'ny vato manankery manakaiky ny 130 tapitrisa.