- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakaton'ny Manampahefana Ao Bangladesh Ny Trano Iasan'ny Mpivaro-tena Nijoro Efa Ho 200 Taona Izao, Mpivaro-tena An-jatony No Voaraoka Tamin'izany

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Voina, Zon'olombelona
Ariel view of Kandapara brothel in Taingail, a northeastern city of Bangladesh. Image by Ranak Martin. Copyright Demotix (1/12/2012) [1]

Tranon'ireo mpivaro-tena ao Kandapara, ao Taingail, tanàna avaratra-atsinanan'i Bangladesh tazanina avy aty an'habakabaka. Sary avy amin'i Ranak Martin. Copyright Demotix (1/12/2012)

Nakatona [2]tamin'ny 14 Jolay 2014 ny trano iasan'ny mpivaro-tena ao Kandapara, izay nijoro 200 taona ao Tangail, iray amin'ireo tranon'ny mpivarotena taloha indrindra tao Bangladesh. Fanerena goavana avy amin'ireo mpitondra fivavahana Miozolomana sy ireo mpanao politika ao an-toerana no voalaza fa nitarika ny fanakatonana ny trano iasan'ireo mpivaro-tena, saingy niampanga ireo manampahefana ao an-toerana ho manao fakàna tany an-keriny izay mody lazaina fa noho ny antony ara-pivavahana ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh.

Mpivaro-tena maherin'ny 759 no voaraoka vokatr'izany. Nampandrenesina ora vitsy mialoha fotsiny ireo mponina, nanohitra izany ireo fikambanan'ny zon'olombelona. Nilaza ny pejy Facebook natokana hiresahana momba ny vehivavy “Women Chapter [3]” fa ahiana ny fiainan'ireo mpivaro-tena voaraoka ary miaina ao anaty tontolo mety ahitan-doza izy ireo.

Manampahaizana momba ny haiamamonina (Sosiology) Laura Agustín nisioka ny fomba nandroahana ireo mpivaro-tena:

Vondrona #sexworkers (mpivaro-tena) [4] Kandapara: «Olona miaraka amin'ny kibay, nilaza taminay izy ireo fa manana adiny iray izahay hialàna raha tsy izany hodoran'izy ireo amin'ny lasantsy ny trano.

Mpisera Twitter, ATM Zakaria nampitandrina hoe:

Hampidi-doza ny fiarahamonina sy ny firenena ny fandroahana ireo mpivaro-tena tsy mena tambiny (na omena ny toerana mendrika ny mahaolona azy.

Mogoje Curfew [8] (tsy mahazo mivoaka ao amin'ny atidoha) nanoratra tao amin'ny bilaogy ​​Sovyata (Sivilizationa) fa tsy araka ny sitrapony no nanaovan'ireo mpivaro-tena ny asany, fa noho ny hasarotam-piainana na faneriterena. Nanoratra izay mety hitranga amin'ireo mpivaro-tena ireo ihany koa ity bilaogera ity raha tsy misy ny famerenana ny zon'izy ireo:

এই লাঞ্চিত এবং অমানবিক জীবন যাপন করা মেয়েগুলো কি করবে তা আমরা না জানলেও অনুমান করতে পারি । তাদের বাইরে কোথাও কেউ কাজ দেবে না এটা নিশ্চিত থাকতে পারেন । বাধ্য হয়ে এরা এইবার এদের খাবার জোগাড় করবে মানুষের বাড়ি বাড়ি গিয়ে ।

Azontsika saintsainina ny hoavin'ireo mpivaro-tena noroahina izay anaovana tsindrihazolena. Tsy hahita asa ankoatra ny ao mihitsy izy ireo. Tsy maintsy hangataka isam-baravarana izy ireo mba hahafahany mamahana ny vavany.

Niroborobo nanomboka ny 1860 hatramin'ny 1880 [9]ireo trano iasan'ny mpivarotena raha tonga avy amin'ny sambo ireo mpivarotra. Sady nanana fotoana izy ireo no nanam-bola ary anisan'ireo mpanjifa voalophan'ireo mpivaro-tena. Mitotaly teo amin'ny 2000 teo ireo mponina vao haingana, anisan'izany ireo mpivaro-tena, ny zanak'izy ireo, ray aman-dreniny sasany,  babus (olo-tiana raikitra / mpanjifa maharitra), ireo mpanera mpijangajanga ary ny tompon-tany.

Tsy ity no tranon'ny mpivaro-tena voalohany nakatona sy mpivaro-tena ao aminy voaroaka ao amin'ny firenena maro an'isa Miozolomana, izay tsy mitsaha-mitombo ny kaonservatisma (fandalana ny nentim-paharazana). Tamin'ny 23 Jolay 1999, nakatona [10] ny tranon'ny mpivaro-tena tao Tanbazar, iray amin'ireo taloha indrindra sy lehibe indrindra ka mpivaro-tena teo amin'ny 2.600 teo no voaraoka tao an-tranony. Ny Kandupatti [11] ao Dhaka, tranon'ireo mpivaro-tena an'arivony maromaro no nakatona manaraka. Ary avy eo tao Magura [12]. Tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taon-dasa, voatafika [13]ny tao amin'ny tranon'ny mpivaro-tena ao Madaripur ka mpivaro-tena teo amin'ny 500 teo no simba fananana sy voaroba.

Members from Sex Workers Network of Bangladesh (SWNOB) form a human chain in Dhaka protesting attack on sex workers in a brothel in Madaripur. Image by Shafiqul Alam. Copyright Demotix (29/8/2013) [14]

Mpikambana avy ao amin'ny Tambajotran'ny Mpivaro-tena ao Bangladesh (SWNOB) milahatra ao Dhaka manohitra ny fanafihana ireo mpivaro-tena tao amin'ny tranony ao Madaripur. Sary avy amin'i Shafiqul Alam. Zon'ny mpamorona Demotix (29/8/2013)

Ny zavatra ankapobeny fantatra dia ny fanerena ara-pivavahana sy ara-piarahamonina no ambadiky ny fandroahana tao Tangails Kandapara. Na dia izany aza, nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanoratra gazety [15] tamin'ny 17 Jolay 2014, nilaza ny Tambajotran'ny Mpivaro-tena, [15]ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh fa araraotin'ny ben'ny tanàna ny fihevitra ara-pivavahana mba hakàna an-keriny tany iray hekitara sy tapany amin'ny faritra iasana sy onenan'ny mpivarotena ao Kandapara.

Nisy ihany koa ny fiampangana tahaka izany tamin'ny fandroahana tao amin'ny fari-ponenan'ny mpivaro-tena ao Tanbazar sy Madaripur. Nandà izany fiampangana izany ireo olona tompon'andraikitra tamin'ny fandroahana. Nilaza izy ireo fa fiavian'ny asan-jiolahy ireo fari-ponenan'ny mpivaro-tena ireo.

Sex worker formed human chain at front of press club in Dhaka protesting the eviction of Kandapara brothel, Tangail. Image by Mohammad Asad. Copyright Demotix (20/7/2014) [16]

Mpivaro-tena manao filaharana eo anoloan'ny klioban-gazety ao Dhaka ho fanoherana ny fandroahana tao Kandapara, Tangail. Sary avy amin'i Mohammad Asad. Zon'ny mpamorona Demotix (20/7/2014)

Iray amin'ireo firenena vitsy amin'ny firenena maro Miozolomana an'isa tsy mandrara amin'ny fomba ofisialy ny fivarota-tena i Bangladesh. Azo jerena tamin'ny tantara Bengal fahagola ny fivarotan-tena, saingy tsy mba nahazo fankatoavana eo amin'ny sehatry ny lalàna mihitsy ity asa ity, na dia nandritra ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany Britanika [17] aza. Tamin'ny taona 2000 [18], nankatoavin'ny fitsarana tao an-toerana tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana ny asa fivarotan-tena.

Ao Bangladesh, tranona mpivaro-tena 18 sy mpivaro-tena eo amin'ny 200 000 eo no voasoratra anarana  [19]manerana ny firenena. Nanambara ny fikarohana vao haingana [20] fa mananika tsimoramora ihany koa ny fivarotan-tenan'ny ankizy.

Kazi Mamun Hossain [21], bilaogera Bangladeshita am-pielezana nanoratra tao amin'ny sehatra fibilaogina amin'ny teny Bangla, Somewhereinblog:

পতিতাবৃত্তিকে নিষিদ্ধ না করা আবার পতিতাবৃত্তিকে স্বীকৃতি না দেয়ার মতো রাষ্ট্রযন্ত্রের দু'মুখো আচরণের তীব্র প্রতিবাদ জানাই৷ কোনো প্রকার পুর্নবাসনের ব্যবস্থা না করেই পতিতাদের উচ্ছেদ করার তীব্র প্রতিবাদ জানাই৷

Miampanga ny fihazohazoan'ny fanjakana amin'ny tsy fandraràna ny fivarotan-tena sy ny tsy fanomezana ny zon'ireo mpivaro-tena aho. Toheriko mafy ny fandroahana tsy misy famerenan-jo an'ireo mpivaro-tena.