- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandalina Ny ‘Fotoam-piovàn'ny Kanto Sy Ny Fampielezan-kevitra’ ireo Mpanakanto Any Skopje

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fahalalahàna miteny, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Ny Kooperacija (“Cooperation” na Fiaraha-miasa, teny Makedoniana entina hilazàna ny tranombarotra enta-madinika any amin'ireo tanàna kely), vondrom-panakanto tsy mampidi-bola fa mamelon-tena, dia nampiantrano fampirantiana nitondra ny lohateny hoe “Fotoam-piovàna: Ny Kanto ho Fanentanana Fanoherana ny Tsindrihazolena” [en [1], mk [2], misy sary] tany Skopje, vao tsy ela akory izay.

'Fear makes the world go round' by Ines Efremova. Photo by Kooperacija, used with permission. [1]

‘Ny tahotra no mampihodina ny tany’ hoy Ines Efremova. Sary avy amin'ny Kooperacija, nahazoana alalana.

Araka ny tatitra [3] [mk] nataon'ny fanangonam-baovao maromaro mitatitra momba ny kolontsaina [4] [mk], anisan'izany ny SEE Cult [5] [sr] any Belgrade, nampiranty asa avy amina olon-tsotra sy vondrona mpanakanto malaza maro izany hetsika izany. Hita tamin'izy ireo ny asatanan'i Vitaly Komar [6], IRWIN [7], Santiago Sierra [8], DETEXT [9], ary koa ny an'ireo mpanakanto mavitrika indrindra avy amin'ny faritra, tahaka an-dry Nemanja Cvijanović [10], Ibro Hasanović [11], Igor Toševski [12], Kristina Gorovska [13] & Jure Lavrin [14], Ines Efremova [15], Filip Jovanovski [16], O-P-A [17], sy ny sisa.

Nanoritsoritra [18] izany fampirantiana izany tao amin'ny pejiny ny vondrom-panakanto nanatontosa azy:

Kooperacija dia tetikasa mikendry ny hetsika ara-kanto ivelan'ny sehatry ny asa, ka misarika fomba fijery vaovao amin'ny famoronana sy ny fanandramana ny kanton'ny vanim-potoana ankehitriny […]

Ny tetikady voalohany amin'izany dia fakàna ireo toerana malalaka manerana ny faritry ny tanàna, sy ny fampirantiana amin'ny alalana andianà hetsika tsy ampoizina. Ny vokatra kendrena amin'izany dia ny adihevitra mametra-panontaniana mitondra ho aminà fanorenana indray momba ireo toerana mampiahiahy anatin'ny kanto, ary ny famokarana tontolo hahafahan'ny fifanankalozan-kevitra, ny traikefa ary ny fahalalahana maneho hevitra hitsiry.