Tantara tamin'ny 27 Jolay 2014
Filipina: Filohan'ny ‘Ady Amin'ny Kolikoly’ Miatrika Antso Fitsipaham-Pitokisana Noho Ny Fiahiahiana Azy Ho Manao Kolikoly
Taorian'ny nilazàny Fitsarana Antampony ny maha-tsy araka ny Lalàm-panorenana ny famatsiambola ny fandaharanasa iray tantaniny, ampangaina ho manao kolikoly ny filohan'i Filipina Benigno Aquino III, izay nandresy taminà fiaraha-mientana manohitra ny kolikoly.
Mbola Bahanan'i Tajikistan Hatrany ilay Tambajotra Sosialy Rosiana Malaza
Mandray ny andraikitra feno sy tanteraka amin'ny maha-mpiaro ny ara-moralin'ny daholobe azy governemanta ao Tajikistan - ary mpiaro manoloana ireo fanaratsiana ny governemanta. Nanampy isa ny Youtube ao anatin'ny lisitr'ireo tranonkala voabahanan ny tambajotra Rosiana Odnoklassniki, tamin'ny 18 Jolay.
Miady Amin'ny Fanorisorenana an-Dalambe ao Buenos Aires ny AtréveteBA ao amin'ny Hollaback
Asehon'ny haba-tranonkala ao amin'ny sarintany iray ireo faritra iverimberenan'ny fanorisorenana an-dalambe matetika sy ny tantara manokana avoakan'ireo lasibatra.