- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mahomby Amin'ny “Vaovao Sandoka” i Rosia, Saingy Tena Izy Kosa Ny Fahalalahan'ny Aterineto Miaraka Amin'io

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana, Akon'ny RuNet
TV Rain owner Aleksandr Vinokurov posted on Twitter that Vladimir Putin was on his way to Ukraine to negotiate with President Poroshenko. That wasn't the real story. Images mixed by author.

Nalefan'i Aleksandr Vinokurov, tompon'ny TV Rain tao amin'ny Twitter fa an-dàlana handeha any Okraina hifampiraharaha amin'ny Filoha Poroshenko i Vladimir Putin. Tsy izany no tantara tena marina. Sary nafangaron'ny mpanoratra.

Niteraka saritaka tamin'ity herinandro ity ny nataon'ny tompon'ilay fantsom-pahitalavitra goavana rehefa nandefa bitsika izy nilaza vaovao tsy izy momba ny fihazakazahan'i Vladimir Putin handeha ho any Kiev hiresaka maika momba ny fandriampahalemana. Noararaotin'i Aleksandr Vinokurov, tompon'ny TV Rain, ny fahalinana be misy eny amin'ny olona momba an'i Okraina mba handonana ny Rosiana hijery ny fiantraika mavesatr'ireo fepetra vaovao momba ny tontolon'ny fitorahana bilaogy, izay hanomboka hanan-kery amin'io volana manaraka io.

Ao anatin'ny fanadihadiana momba ny fianjeran'ny fiaramanidin'ny Malaysia Airlines MH17 [1] sy ny fihenjanana tsy mitsahatra ao Atsinanan'i Okraina, miraikitra manaraka izay piti-baovao rehetra sy ny tsilian-tsofina mikasika ny fihetsik'i Okraina, Rosia ary ny Tandrefana daholo ireo mpampiasa RuNet. Bitsika kely na lahatsoratra tsy manantsiny dia afaka hametraka amin'ny fandaharam-potoana ho amin'ny afo vaovao, indrindra fa raha tononiny ao ny hoe Vladimir Putin.

Ny marainan'ny 20 Jolay, andro telo taorian'ny nianjeran'ny MH17, nibitsika ity vaovao manaraka ity i Vinokurov [2] :

Niantso an'i Poroshenko ny Filoha Putin ary lasa nisidina ho any Kiev hiresaka ny fomba hamahàna am-pilaminana ny fifandonana ao Donbass miaraka amin'ny Filoha Okraniana.

Tsy nanao fanamarihana izy, tsy nanome rohy na loharano, ary tsy nanao fanjohiana ilay lahatsoraka koa. sy nisy fanamarinana ilay fitsidihana na tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny fiadidiana ny Lapam-panjakana aza. Zendana ihany ireo mpampiasa aterineto tany am-boalohany, avy eo nisalasala, ary tsy nino.

Avy hatrany i MaryEl [4] mpampiasa Twitter dia nanontany mikasika ilay tantara [5]:

Mba marina hoe?

Nihanihany ny tompon'ilay kaonty sandoka Navalny's Cat [7] hoe ny marina dia bitsika nosoratan'i Aram Gabrelyanov [8], Tale jeneralin'ny NewsMedia, trano famoahana vaovao faran'izay mpandàla ny ao Kremlin ilay izy :

Aram Ashotovich, azafady mba midira amin'ny tena anaranao!.

Ny sasany amin'ireo mpampiasa, toa an'i Russian fun [10], dia mora nino ny lazan'i Vinokurov [2], saingy mbola naniry hahita loharano hafa [11]:

Toa mba mpanao gazety manaraka ny fenitra ihany i Vinokurov. Araka izany, ndeha hojerentsika izay holazain'ireo media hafa.

Voamarika manokana ny fijanonan'i Vinokurov [2] tanaty fahanginana tanteraka tety anaty tambajota sosialy nandritra ireo ora maro taorian'izay, raha navaivay kosa ny honohono teny anivon'ny vahoaka Rosiana sy Okrainiana. Farany, ny maraina tokony ho tamin'ny 10:30, ora tao Maosko, nipoitra tao amin'ny Facebook izy [13]. Tsy nanala sarona avy hatrany an'ilay vaovao i Vinokurov, fa ho solon'izay dia nanolotra azy io ho toy ny trangam-panadihadiana iray ao anatin'ny antsoiny hoe “fandranitana ara-tsaina.” Nazavainy fa ny traikefany tany ampiandohana tamin'ny fandefasana vaovao tsy izy dia mba hanehoana hoe ahoana no hahafahan'izany miparitaka be — sy hoe ahoana no tsy hisian'ny zavatra toy izany intsony ao Rosia, aorian'ny hidiran'ilay “lalàna vaovao momba ny bilaogera” hanan-kery amin'ny Aogositra.

Screen Shot 2014-07-21 at 12.36.00 PM [13]

“Интеллектуальная провокация” — новый жанр для медиа. Мог бы быть довольно перспективным. Хорошая цитируемость, высокая виральность. Вовлекает аудиторию в тему лучше, чем обычная колонка (opinion). Мог бы. Но с 1 августа 2014 года запрещен в РФ для использования в социальных сетях в соответствии 97-ФЗ.

“Fandranitana ara-tsaina” — karazana media vaovao. Mety ho iray tena manome toky. Taham-pitanisàna ambony be, faran'izay miparitaka be. Mampiditra tsara ny mpamaky ho ao anaty resaka, mihoatra lavitra noho ny tsanganana fanehoan-kevitra mahazatra. Angamba. Saingy manomboka ny 1 Aogositra 2014, dia ho voaràra ao anatin'ny Federasiona Rosiana ny fampiasàna azy ety anaty tambajotra sosialy, araka ny [Lalàna Federaly] 97.

Na dia nanamafy aza i Vinokurov [2] fa amin'ny ankapobeny ny hetsika ataony dia mifototra betsaka amin'ny fanaporofoana ireo teritery apetrak'ilay lalàna vaovao momba ny aterineto ao Rosia, tsy dia tsara loatra no nandraisan'ny mpamaky ilay “fandranitana ara-tsaina.”

Dmitri Kojevnikov, [14]mpampiasa Facebook dia tsy nankasitraka loatra ilay fampiasàna teny tsy hanafintohina [15]:

“Интеллектуальная провокация” — пиздеж на либспике?

“fandranitana ara-tsaina” — fomban'ny liberaly hilazana ny “hagaigena” ve izany?.

Tatiana Kulichik [16] niampanga an'i Vinokurov ho mpisary gaigin'ny aterineto tsotra ihany [17]:

Чем отличается от троллинга?

Inona no maha-samihafa an'io amin'ny fisariana gaigy?.

Iray hafa mpampiasa Facebook , Vladimir Lazutkin, [18] no nanipika tamin-keso fa tsy mety hitany ny fiantraika ratsin'ilay fandraràna ny lainga ety anaty aterineto [19]:

Врать запретили! Какая досада!))

Voaràra ny fandaingàna! Mampalahelo! 🙂

Ao anatin'ny lahatsoratra miaty fampianarana nataony momba ilay raharaha, milaza an-kolaka iray amin'ireo lalàna marobe ikendrena ny hifehezana (sy hanivànana) ny aterineto Rosiana i [20]Vinokurov. [2] Nankatoavina tamin'ny May ny 97-FZ [21], fantatra koa amin'ny hoe  “Lalàna momba ny Bilaogera,” ary manan-kery manomboka ny 1 Aogositra 2014. Ankoatry ny fitakiana amin'ireo bilaogera hizaka ny sata fototry ny mpampahalàla vaovao, takian'ilay lalàna ny “hanamarinan'ireny olona ireny ny vaovao avoaka ho an'ny besinimaro alohan'ny hamoahana azy, ary ny hamafàna avy hatrany izay vaovao voaporofo fa diso.” (  Azonao vakiana manontolo eto ny dika manontolon'ilay lalàna Rosiana [22]).

Fa dia efa lozabe angaha ny an'i Vinokurov ao anatinà teo-draharaha mavesatra tahaka izany, raha raisina ny toetra efa litika sahady ananan'ireo media, bilaogera sy mpisera amin'ny aterineto? Mety ho izay. Ampy ve izany hahatonga aminà teboka iray haha-henjana ny fepetra vaovao ho an'ny aterineto Rosiana? Angamba. Hanampy hanova ny teo-draharaha sy hampiroborobo ny fahalalahana maneho hevitra ary fizaràna vaovao amin'ny fomba mandray andraikitra ve izy io? Tsy dia azo antoka loatra.