SARIPIKA: Mandrava Ny Moskean'ny Mpaminany Jonah Ao Mosul, Iraka Ny ISIS

Manohy mandrava ireo toerana masina sy moskea Shiita taloha ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), izay nibodo ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iraka, Mosul sy sisintany hafa ao andrefan'i Irak tamin'ny volana lasa teo.

Vao avy nisioka lahatsary mampiseho ny fandravana ny Moskean'ny Mpaminany Jonah tao Mosul tao amin'ny Twitter i Hayder al-Khoei, Irakiana mpikaroka mpikambana ao amin'ny Chatham House monina ao Londra, Fanjakana Mitambatra :

Narodan'ny ISIS ny moskea Nabi Younes (Mpaminany Jonah), iray amin'ireo toeram-pivavahana manatantara indrindra ao Mosul #Iraq https://t.co/qtDQ4o7JxX

Nampakarin'i Murtada Al-Yusuf tao amin'ny Youtube ny lahatsary izay nozaraina tao amin'ny media sosialy.

Sokajian'ny fikambanan'ny mahery fihetsika (extremista) Sonita ho fialana amin'ny finoana ny fanajana ny olomasina ary mpanaraka hevi-diso ny Miozolomana Shiita.

Namoaka ity tatitra ity ny Daily Mail vao haingana, izay ahitana sary sy lahatsary nalaina tao amin'ny media sosialy mikasika ny fandravana ireo toerana masina sy moskea Shiita taloha 10 farafahakeliny tao amin'ny sisintany fehezin'ny ISIS.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.