Fouad Masoum Voafidy Ho Filoha Irakiana Vaovao

Kurdish Fouad Masoum has been elected as the new president of Iraq. Source: @RadawEnglish (Twitter)

Ilay Kiorda Fouad Masoum no voafidy ho filoha vaovaon'i Iràka. Loharano: @RadawEnglish (Twitter)

Nahazo filoha vaovao ihany i Iràka. Fouad Masoum, Kiorda politisiana 76 taona, no voafidy ho amin'io toerana io, taorian'ny kizo tsy nahafahana nanangana governemanta vaovao hatramin'ny fifidianana tamin'ny volana Avrily farany teo.

Ny tanjon'ny fanendrena dia ny hanangana governemanta vaovao hanohitra sy fiokoana sonita ao amin'ny faritra andrefan'i Iràka, izay fehezin'ny Fanjakana Islamikan'i Iràka sy Syria hatramin'ny nahazoan'ny vondrona mpampihorohoro an'i Mosul, tanna irakiana faharoa lehibe indrindra sy ny manodidina azy tamin'ny volana lasa teo.

Misioka ilay Irakiana monina ao London Hayder al-Khoei sakaizan'ny Chatham :

Nahazo vato 211 i Fouad Masoum tamin'ny fihodinana faharoan'ny fifidianana. Izy no ho filohan'i Iràka manaraka.

Manazava i Mustafa Kadhum, izay monina ihany koa ao London:

Mety hamaha kokoa ny fifanenjanana politika misy ao amin'i Baghdad sy governoràn'i Kiordistana ny nifidianana an'ilay Kiodra politisiana Fouad Masoum ho filohan'i Iràka.

Mandritra izany fotoana izany, maneho hevitra ilay Irakiana mpanoratra gazety Mina Al-Oraibi, izay manana mpanjohy 19.6K ao amin'ny Twitter:

Raha mirona bebe kokoa ho amin'ny fanokanana lanonana ny prezidansa eto Iràka , dia zava-dehibe ny mahafantatra izay sisa tavela amin'ny fihetseham-po nasionaly sy ny hakelin'ny vinam-pijery ho an'ny firenena

Saingy miarahaba izany fiovana izany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Soedoà Carl Bildt. Nisioka ho an'ireo 307K mpanjohy azy izy:

Miarahaba ny nifidianana an'i Fouad Masum Hawrami ho filohan'i Iràka vaovao aho. Tokony hanokatra lalana ho amin'ny governemanta iraisana sy misokatra amin'ny fototra bebe kokoa. 

Ny vato misakana manaraka ho an'i Iràka dia ny fifanarahana amin'izao ho praiminisitr'i Iràka manaraka tokony hisolo an'i Nouri Almalki.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.