Tantara tamin'ny 25 Jolay 2014
Tsy Mahomby Amin'ny “Vaovao Sandoka” i Rosia, Saingy Tena Izy Kosa Ny Fahalalahan'ny Aterineto Miaraka Amin'io

Nanao sarintsarinà "fandranitana ara-tsaina" hafahafa ny tompon'ny fantsom-pahitalavitra TV Rain mba hahatakarana ny tandindon-doza mety hahazo ny fahalalahan'ny aterineto ao Rosia.
Miara-mientana Ny Governemanta, Ny Mpanohitra Sy Ny Vahoaka Ao Malayzia Mba Hitaky Ny Rariny Amin'ny Fianjeran'ny MH17
Nanatontosa fivoriana vonjimaika ny Parlemantan'i Malayzia ary niara-nandany tolo-kevitra miampanga ireo izay tompon'andraikitra tamin'ny fitifirana ny zotra MH17 Malayzia Airlines, izay nahafaty ireo mpandeha 298 sy mpiasan'ny fiaramanidina
Fouad Masoum Voafidy Ho Filoha Irakiana Vaovao
Nanana filoha vaovao ihany i Iràka. Fouad Masoum, Kiorda politisiana 76 taona no voafidy ho eo amin'io toerana io.
Vaovao Mahafaly Avy Ao Pakistan: Fisokafan'ny Jalaibi.com

Tetikasa hafa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ny Jaliaibi.com, fisantarana andraikitra vaovao avy ao Pakistana mba hanandratana ireo tantara vaovao tsy fahita amin'ny vaovao mahazatra, sy hizara vaovao tsara avy ao amin'ny firenena.
Bitsika Avy Amin'ireo Sisam-paty Ao Gaza: Mamoaka Ny Zava-doza Misoko Manginan'ny Vono-olona Tao Khuza ny Twitter
Milaza ireo tatitra mivoaka avy ao Khuza'a fa tsy avelan'ny tafika Israeliana hiala ny tanàna ireo mponina ao, izay efa tsy manana rano, sakafo sy fialofana.
SARIPIKA: Mandrava Ny Moskean'ny Mpaminany Jonah Ao Mosul, Iraka Ny ISIS
Sokajian'ny fikambanan'ny mahery fihetsika (extremista) Sonita ho fialana amin'ny finoana ny fanajana ny olomasina ary mpanaraka hevi-diso ny Miozolomana Shiita.a .
Manome 4 Tapitrisa Robla Ho An'izay Mahavaha Ny Tor i Rosia

Na dia toa tsy dia hotanteraka loatra aza, raha tafita io tetikasa famahàna kasain'i Rosia hatao io, dia ho tandindonin-doza ireo olona an-tapitrisa mpisera amin'ny aterineto izay tsy ratsy velively ny safidiny hiditra amin'ny tsy fitononana anarana ety anaty aterineto.