- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jokowi No Filoha Fahatelon'i Indonezia Voafidy Tamin'ny Fomba Mivantana

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Jakarta Governor Joko Widodo or Jokowi is Indonesia's president-elect. Photo by Denny Pohan, Copyright @Demotix (7/9/2014) [1]

Ny Governoran'i Jakarta Joko Widodo na i Jokowi no filoha voafidin'i Indonezia. Saripikan'i Denny Pohan, Copyright @Demotix (7/9/2014)

Nanambara ny tompon'andraikitry ny fifidianana ao Indonezia fa ny Governoran'i Jakarta Joko Widodo [2] (Jokowi), politisiana malaza avy any an-tanànan'i Solo, no ho filohan'ny firenena fahafito taorian'ny fahavitan'ny fanisam-bato [3] tamin'ny talata.

Widodo, izay nahazo ny 53,15 isanjaton'ny [4] vato manakaiky ny 130 tapitrisa no filoha fahatelo nofidiana mivantana tao amin'ny firenena. 

Nanatontosa ny fifidianany filoham-pirenena tamin'ny 9 jolay lasa teo i Indonezia, firenena demokratika fahatelo lehibe indrindra manerantany. Ny kandidà goavana tamin'izany dia i Widodo sy i Prabowo Subianto, miaramila teo aloha izay derain'ny mpanohana azy ho matanjaka sy maherifo, saingy niatrika ny fiampangana ho nanitsakitsaka ny zon'olombelona nandritra ny fitondrana jadon'i Suharto [5] naharitra telopolo taona.

Nampiseho ny fisentoany sy ny fankatoavany ny famaranana ny fanisam-bato avy hatrany ny Indoneziana mpisera Twitter sasantsasany:

Hitondra an'i Indonezia hifanindran-dalana amin'ireo firenena demokratika lohalaharana ny valim-pifidianana. — JKW-JK 4 Indonesia (@JKW4Ind)

Jokowi no filohantsika vaovao. Arahabaina, mino izahay fa hitondra fanovana ho an'i Indonezia ianao. — NyakBabe (@nyakbabe2)

Saingy nanambara i Subianto androany vao maraina fa mikasa ny tsy hiraharaha [10] ny voka-pifidianan'ny Komitim-Pifidianana Ankapobeny [11] (KPU). Nolazainy ary fa hametraka fitoriana miafanaraka amin'ny lalàna [12] hanoherana ny lazaina fa fisian'ny hosoka nandritra ny fandrotsaham-bato. Saingy nisintaka [13] tamin'ny fanapahan-kevitr'i Subianto ny mpiray lisitra aminy Hatta Rajasa. Namaly ny mpisera Twitter:

Mampihomehy ny filazan'i Prabowo fa manohana ny vahoaka izy nefa misy olona ahiahiana ho manao kolikoly antsoina hoe Suryadharma Ali ao aoriany manohana azy.— David Michael Saga (@DMSaga)

Tahaka ny fihetsika famoizam-po avy amin'i Prabowo, tsy hampandresy anao ihany koa ny fialana amin'ny fifidianana. Io no feom-bahoaka.— MC BLAKE (@jason_blake)

Nidina ny tsenam-bola tao Indonezia taorian'ny fanambarana nataon'i Subianto. Mitaratra ny fanahian'ny olona maro amin'ny fiantraikan'ny fahamarinan-toerana ara-politikan'i Indonezia izany raha mitsipaka ny valim-pifidianana ny iray amin'ny kandidà, indrindra fa i Subianto :

Nijotso 1,5% ny Tsenam-Pifanakalozam-bola ao Indonezia taorian'ny valandresaka nataon'i Prabowo.

Miangavy ny mpanohana azy i Prabowo hitony, saingy mihetsi-po be ranamana ka mety miteraka zavatra mifanohitra amin'ny fanambarana nataony.

Ao amin'ny kaontiny Twitter i Yusril Izra Mahendra minisitry ny fitsarana teo aloha sady mpampianatry ny zon'olombelona, no manoratra izay mety hitranga raha sanatria ka tsy nahomby ny fifidianana ho filoham-pirenena:

Ao anatin'ny lalànan'ny fifidianana ho filoham-pirenena, izay mitovy amin'ny fifidianana antenimiera sy fifidianam-paritany, dia tsy mahazo alalana ny hiala ny kandidà efa nankatoavina, na inona na inona antony.

Anio raha tsy mahomby ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia hisy ny fahabangan'ny governemanta satria tsy araka manitatra ny fe-potoana ijoroany ny Antenimieran-Pilankevi-Bahoaka (MPR)  [izay i Susilo Bambang Yudhoyono no filoha amin'izao fotoana izao].

Hampaharefo ny firenena sy ny fanjakana ny ‘fahabangan'ny’ governamanta, saingy mbola mitoetra ho laharam-pahamehana ny fiavotan'ny fanjakana.

Mandritra izany fotoana izany, misy ireo mpisera Twitter sasantsasany ihany koa nankasitraka ny filoha Yudhoyono, fantatra amin'ny fanafohezana ny anarany SBY, noho ny nataony hitandroana ny filaminan'ny tetezamita demokratika:

Misaotra anao ry SBY tamin'ny fanampiana nanao izay hampadio sy hampilamina ny fifidianana.

Hanao fianianana amin'ny mahafiloha azy i Widodo amin'ny 20 Oktobra 2014.