- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toa Adinon'ny Minisitry Ny Raharaham-bahiny Bahrainita Ny Fampijaliana Ireo Mpanao Gazety Ao Amin'ny Fireneny

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Palestina, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
A poster at an opposition rally in Bahrain in May 2013 describes the country as "Capital of torture."  Photo by Ammar Bin Yasser. Copyright Demotix [1]

Afisy nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra tao Bahrain tamin'ny volana Mey 2013, mamariparitra ny firenena ho “renivohitry ny fampijaliana.” Sary avy amin'i Ammar Bin Yasser. Zon'ny mpamorona Demotix

Nolavin'i Bahrain ny fidiran'ireo mpanao gazety iraisam-pirenena marobe [2] tao amin'ny firenena ao anatin'ny famoretana mahery vaika atao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Olona anjatony no namoy ny ainy ary an'arivony no nogadraina hatramin'ny nipoahan'ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Febroary 2011, nanempotra ny fahalalaham-pitenena ny fitondrana jadona sonita -.ary mbola manohy manao izany.

Tsy mampanontany tena noho izany raha nampivontirika mason'olona tsy vitsy ny sioka avy amin'ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Bahrain, Khalid Alkhalifa, miresaka ny mizana tsindrian'ila ataon'ny gazety iraisampirenena hitaterana ny fanafihan'i Israely an'i Gaza farany indrindra.

Taorian'ny fampiantsoana ilay mpitati-baovaon'ny NBC tao Gaza, Ayman Mohyeldin [3], Alkhalifa nisioka hoe:

Nanatri-maso mivantana ny vono olona izy… ary tsy nahazaka ny fahatsorany tamin'ny fandraisany ny andraikitra mahampanao gazety azy izy ireo.. Ka noroahin'izy ireo tao Gaza

Nampanantsoin'ny fantsom-pahitalavitra NBC i Mohyeldin rehefa avy nisioka ny fahafatesan'ireo zatovolahy efatra tao amorontsirak'i Gaza, ary nofafana ireo lahatsoratra nalefany tao amin'ny Twitter sy Facebook momba izany loza izany. Mpanao gazety Rania Khalek, izay manana mpanjohy maherin'ny 40.000 nisioka ny pikantsarin'ireo lahatsoratra:

Nofafana ireo lahatsoratra milaza ny zava-misy, izay nalaza tao amin'ny aterineto. Toa tahaka ny manivana ireo mpitati-baovaony ny @NBCNews [8]pic.twitter.com/QEhTbd07cs [9]

Nahatezitra ireo mpanoratra gazety marobe [11] ny fanapaha-kevitr'ilay tambajotra, ka naverina indray i Moheyeldin avy eo.

Na dia izany aza, tsy nandalo fotsiny ny siokan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Alkhalifa.

Saïd Youssef monina ao Alemaina, ary filoha lefitry ny Foiben'ny Zon'Olombelona Bahrain namaly hoe:

Tahaka an'i Al Khalifa nandroaka mpanoratra gazety hiala tao Bahrain noho ny fahitana imaso ireo heloka bevava sy nisambotra vavombelona am-polony tamin'izany heloka bevava natao tamin'ny olom-pirenena izany

Ny kaonty Bahrain Doctor, izay miantso ny famotsorana ireo dokotera nogadraina tao Bahrain, nisioka tamin'ireo mpanjohy azy maherin'ny 62 000:

Ianao angamba no farany niresaka momba ny fahalalahan'ny gazety, an-jatony ireo norarànao tsy hiditra ao Bahrain ary ny tena ratsy indrindra dia ny nampijalianao ireo mpanoratra gazety Bahrainita

Raharaha an-jatony mahakasika mpanoratra gazety sy mpikatroka nolavina tsy hiditra tao Bahrain [15] no voarakitry ny Fikambanana tsy miankina Bahrain Watch. Nilaza i Nicholas Kristof, mpanao famakafakana ao amin'ny New York Times sy nahazo ny loka Pulitzer fa notifirina baomba mandatsa-dranomaso sy nogadraina fotoana fohy [15]tamin'ny taona 2011 izy raha nitatitra momba ny fitroarana manohitra ny governemanta, ary noroahina [15]fotoana fohy taorian'ny nahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Bahrain tamin'ny taona 2012. Taorian'ny fandroahan’ [16]ny firenena ilay sekreteram-panjakana lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, Zon'olombelona sy ny asa, Tom Malinowski, izay nihaona tamina vondrona mpanohitra Shiita  tao Bahrain, hoy i Kristof nisioka:

Izay indray, lasa karazana Lokan'ny Zon'olombelon'ny Taonjato faha-21 avy amin'ny mpanjaka Hamad ny fandrarana anao tsy hahazo hiditra ao Bahrain. Tokony hanome sertifika izy ireo

Niampanga ireo manampahefana ho nampijaly ihany koa ireo mpanao gazety nosamborina tao Bahrain. Nazeeha Saeed, Bahrainita solontena mpitati-baovaon'ny France 24 sy ny Radio Monte Carlo, no voalaza fa voadaroka mafy sy nampijaliana nandritra ny fitanana azy tao amin'ny polisy, roa taona lasa izay [18] noho ny kaonty manokana manalokaloka ny tetikasa Media Legal Defence. Mpanao gazety mpaka sary tsy miankina, Hussain Hubail, kosa no nilaza fa nampijaliana nandritra ny fitanana azy, ary nahazo sazy an-tranomaizina dimy taona vao haingana noho ny “fitarihana fankahalana ny governemanta” sy fiampangana hafa, araka ny filazan'ny Reporters Without Borders [19].

Tao amin'ny Twitter, nisioka tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ny fampatsiahivana ny raharaha momba an'i Saeed ny kaonty Bahrain Doctor:

Ohatra tsotra, vakio ny zavatra nataon'ireo mpampijaly ilay mpanao gazety Nazeeha Saeed tao amin'ny foibem-pamonjana, raha sendra adinonao

Talohan'ny Fivoriana faha-26 ny Filan-kevitry ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona tamin'ny volana Jiona, fikambanana 10 izay mitolona ho amin'ny zon'Olombelona sy ny fahalalaham-pitenena no namerina nanavao indray ny antsony ho amin'ny famotsorana ireo mpanao gazety [22]nogadraina tao Bahrain, anisan'izany i Hubail. Hatramin'izao, mbola tsy namaly i Bahrain.