Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

23 Jolay 2014

Tantara tamin'ny 23 Jolay 2014

Fahafatesana Sy Rivotry ny Hadisoam-Panantenana Tao Donetsk sy Gaza

Ahoana no fomba fanehoankevitr'ireo mpampiasa RuNet tamin'ireo zavatra roa nitranga ny 17 Jolay, ny fandabohana ny sidina Maleziana MH17, ary ny fanombohan'ny fanafihana an-tanety nataon'i Israely tao amin'ny Lemak'i Gaza?

Tongasoa eto amin'ny Filankevi-Pitantanan'ny Global Voices i Juanita Leon

"Nandray dingana hafa ny Global Voices amin'ny hevitry ny hoe tsy mianina loatra amin'ny fampahafantarana -- na farafaharatsiny tsy izay fotsiny ihany -- ny fanoratan-gazety fa miresaka ihany koa ny tafatafa ifanaovana," hoy i Juanita Leon, mpikambana vaovao indrindra ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices.

Hena Lany Andro Aroson'ny McDonald, KFC Sy Ireo Sakafo Tselatra Ao Shina

Ity no tantara ratsy farany indrindra namely an'i Shina, izay nolalovanà andian'olana tato anatin'ny taona vitsy, isan'izany ny resaka ronono nisy poizina tamin'ny 2008 izay nahafaty zaza menavava enina.

“Miaraka Aminao i Syria, Ry Gaza”

Hatramin'ny poeta ka hatramin'ny mpikatroka avy ao afovoan'i Aleppo, izay tsy mitsahatra ny midaroka ny baomba, dia tsy miova ny fihetsiketseham-piraisankina Syriana-Palestiniana. Manana ny tantara i Syria Untold.