Nanoritsoritra ny loza mahatsiravina hitany ireo vavolombelona nahita maso tao Gaza arakaraky ny fitombon'ny isan'ny maty taorian'ny iray andro sy iray alina nandarohana baomba ny fari-ponenana ao Al-Shejaia, any amin'ny manodidina ity tanàna atao fahirano ity. Androany no andro faha-13 hatramin'ny nanombohan'ny “Hetsika Fiarovana Maranitra,” nataon'i Israely ho valin'ny fahafatesan'ireo zatovo Israeliana telo.
Niaraka daholo ireo mpikatroka mafàna fo sy loharanom-baovao Palestiniana nilaza fa 437 hatreto no Palestiniana namoy ny ainy, ka anisan'ireny ireo zaza amam-behivavy marobe, ary an'arivony no naratra. Milaza ihany koa ireo loharanom-baovao fa eo amin'ny 13 eo ny miaramila Israeliana maty.
Anaty tarehimarika mazava, manoratra ho an'ireo 13.400 mpanjohy azy i “Palestianism” izay manora-tena ho toy ny “loza mitatao ara-demaografika ho an'i Israely; sivily iray” :
Day 13 – Confirmed – 437 Palestinians killed. #Gaza
— F. (@Palestinianism) July 20, 2014
Andro faha-13 – Voamarina – Palestiniana 437 maty. #Gaza
Mihoatra noho izay efa hitan'ny Palestiniana hatrizay nanombohan'ity ady ity ny zava-dozan'ny androany, indrindra fa ny fanafihana manokana nanjo an'i Al-Shejaia mpifanolo-bodirindrina amin'i Gaza. Mibilaogy ilay sedra ao anatin'ity sary ity [TANDREMO: sary mahery setra] i “Occupied Palestine” ary ao amin'ny “Electronic Intifada”, mitatitra i Ali Abunimah hoe:
Lehilahy am-polony maro, zaza amam-behivavy no maty vao mangiran-dratsy ny Alahady raha nandaroka baomba tsy misy fanavahana ny tao Shujaiya tanàna atsinanan'i Gaza ny Israeliana.
Vatana mangatsiaka teo amin'ny 60 teo no nosokirina avy tany ambany korontan'ireo trano rava, ary maherin'ny roanjato ny isan'ny naratra, hoy ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Fahasalamana Palestiniana, Dr. Ashraf al-Qidra, tamin'ireo mpilaza vaovao ao an-toerana.
Avy ao Gaza, hoy i Mohammed Abu Sadaa ho an'ireo 1.400 manjohy azy ao amin'ny Twitter.:
I tweeted before Friday was the bloodiest. Today surpasses Friday and still counting..I expect more bloody one is yet to come! #StopIsrael
— Mohammed M Abu Sadaa (@GazanPal) July 20, 2014
Nibitsika aho tany aloha hoe ny tamin'ny Zoma no tena feno rà nandriaka. Fa mihoatra noho ny tamin'ny Zoma ny androany ary mbola mitohy ny fanisàna. Ary ahiako ny mbola hahatongavan'ny iray mbola be rà latsaka kokoa noho ny androany! #StopIsrael
Anaty andianà bitsika, mizara saripika marobe ihany koa izy ahitàna ny vono-olona androany tao Al-Shejaia, izay raha kely indrindra nahafatesana toy izao. Ireto ny sasany tamin'izy ireny:
Al-Shejaia massacre in PHOTOS..<11> pic.twitter.com/ud8dpcdwg6
— Mohammed M Abu Sadaa (@GazanPal) July 20, 2014
Vono-olona tao Al-Shejaia atao AN-TSARY ..<11> pic.twitter.com/ud8dpcdwg6
Al-Shejaia massacre in PHOTOS..<9> pic.twitter.com/8A2FVsfohA
— Mohammed M Abu Sadaa (@GazanPal) July 20, 2014
Vono-olona tao Al-Shejaia atao AN-TSARY ..<9> pic.twitter.com/ud8dpcdwg6
Al-Shejaia massacre in PHOTOS..<1> pic.twitter.com/uFKqSj0lGp
— Mohammed M Abu Sadaa (@GazanPal) July 20, 2014
Vono-olona tao Al-Shejaia atao AN-TSARY ..<1> pic.twitter.com/ud8dpcdwg6
Soritsoritan'i “Palestiainism” ho “tsy azo saintsainina” ny faharavàna sy ny fatiantoka :
Shaja'iya, east Gaza. The destruction and loss is unimaginable. #Gaza pic.twitter.com/jcohaiFNlX
— F. (@Palestinianism) July 20, 2014
Shajaiya, atsinanan'i Gaza. Tsy azo saintsainina ny faharavàna sy ny fatiantoka. #Gaza pic.twitter.com/jcohaiFNlX
Ampiany hoe:
Today, a 90 y/o lady was brought to us dead. She has been dead for three days, medics unable to reach her house. #Gaza #GazaUnderAttack
— Samah Saleh (@Solarah) July 20, 2014
Androany, vaviantitra iray 90 taona efa maty no naterina tato aminay. Efa telo andro izy no maty, tsy afaka nanatona ny tranony ny mpitsabo.
Ary misaona ny faharavàn'ny tranon-drazany i Mohammed Ziara :
حي الشجاعية في غزة, المكان الذي تنتمي له عائلتي, تحول الى انقاض بسبب القصف الإسرائيلي المتواصل #مجزرة_الشجاعية pic.twitter.com/ms7msHniqF
— Mohammed N. Ziara (@MohammedNZiara) July 20, 2014
Tanànan'i Al-Shejaia, mpifanolo-bodirindrina amin'i Gaza, tanàna niavian'ny fianakaviako, nanjary fatin-korontana noho ny daroka baomba tsy mitsahatra ataon'i Israely.
Lina, Palestiniana iray avy ao Gaza, monina any Qatar, mitatitra hoe:
Mama tells me she saw some of the people who fled their houses from Shejaia,she said they're carrying white flags. as if israel cares.
— Lina ام ياسمين (@livefromgaza) July 20, 2014
Milaza amiko i Neny fa nahita ireo olona nandositra ny tranony avy ao Shejaia, nolazainy fa nilanja saina fotsy izy ireo, tahaka ny hoe horaharahain'ny Israeliana izany
An'arivony ireo Palestiniana nandositra ny tanàna manodidina satria niha-henjana ny ady, na dia tsy hita hoe aiza aza no toerana haleha. Gaza, ahitàna Palestiniana 1,8 tapitrisa, dia nofaritana ho ny “fonja an-kalamanjàna midadasika indrindra erantany.” i Israely no ao amin'ny sisintany ilany, ary Ejipta no ao amin'ny ilany.
Marobe ireo mpisera amin'ny aterineto no nizara ity lahatsary ity avy amin'ny mpanolotra fandaharan'ny Al Jazeera ao Gaza, Wael Al Dahdooh, izay latsa-dranomaso raha eo ampilazàna ny zava-doza natrehany maso taorian'ny vonomoka tao Al-Shejaia:
http://www.youtube.com/watch?v=to_r1SttbS0#t=31
Ao amin'ny Twitter, miteny amin'ireo 16.200 manjohy azy i Sana Saeed hoe :
This is the original IDF justification for bombing houses, hospitals, mosques and schools #Gaza pic.twitter.com/jOP7h2KVND
— Sana Saeed (@SanaSaeed) July 20, 2014
Izao no fanamarinan-tena ataon'ny tafika Israeliana mba handarohany baomba ny trano, hopitaly, trano fivavahana ary sekoly. #Gaza pic.twitter.com/jOP7h2KVND
Mizara ity saribe ity ihany koa izy, avy amin'ny Hery Fiarovana Israeliana, izay mampiseho ireo “mpampihorohoro” miafina ao Gaza:
This is the original IDF justification for bombing houses, hospitals, mosques and schools #Gaza pic.twitter.com/jOP7h2KVND
— Sana Saeed (@SanaSaeed) July 20, 2014
Izao no fanamarinan-tena ataon'ny tafika Israeliana mba handarohany baomba ny trano, hopitaly, trano fivavahana ary sekoly. #Gaza pic.twitter.com/jOP7h2KVND
Ary marihany hoe :
Israel's precision weaponry is, thus far, 80% precise in killing civilians.
— Sana Saeed (@SanaSaeed) July 19, 2014
Hatreto ny fahazoana antoka ny fitaovam-piadian'ny Israeliana dia azo antoka 80% amin'ny famonoana sivily.
Mandritra izany fotoana izany, Gregg Carlstrom, mpanao gazety mipetraka ao Tel Aviv mibitsika ho an'ireo 24.100 mpanjohy azy manao hoe :
Palestinians inside Israel and in the West Bank planning a general strike tomorrow, and protests too, at least on the Israeli side.
— Gregg Carlstrom (@glcarlstrom) July 20, 2014
Manomana fitokonana faobe ireo Palestiniana ao Israëly sy any Andrefan'i Cisjordanie, rahampitso, ary hanao hetsi-panoherana koa, farafaharatsiny any amin'ny lafy Israeliana.
Avy ao Gaza, ny Hamas, izay nifehy ny ao Gaza efa hatramin'ny 2007, dia nitifitra bala afomanga nankany Israely. Tsy naharava zavatra firy tany Israely ny ankamaroan'ireo tifitra bala afomanga natao, amin'ny ampahany dia noho ny rafi-piarovana Iron Dome, fiarovana ny habakabaka napetrak'i Etazonia, izay misambotra eny ampanidinana ny ankamaroan'ireo bala afomanga.